Tongasoa

Teny fanolorana

   Faly miarahaba anao amin’ny anaran’ny Tompo izahay tongasoa  eto amin’ny tranonkalan’ny FPMA Toulouse, izay fizarana  ny fiainam-piangonana.

« Fiangonana mivelatra, mitombo ary miorina tsara » izany no lohahevitry ny soritr’asam-piangonan’ny FPMA Toulouse ho an’ny taona 2020. Mandritra ity taona ity ary dia mifototra amin’io avokoa no itondrana ny asa fanompoana rehetra eto anivon’ny fiangonana ary izany dia miorina ao amin’ny tenin’Andriamanitra manao hoe : « Halalaho ny itoeran’ ny lainao, ary aoka hohenjanina ny ambain-dainao, ka aza avela hisy hiketrona; halavao ny kofehinao, ary aoreno mafy ny tsima-dainao » (Isaia 54 : 2). Mifandray rahateo amin’ny firehana teolojikan’ny FPMA izany dia ny maha Fiangonana miombona manao asa misiona azy.

   Hohitanao ato ireo andinindininy rehetra momba ny fiainam-piangonana, ireo vaovao samihafa, ary ato koa no firaketana ny fampianarana isan-karazany natao teto amin’ny FPMA Toulouse.

   Aza misalasala mifandray aminay raha tsy nahavaly ny fanontanianao ny fitsidihana ity pejy ity.

 

Voninahitra ho an’Andriamanitra Irery
Komity FPMA Toulouse

   Nous vous saluons et vous souhaitons la bienvenue au nom de Jésus sur ce site, vitrine de partage de la vie de l’église FPMA Toulouse.

«  Eglise ouverte, en croissance et bien ancrée », tel est le thème du projet d’église de la FPMA Toulouse pour l’année 2020. Cette année donc, toutes les activités et missions de l’église sont conduites sur ce thème, qui prend son fondement dans les Saintes Ecritures : « Elargis l’espace de ta tente ; qu’on déploie les couvertures de ta demeure : ne retiens pas ! allonge tes cordages, et affermis tes pieux ». (Esaïe 54 :2). Cela est d’ailleurs cohérent avec l’orientation théologique de la FPMA qui est la communion en mission.

   Vous trouverez sur ce site les renseignements sur la FPMA Toulouse, quelques informations relatives à la vie de l’église, ainsi que les différents enseignements qui ont été prodigués au sein de la paroisse.

   N’hésitez pas à nous contacter si la visite de ce site n’a pas répondu à vos attentes.

 

Gloire à Dieu seul
Au nom du Comité paroissial