Kate 12 – Ny foto-pinoana kristiana miorina amin’ny famonjen’i Kristy

Misy fanontaniana roa fara-fahakeliny tonga ao an-tsaina :

– Nahoana moa isika olombelona no mila famonjena ?

– Inona no dikan’ny hoe famonjena eo amin’ny fiainana andavan’andro ?

Ny fanontaniana voalohany dia mitarika antsika handinika ny tantaran’ny zanak’olombelona taloha sy taorian’ny fahalavoana noho ny fahotana.

A) RAHA MBOLA TSY NANOTA NY OLOMBELONA

Asehon’ny Soratra Masina mazava tsara fa fony mbola tsy nanota ny olombelona dia ny fahasambarana sy ny fiadanana no niainany tao amin’ilay saha nametrahan’Andriamanitra azy. Tsy midika hoe mipetraka fotsiny tsy manao na inona na inona na koa mihinam-potsiny izany antsoina hoe sambatra sy miana izany ao amin’ny Baiboly.

Tamin’ny alalan’ny fankatoavana sy fanatanterahana ny didin’Andriamanitra ihany no nahazoan’ny olombelona voalohany niaina ny fiadanana sy ny fahasambarana feno tao amin’ny saha Edena.

Nasain’Andriamanitra nikarakara ny zava-boahary ary niasa ny saha i Adama sy Eva. Mariky ,ny fanaovana sy fanekena ny sitrapon’Andriamanitra Mpahary ny fanatanterahana izany. Rehefa misy ny fanaovana dia misy ny fifanajana, ary dia tsara araka izany koa ny fiandraisana. Afaka nifanerasera sy nifandray tsara tamin’Andriamanitra sy ny zava-boahary ny olombelona. Marihina fa tsy hoe tsy nahatsiaro fahasambarana akory izy mivady no nahatonga azy hitsiriritra ny hitovy amin’Andriamanitra sy handika ny didy nomen’Andriamanitra hotandremany, fa ny marina dia tsy nahay nivelona sy nionona tamin’ny fiainana sahaza ho azy izy ka nitady ny ho Andriamanitra fa tsy ho olombelona sy ho zava-boaharin’Andriamanitra fotsiny intsony.

B) TAORIAN’NY FAHALAVOANA

Niova daholo ny zavatra rehefa nanota ny olombelona. Simba sy rava daholo ny fifandraisany :

– Fifandraisany tamin’Andriamanitra

– Fifandraisany tamin’ny olombelona namany

– Fifandraisany tamin’ny zava-boahary.

– Fifandrasana tamin’ny tenany

1) Fifandraisan’ny olombelona tamin’Andriamanitra

Nanjary nisalasala ny amin’ny fitiavan’Andriamanitra ny olona ary nisaina Azy ho fahavalo aza satria nihevitra fa ny didy izay nomen’Andriamanitra azy hotandremany dia toa fanamparan’Andriamanitra ny fahefany amin’ny olombelona sady misakana azy tsy hitovy amin’Andriamanitra. Nahamaika antsika olombelona ny naka ny toeran’Andriamanitra (Gen. 3/1-6). Vokatr’izany dia tsy fifandraisana teo amin’ny Mpahary sy izay nohariana, izany hoe teo amin’Andriamanitra sy ny olona no notadiavin’i Adama sy Eva, fa fifandraisana teo amin’ny olona mitovy, na ny marimarina kokoa teo amin’ny andriamanitra roa mitovy. Tsy ho azo atao anefa izany satria manohitra tanteraka ny lamin’Andriamanitra (organisation divine) sady manohitra ny natioran’ny tsirairay. Koa tsy fifandraisan’ny Mpahary sy ny voahary tandremany intsony ny fifandraisany fa fifandraisan’ny andriamanitra roa mifanandrina.

Tsara homarihina fa teo anatrehan’izany faharavan’ny fifandraisana sy fihavanana ary fiaraha-monina teo amin’ny olombelona sy Andriamanitra izany dia ny olombelona ihany no nitondra fatiantoka sy vokatra ratsy tamin’izany satria tsy afaka ho andriamanitra amin’izao izy, nefa ny amin’Andriamanitra dia tsy misy afaka manala Aminy ny maha-Andriamanitra Azy.

