Dingana faha-9 D9

NY ETIKA

Ny etika dia tsy inona fa ny fijerena sy fandinihana ny hoe : « Inona no tsara ary inona no ratsy ? » Noho izany dia manao etika daholo ny olona afa-tsy ny « adala ».

Ny fanontaniana izany dia tsy ny hoe : « hanao etika sa tsia ? » fa ny hoe : « Inona no etika harahina ? » Mila fandinihana sy famakafakàna izany fa tsy mandeha ho azy.

Misy fifanoherana indraindray eo amin’ny etika atao na arahin’ny olona satria mifanohitra sy miady ary mety miara-monina ao aminy ny firehana roa samihafa noho ny fikendrena na fitadiavana tombon-tsoa mandalo na vetivety. Mitondra amin’ny fihatsaram-belatsihy sy ny fanaovana teny roa izany matetika, ary mety mitondra fikorontanana eo amin’ny fifandraisana. Vakio Jak.4 :1

 

INONA NO ILAN’NY KRISTIANA NY ETIKA ?

Ny fanontaniana dia ny hoe : « Tsy ampy ve ny Baiboly ? »

  • Miovaova ny totr’andro sy ny toe-javatra ka mila atao mifanaraka amin’izany ny fampiharana sy fiainana ny tsara.
  • Misy fivoarana ny fanambaràn’ny Baiboly (Testamenta Taloha sy Vaovao) ka mila fantarina tsara ny fahasamihafàny sy ny fitoviany ary ny fifandraisany (fitohizany)
  • Tsy miditra amin’ny antsimpirihany indraindray ny Baiboly ka mila famakafakàna sy fandinihana tsara ny fampiharana azy.

Misy karazany roa ny etika, dia ny etikan’ny adidy (éthique du devoir) na koa morale sy ny etikan’ny toe-panahy (éthique de la vertu)

 

NY ETIKAN’NY TOE-PANAHY (éthique de la vertu)

Antsoina koa hoe « éthique eudémoniste » izy. Ny eudémonisme ( avy amin’ny teny grika hoe : eudaimonia midika hoe béatitude) dia firehana filozofika izay miorina amin’ny foto-kevitra hoe : « ny tanjon’ny fiainana dia ny fahasambarana. » (le but de la vie humaine est le bonheur).

Ny grika dia nametraka toe-panahy fototra efatra (vertus cardinales) :

  • Ny fahamalinana (prudence)
  • Ny onony na ny fahalalana onony (tempérance)
  • Ny hery (force)
  • Ny fahamarinana na ny fandalàna ny rariny (justice)

Araka izany ny loharanon’ny fahasambarana dia ny fitondran-tena na ny fiainana amin’ny toe-panahy mendrika (araka ny tsara). Tsy tonga amin’izao anefa izany fa mandalo amin’ny fanazaran-tena sy ny fifehezan-tena (exercice des vertus). Ny olona manko dia miaina amin’ny fahazarana « l’habitude est une seconde nature »  vakio Ohab.22 :6   Koa misy ny fahazaran-dratsy (vices) ary misy ny toe-panahy mendrika (vertus). cf  2Tim.3 :15. Mila fizarana (entraînement) ny hananana toe-panahy voazaha toetra ka zatra amin’ny tenin’ny fahamarinana fa tsy ronono foana. 1Kor.3.2-3a; Heb.5.13-14; cf Tim.4.8

 

Ny Baiboly kosa dia nanome antsika ny toe-panahy fototra telo (vertus théologales)

  • Ny finoana
  • Ny fanantenana
  • Ny fitiavana

ary ny finoana no voalohany sy ambony indrindra amin’ireo.

Ny tanjon’ny fiainana dia ny fahasambarana, saingy ao amin’ny firaisana (fomba) amin’Andriamanitra no iorenany. Ny modely tokony hotratrarin’ny kristiana dia Jesosy Kristy (Efe.4 :13). Tefen’ny Fanahy Masina hitovy endrika aminy tsikelikely isika.

Miainga amin’ny maha-olombelona mpanota, tafasaraka amin’Andriamanitra, ny fiainantsika ary hamasininy hizotra amin’ny lalana mitondra ho amin’ny maha-zanak’Andriamanitra mitovy amin’i Kristy (cf. Jao.3 :30) Ny « eny » tsirairay ataontsika amin’Andriamanitra amin’ny fisainana sy ny teny ary ny asa dia manamora ny « eny » manaraka (fitomboana) 2Kor.3 :18 ; ary ny « tsia » tsirairay ataontsika amin’ny Tompo dia mampanalavitra antsika amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra. Io no antsoina hoe manamafy fo.

NY ETIKAN’NY ADIDY (éthique du devoir) na lalàna moraly.

