Feon’ny Mazava



Feon ‘ny Mazava no anaran’ny Antoko Mpihiran’ny FPMA Toulouse nanomboka tamin’ny taona 2009 nankalazana ny faha 50 taonany, na dia efa tamin’ny taona 1959 niaraka tamin’ny fahaterahan’ny FPMA aza no nitsanganany.
Arak’izany dia avy nanamarika ny faha 60 taonany izy ny taona 2019 lasa teo.
Mitohy ny asany, dia ny fitoriana ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny hira.
Miisa eo amin’ny 45 eo ho eo ny mpikambana ankehitriny, mandray anjara amin’ny fanompoam-pivavahana isak’alahady izy ireo, ary misolo tena ny Fiangonana amin’ny fitorian-teny an-kira any ivelany araka izay iraka hiantsoan’ny Tompo azy : tafika masina, mariazy, sns
« Hidera an’i Jehovah lalandava aho, ary eo am-bavako mandrakariva ny fiderana azy » Salamo 34 :2 no tenim-piderana mandresy lahatra ny antoko mpihira ka hanefany ny asa fanompoany.
Famerenan-kira :
Asabotsy hariva 4 ora sy sasany – 7 ora sy sasany Vieux Temple. 70 Rue Pargaminières
Ireo biraon’ny Antoko Mpihira 2020 -2021
Filohan’ny sampana sy mpandrindra ivelany :
RAKOTONDRAINY Rija. feon.ny.mazava@gmail.com
Mpandrindra anatiny :
RAHAROLAHY Dina. r-dina@hotmail.fr
Mpitantsoratra : ANDRIANJAFITRIMO Hariniony. nionyandria@gmail.com
Mpitambola : MOUTAMALLE Ludivine. ludivinepro@gmail.com