Fa teo amin’ny samy olombelona, nitady ho andriamanitra no nanjary nisy fikorontanana sy fahasimbana.

2) Fifandraisana teo amin’ny samy olombelona

Raha ny Gen. 3/12 no jerena dia hita fa nanomboka teo amin’ny fiodinan’ny olombelona (révolte) ny fifampiampangan’ny olombelona samy izy. Samy tsy misy te-hilaza ny tenany ho diso teo anatrehan’ny nataony. Adama tsy niaiky fa nandà an’Andriamanitra teo amin’ny fanekeny ny fitaoman’ny vadiny azy hanohitra ny sitrapon’Andriamanitra ; Eva tsy niaiky fa nandà an’Andriamanitra teo amin’ny fanekeny ny tenin’ilay menarana. Tsy nisy nanaiky ho diso izy mivady, izay nataon’Andriamanitra ho tompon’andraikitra eo amin’ny saha, fa ny menarana izay anisan’ny zava-boahary natao teo ambany fahefany indray no nibaiko azy sy nitaona azy hikomy amin’ny fahefana misy.

Io fanamarinan-tena teo amin’i Adama sy Eva io no nanimba zavatra betsaka satria tsy mba afaka nahazo ny famindrampon’Andriamanitra akory izy ireo. Tsy misy famindram-po manko raha tsy misy fiaikena sy fibebahana. Koa rehefa tsy niaiky izy mivady dia nandray ny valin’ny fahotana izy dia ny ozona sy ny fahaverezana. Dia nanjary tsy nilamina intsony ny tokantranony, ary feno zava-manahirana ny fiainany, na teo amin’ny fivelomana izany, na teo amin’ny fiterahana izany, sns, sns… Raha fintinina ny filazana dia izao no vokatry ny fiodinana amin’Andriamanitra, izany hoe ny fandavana ny sitrapony : simba ny fiarahamonina ary very ny fahasambarana sy fiadanana izay nomena azy.

Tsy maintsy lazaina koa fa tsy ny fiarahamonin’i Adama sy Eva ihany akory no rava fa ny fifandraisan’ny olombelona rehetra,,izay taranany aty aoriana koa. Rava ny fifandraisan’ny samy olombelona ka dia fialonana, fankahalana, fanambakana, halatra, hafetsena, fitiavan-tena, fitiavam-boninahitra, ady, vonoana olona, sns, sns… no hita isan’andro eo amin’ny fiainana.

Tsy misy fifandraisana araka ny rariny sy ny hitsiny intsony ao amin’ny fiaraha-monina rehefa tafasaraka tamin’Andriamanitra ny olombelona. Ny lalan’ny matanjaka sy ny be sandry no manjaka. Tsy misy intsony ny fiankatiavana sy ny fifampitsimbinana.

Izay tiana homarihina eto dia iaraha-mahita ny fisian’ireo toe-javatra ireo eo amin’izao tontolo izao. Ny tsy iaraha-mahita kosa dia ny fanambaràn’ny Soratra Masina fa avy amin’ny fahotana avokoa ireo, ka ny hany fanafana dia tsy ny fanorenana fikambanana sy ny fivoriana tsy misy fiatoana atsy sy aroa akory, fa ny fiverenana amin’ny fankatoavana an’Andriamanitra rehefa avy miaiky ny fahadisoany.

Ny fifandraisana fahatelo izay simba noho ny fahotana, dia ny fifandraisan’ny olombelona amin’ny zava-boahary.

3) Fifandraisan’ny olombelona amin’ny zava-boahary

Ny tantaran’ny fahariana dia milaza mazava tsara ny findran-damina (harmonie) nisy teo amin’ny olombelona sy ny zava-boahary. Voalaza ao fa ny olombelona dia natao hanjaka sy hampanompo ny zava-boahary. Avy eo dia ambara fa io zava-boahary io no mamelona ny olombelona araka izay lamina efa nomanin’Andriamanitra ho azy. Tsy voalaza ao mihitsy ohatra fa ny anton’ny hiasan’ny olona dia ny mba hamelomany ny tenany fa kosa ny hikarakara ny zava-boahary sy hampanompo azy ; fa izay hivelomany dia efa nomanin’Andriamanitra izay sahaza ho azy amin’izany.