Ny etikan’ny toe-panahy dia mikendry ny olona (l’être et le devenir), fa ny etikan’ny adidy kosa dia mamaly ny fanotaniana hoe : « Que faire pour bien faire ? »

Etikan’ny baiko (éthique de commandement) na koa « éthique déontologique » no iantsoana azy. Mikendry ny fifandraisana na ny fiarahana amin’ny olona ana zavatra izy. Mety miteraka fangidiam-po (frustration) sy mitondra amin’ny fihatsaram-belatsihy (hypocrisie) mitarika fikomiana (révolte) izy.

Ny etikan’ny adidy anefa dia ilaina mba hitondra fara-fahakeliny amin’ny filaminana sy fahatoniana eo amin’ny fiaraha-monina. Izany no anton’ny lalàna sy fandaminana samihafa misy eo amin’ny sehatra rehetra (Lalàna, fitsipika, fepetra, sns…)

NY ETIKAN’NY TOE-PANAHY SY NY ETIKAN’NY ADIDY.

Mifanohitra ve izy roa ireo ? Raha ny marina dia mila ny voalohany ny faharoa.

Ny etikan’ny toe-panahy dia mila famolahan-tena, fianarana, fizàrana, ka mandalo amin’ny etikan’ny adidy izany. Izany no anjara-toeran’ny fifehezana (discipline) izay sady misy fanerena no misy famaizana na sazy, na koa valisoa.

Ilaina ny etikan’ny adidy satria tsy ampy ny fahalalana ny mety fotsiny mba hahatanterahana azy.

Ilaina ny etikan’ny toe-panahy fa io ihany no manorina ny fizina vaovao ho an’ny olon’ Andriamanitra.

Ny etikan’ny adidy na ny lalàna moraly dia miovaova arakaraky ny fotoana sy ny toerana.

 Ny etikan’ny adidy na ny lalàna moraly dia miovaova arakaraky ny fivoarana sy fitomboan’ny olona iray.

Ny etikan’ny toe-panahy kosa dia mampitoetra ny maha-olona ao anaty fahatsaram-panahy voazaha toetra.

Ny etikan’ny adidy (ce qui s’impose, obligatoire) no arofanina sy fitaizana amin’ny alalan’ny fitomboana sy ny fihavaozana ho amin’ny etikan’ny toe-panahy (ce qui est bon) rehefa ampianarina sy hazavaina tsara amin’ny olona manana saina nohavaozina (Rom.12 :2)

  1. Ahoana no hahafahana miampita avy amin’ny etikan’ny adidy ho amin’ny etikan’ny toe-panahy ?

Manaiky hotezaina sy manazatra tena. Ny etikan’ny adidy dia etikan’ny zaza ara-panahy, fa ny etikan’ny toe-panahy kosa no etikan’ny olon-dehibe, mahatratra ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy (Ef.4.13-14; 1Kor.3.1-2; 13.11; Heb.5.12-14) Itomboana io fa tsy azo avy hatrany, sady ianarana no izarana, ary sedraina mandrakariva.

 

  1. Inona no fanalahidin’ny etikan’ny toe-panahy ?

Ny fanahafana an’i Kristy  1Kor.11.1; Ef.5.1

 

  1. Ahoana ny hahatongavana amin’ny etikan’ny toe-panahy ?

Misy dingana tsy maintsy harahina:

  1. Fanoloran-tena: 12.1 cf  Jao.3.3-6
  2. Miova: manaiky hotezaina sy atoro: Rom.12.2-3; Ef.5.8-17: mandeha araka ny mazava; Ef.5.18-21: mifanaiky amin’ny fatahorana ny Tompo. NB: Andriamanitra no manova (Ef.2.10).
  3. Manana firaisana amin’ny Tompo = tia ny Tompo (Mar.12.29-30; Lio.10.27 cf Deo.6.5) Tia ny Tompo = mitandrina ny didiny (Jao.14.15, 21, 23-24 1Jao.2.5; 5.3; 2Jao.1.6) ka mandeha araka ny Fanahy fa tsy araka ny nofo (Rom.8.7; Gal.5.16-17, 22-26, cf Jao.3.30) Ny manana firaisana amin’ny Tompo dia manana fiainam-bavaka, manankina ny zavatra rehetra amin’ny Tompo Jao.15.7 cf Sal.37.5; Oh.16.3; 3.5
  4. Misaina ny an’Andriamanitra, mikatsaka ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany : Kol.3.1-10 ( cf Mat.16.23) Mat.6.33.
  5. Tia ny namana amin’ny fitiavana agape: 12.9; 13.10; 1Kor.13; 16.14; Ef.3.17; 5.2; Fil.2.2-3; Kol.3.14; 1Tim.1.5; Heb.10.24; 13.1; 1Pet.4.8; 1Jao.4.7, 16