Saingy rehefa tsy nanaiky ny fandaminana nataon’ny Mpahary azy ny olombelona dia nikorontana ny fiainan’ny tontolo. Ilay natao hampanompo dia nanjary nanompo ny zava-boahary ka nila nitsemboka vao mahazo mivelona aminy, nanjary olona very zo ny olombelona. Tsy vitan’izany ihany fa manjary ilay olona mikorontan-tsaina sy adaladala no miaina sy miriorio eo amin’izao tontolo izao ka dia manao ny tsara ho ratsy izy ary manao ny marina ho tsy marina… ny ratsy kosa ataony satria heverina fa tsara, ary ny tsy marina ambarany fa marina.

Azo horaisina ho ohatra ny amin’ny maha-zava-poana ny fisainan’ny olona, na koa ny amin’ny fo donton’ny olona ny finoanoampoana sy ny tahotaho-poana misy eo amin’ny mpanompo sampy.

Ny zavatra tokony ho eo ambany fahefany dia manjary mampitahotra azy ary ekeny hanan-kery hanapaka ny fiainany : tapa-kazo, vovo-tany, biby isan-karazany, kintana, razana, sns, sns… Sady tsy mampandroso no miteraka korontana eo amin’ny fiainana izany, nefa koa dia fahotana sy fikomiana amin’Andriamanitra.

Voa daholo mantsy ny ambaratonga samihafa eo amin’ny fiainana rehefa tratran’io toe-tsaina andevo sy adala io ny olombelona. Voa ny ara-tsaina, voa ny ara-toe-karena, voa ny ara-piaraha-monina. Noho ny herin’ny ota manapaka ny fiainan’ny olombelona dia tsy fantany intsony ny tsara nataon’Andriamanitra hampivelatra ny maha-olona azy amin’ny lafiny rehetra. Diniho ohatra ny fifandraisan’ny olona amin’ny tany.

Tsy nataon’Andriamanitra hiteraka fahoriana sy fijaliana ho an’ny olombelona ny fikarakarana sy ny fiasana ny tany. Ny soa sy ny fiadanana no nokendren’Andriamanitra ho an’ny olombelona raha nandidy azy mba hikarakara sy hiasa ny tany Izy. Rehefa nanota anefa ny olona dia noraisiny ho toy ny fahoriana sy fijaliana ny asa aman-draharaha ataony. Simba ny fifandraisantsika olombelona amin’ny tany.

Simba tahaka izany koa ny fifandraisana amin’ny zava-boahary hafa satria araka ny sain-dratsin’ny olombelona no ijereny ny zava-boahariny hany ka manao araka izay tiany hatao izy. Tsy araka ny sitrapon’Andriamanitra anefa no anaovany raha manao izy fa araka ny sitraky ny fony maizina izay efa donto. Mahatsiaro mijaly sy mangirifiry koa ny zava-boahary noho ny fanao ratsin’ny olombelona.

Noho ny olombelona tonga andevom-pahotana, nanjary adala noho ny sainy nanaiky ho fehezin’ny zava-poana dia tsy mifandray araka ny mety sy tokony ho izy intsony ny olombelona sy ny zava-boahary. Koa araka izany dia tsy mety mandry ny tany ary lavitry ny fiadanana koa isika olombelona. Asehon’ny Baiboly tsara izany fomba sy toetsika tsy mampandry ny tany izany (Oha. 30 : 21).

Amin’izany aretim-pahotana mamono ny olombelona izany no tsy maintsy anafahana sy amonjena azy.

I. IZA NO HAMONJY ANTSIKA ,

Afaka mamonjy antsika ve ny zava-poana tompointsika sy itokiantsika olombelona ?

Sa afaka mamonjy ny tenantsika isika olombelona ?

Izao no marina ! Sady tsy mahavonjy tena isika no tsy afaka mamonjy antsika ny zava-poana tompointsika sy itokiantsika.

An’i Jehovah ny famonjena (Sal. 3 : 8). Izy Irery no afaka mamonjy ny olona amin’ny fahafatesana vokatry ny ota. Izany no mahatonga ny mpanao Salamo toa an-dr’i Davida hiteny hoe : « Ny famonjena antsika dia avy amin’ny anaran’i Jehovah mpanao ny lanitra sy ny tany » (Sal. 124 : 8). Fomba sy lalana maro no nizoran’Andriamanitra mba hahatanteraka ny famonjena, ary tamin’ny alalan’ny olombelona anankiray atao hoe : « Teny tonga nofo » vao tratra ny zava-kendrena.

Jesosy Kristy no « Famonjena izao tontolo izao ». Izy no fanomezana fara-tampony indrindra avy amin’Andriamanitra izay nentina naneho fa tsy misy dikany ny fitiavan’izao tontolo izao fa ny Fitiavan’Andriamanitra kosa no sady mitoetra no antoky ny famonjena azy. Ny Filazantsaran’i Jaona no mampisongadina indrindra izany (Jereo Jao. 3 : 16).

II. IZAY NATAON’I JESOA AHATONGA NY FAMONJENA

Ny asa nataon’i Jesosy tamin’ny fahavelomany tety an-tany dia mitory ny asam-pamonjena antsika olombelona. Nefa raha faritana hazava ao amin’ny toerana tokana izany asam-pamonjena izany dia ny HAZOFIJALIANA no tena mampibaribary azy. Miompana indrindra amin’ny tantaran’ny hazofijaliana ny hevitry ny fikasan’Andriamanitra momba ny famonjena.

Ny fanoloran’ny Tompo ny tenany hatao sorona noho ny fahotantsika, na ny fanekeny ho faty teo amin’ny hazofijaliana hanafaka antsika tamin’ny fampijalian’ny fahotana sy ny vokany no fiandohan’ny tantara vaovaon’izao tontolo izao.

Ity fahafatesana teo ambonin’ny hazofijaliana ity no hodinihantsika amin’ny fizarana fohy hoe : « Ny Filazantsaran’ny hazofijaliana».

NY FILAZANTSARAN’NY HAZOFIJALIANA

Hoy ny teolojiana anankiray niasa tany Madagasikara : « Ny Filazantsaran’i hazofijaliana no mamelona ny Fiangonana sady mitondra fiainam-baovao ao amin’ny hafa rehetra itoriana azy ». Tena zava-dehibe izany satria mampiseho amin’ny lafiny anankiray ny maha-vatolampy hifaharan’ny finoana kristiana ny hazofijaliana, no sady koa manambara ny fahatanterahan’ny famonjena ny olombelona maimaim-poana.

Raha misy koa izay noheverin’i Paoly Apastoly ho zava-dehibe mampiseho ny fahatanterahan’ny famonjena dia ity fanolorantenan’i Jesosy teo ambony hazofijaliana ity. Hoy izy : « Fa ninia tsy nahafantatra zavatra hafa teo aminareo aho, afa-tsy Jesosy Kristy, indrindra fa Izy voahombo teo amin’ny hazofijaliana » (I Kor. 2 : 2).

‘Ndeha horaisintsika ny fanazavana ao amin’ny Testamenta Vaovao.

1. I Kor. 5 : 7 « Voavono Kristy, Paska ho antsika »

Fanatitra naterina indray mandeha monja ho an’Andriamanitra ny fahafatesan’i Jesosy Kristy teo amin’ny hazofijaliana. Nanao sorona ny ainy mba hanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao ka hahazoan’ny olona izay manatona an’i Jesosy Kristy fanamarinana sy fanavotana. Mampiharihary ny fahamasinan’Andriamanitra ny rà soan’i Jesosy Kristy nalatsaka mba ho Paska marina.

2. II Kor. 5 : 14 « Maty ny anankiray hamonjy ny olona rehetra »

Ny fisoloana eto no dikan’ny hazofijaliana. Nihatra tamin’i Jesosy ny famaizana dia ny fahafatesana tokony ho antsika olombelona mpanota satria « Fahafatesana no tambin’ny ota (setrin’ny ota) » (Rom. 6 : 23). Maty ho antsika i Kristy, izany hoe nisolo antsika Izy (Rom. 5 : 8). Hita matetika ao amin’ny Epistilin’i Paoly izany hevitry ny fisoronana teo amin’ny fahafatesan’i Jesosy izany, ary hita tao amin’ny boky rehetran’ny Testamenta Vaovao :

a) Jao. 11 : 50 ; 18 : 14 : Mahatsara raha maty ny olona anankiray hamonjy ny firenena.

b) I Kor. 15 : 3 : Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina.

d) I Pet. 3 : 18 : Kristy efa maty indray mandeha noho ny ota, ny Martina hisolo ny tsy marina.

Mandray ny hevitry ny faminaniana ao amin’ny Testamenta Taloha izany fanambarana ny fisoloana vitan’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana izany.

e) Isa. 53 : 4-6 : Nataon’i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra.

Ny fitsaran’Andriamanitra araka ny rariny sy ny hitsiny no haseho amin’izany. Fitsarana marina no dikan’ny hazofijaliana, hany ka afaka tamin’ny famaizana vokatry ny didim-pitsarana marina ataon’Andriamanitra ny olona mandray ny fanafahan’i Kristy. Vita ny famonjena fa « naharihary ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy ho an’izay rehetra mino » (Rom. 3:21 ; 4 : 23-25).

f) II Kor. 5 : 21 : Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika.

Fifanakalozana no asa vitan’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana. Fifanakalozana mahagaga nataon’i Kristy, fa natakalony fiainana sy fiadanana ary lova sarobidy ny fahafatesana sy ny fijaliana ary ny fahantrana izay tokony hihatra amintsika olo-meloka.

Rafi-pisainana mora takatry ny olona no nidiran’ny Filazantsara teo amin’izao tontolo izao, dia ny lalàn’ny fifanakalozana izay hita na teo amin’ny fombam-barotra na teo amin’ny fombam-pivavahana samihafa. Marihina fa ny Soratra Masina dia tsy mandà na minia tsy mahalala ny fisian’ny fivavahana samihafa teo amin’izao tontolo izao, saingy hamafisiny kosa fa ny fombam-pivavahana rehetra dia ezaka nataon’ny olona fotsiny ihany, hany ka tsy nahomby, sady niasan’ilay ratsy dia ny devoly ; fa na ireny fivavahana ireny aza dia navelan’Andriamanitra hisy mba ahatonga ny olona hahatsapa ny herin’Andriamanitra ao amin’i Kristy.

‘Ndeha hiverenana ny amin’ilay resaka fifanakalozana voalaza tetsy ambony. Misy trosa izay tokony halohan’ny olombelona, dia ny tokony hahafaty azy noho ny fahotany, saingy maniry ho velona izy ka dia mihenahena eo anelanelan’izy roa satria tsy afa-mandositra ny fahafatesana nefa te-ho velona. Koa ilay fahafatesana anjarany no miasa eo amin’ny fiainany, hany ka ny fiainana mijaly, sahirana, manahy, matahotra, miraparapa, mieloelo, sns… no hany mba ivelomany. Tsy mahita lalana izy, tapi-dalan-kaleha, tsy mahita filaminana. Dia tonga Jesosy Kristy nanilika sy nanadio ary nanafoana ny trosa tamin’ny nanekeny ho faty eo amin’ny hazofijaliana. Misy karazana famindram-bola (transfert de fonds) mahagaga tsy hita maso any an-danitra araka ny II Kor. 8 : 9 : « Fantatrareo ny fahasoavan’i Jesosy Kristy, fa na dia nanan-karena aza Izy, dia tonga malahelo noho ny aminareo mba hampanan-karena anareo ny alahelony ».

Marihina manokana fa sady mifanentana no mifandona amin’ny rafi-pisainana hita ao amin’ny mpivarotra sy ny mpivavaka samihafa izany fanambaràna ny amin’ny hazofijaliana izany. Voalohany, satria maimaim-poana izany famonjena izany ; faharoa, satria na dia hita eo amin’izao tontolo izao aza izany fomba izany dia tsy mba araka ny fanahin’izao tontolo izao ny fiasany fa araka ny fomban’Andriamanitra, hany ka tsy takatr’izao tontolo izao.

Tsara ho fantatra koa fa ny fifanakalozana mahagaga teo amin’ny hazofijaliana dia setrin’ny fifanakalozana mahamenatra nataon’ny olona tamin’ny alalan’ny fahotana : natakalo hevitry ny zava-boahary ny Tenin’Andriamanitra. « Ny voninahitr’Andriamanitra tsy mety lo dia nosoloana zavatra tahaka ny endriky ny olona mety lo » (Rom. 1 : 23-25). Nosoloana hevitr’olombelona ny hevitr’Andriamanitra.

Teo amin’ny hazofijaliana dia naverina tamin’ny laoniny izany mba ho araka ny fikasan’Andriamanitra hatramin’ny voalohany.

g) Mar. 10 : 45 : Tonga ho mpanompo ka nanolotra ny ainy ho avotra.

Fanafahana, fanavotana, fananganana anaka, ireo no dikan’ny fahafatesan’ny Tompo amin’ny mpino. Ny ain’ny Zanak’olona no avotra mamonjy ny olona ho afaka amin’ny fanandevozana sy ny herin’ny ota ary amin’ny vahohon’ny fahafatesana dia ny fanjakan’ny devoly. Olona novidin’i Kristy isika ka Azy ho mandrakizay (I Kor. 6 : 20 ; 7 : 23 ; Gal. 4 : 5).

Teo amin’ny rafitra nisy andevo sy olona afaka dia mazava tsara ny asa nataon’i Jesosy Kristy teo amin’ny hazofijaliana. Marina fa misy ny andevo afa-po tamin’ny fanandevozana azy. Ireny no antsoina hoe nojambain’ny fanandevozana ka tsy ny vatany ihany no nandevozina fa ny sainy sy ny fanahiny koa. Toy izany ny fomban’ny fanandevozan’i Satana, fa toa mahita saintsarim-pahafahana ao izy, kanjo dia mazava hatrany fa tsy afaka amin’ny fangejàna sy ny fampitahoran’ny fahafatesana izy ireny.

Na izany aza anefa dia mazava fa zavatra irina fatratra ny fahafahana. Misy vola tsy maintsy omena ho vidin’ny fanafahana ny andevo ; izany no atao hoe AVOTRA. Tonga afaka ny andevo rehefa voaloa ny avotra.

Tsy ny fifandraisan’ny andevo amin’ny tompony ihany no tokony hoheverina, fa ny toe-javatra miteraka sy mampiharihary ny fanandevozana. Mifanentana amin’ny lanjan’ny fandikan-dalàna ny lanjan’ny sazy. Ny fahafatesan’i Kristy hisolo antsika dia manambara fa tena loza tsy roa aman-tany mendrika fandringanana ny fandikana ny didin’Andriamanitra sy ny fandavana ny sitrapony. Saingy rehefa nanaiky ho faty Jesosy, dia mandray fiainam-baovao izay mino Azy ka omeny hery sy finoana handeha sy hivelona araka ny sitrapon’Ilay maty hamonjy azy. Izao no hanambaran’ny Soratra Masina izany :

« Maty ny anankiray hamonjy ny olona rehetra ka dia maty koa izy rehetra : ary maty hamonjy ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany instony izay velona, fa ho an’Izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy » (II Kor. 5 : 14-15).

Koa Jesosy no mpanafaka (Jao. 8 : 36 ; Gal. 5 : 1). Mpanafaka ny olona rehetra Jesosy tamin’ny nanolorany ny tenany ho avotra (rachat) ho an’ny rehetra (Efes. 1 : 7).

Fil. 2 : 8 : Nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana teo amin’ny hazofijaliana.

Nanaiky sy nankato ny sitrapon’ny Rainy ny Zanak’Andriamanitra : « Aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao fa ny Anao » (Mat. 26 : 39). Naharihary teo amin’ny hazofijaliana fa resin’i Jesosy Kristy ny herin’ny « izaho » izay nampisaraka tamin’Andriamanitra. Tanteraka hatramin’ny farany ny sitrapon’Andriamanitra na dia mafy sy mangidy tokoa aza no nozakain’i Jesoa tamin’izany. Marina taminy ny teny nambarany hoe « Izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena » (Mat. 10 : 22). Misokatra noho izany ny lalam-baovao sy ny fiainam-baovao dia ny fanarahana an’i Jesosy Kristy, ilay Adama Vaovao. Ny firaisana Aminy no entina mandresy ny fitiavan-tena sy mampanjaka ary koa manatanteraka ny sitrapon’ny Ray. Ary ny hazofijaliana no fanoroan-dàlana mampiorina sy mampahatoky ny famonjena tsy ho azo esorina eo amin’izay mino sy manaraka an’i Kristy.

III . FAMINTINANA

Izany fanazavana ny fahafatesana neken’i Jesoa Kristy teo amin’ny hazofijaliana izany no zava-dehibe amin’ny fanehoana ny asan’Andriamanitra ho an’izao tontolo izao, dia ny fahariana azy ho tena vaovao indray. Izany no antsoin’ny Soratra Masina hoe : FAMONJENA. Tsy misy amin’ny zavatra rehetra àry (créé) amin’izao tontolo izao afaka mamonjy antsika. Ny anarany irery ihany no famonjena antsika (Jereo Asa. 4 : 12). Teo amin’ny fahafatesan’i Jesosy Kristy teo amin’ny hazofijaliana no vita ny famonjena. Tanteraka ny fikasan’Andriamanitra ; nefa dia mitaky ny fanapahan-kevitra matotra sy hentitra avy amintsika olombelona izany.

Inona ary no holazaintsika ? Mbola hitoetra amin’ny ota ihany va isika hitomboan’ny fahasoavana ? (Rom. 6 : 1).

Miditra amin’ny famaliana ilay fanontaniana faharoa isika. Inona no dikan’ny famonjena eo amin’ny fiainana andavan’andro ? Na raha lazaina amin’ny teny hafa dia hoe : « Ahoana no hanehoana eo amin’ny fiainana iainana andavanandro fa olona voavonjjy isika ? ». Raha ity fanontaniana ity no ilaintsika valiny dia vao mainka mahatonga antsika tsy ho tafandry mandry ilay fanontanian nataon’i Jesoa hoe : « Inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany ? » (Mat.5: 47).

‘Ndeha hojerentsika ireto zavatra roa ireto :

&1. NY ATAO HOE VOAVONJY

Olona nafahana tamin’ny fanandevozan’ny ota isika. Mitaky fanekena an’i Jesosy Kristy ho Tompo sy finoana Azy izany. Tsara homarihina fa na dia efa vita aza ny famonjena nataon’i Kristy tamin’ny nanolorany ny Tenany ho faty teo amin’ny hazofijaliana dia mbola misy ihany ny tsy voavonjy, dia ireo izay tsy manaiky Azy ho Tompo, izany hoe tsy manaiky Azy ho mpitondra ny fiainany amin’ny antsimpirihany, tsy manaiky handà ny sitrapony ka handeha araka ny sitrapon’Andriamanitra ; ny tsy manaiky Azy ho tena Andriamaniny dia tsy voavonjy. Izany no nahatonga ny mpanitsy fivavahana toa an’i Lotera hilaza fa : « Mizara roa ny olona ao amin’ny Fiangonana rehefa toriana ny Tenin’Andriamanitra. Ny mihaino ny Tenin’Andriamanitra ka mihaino sy mankato azy, ireny no mivelona amin’ny famonjena ; fa ao ireo izay mihaino fotsiny nefa tsy misy finoana sy fankatoavana ao anatiny, ireny dia naman’ny very ».

Ny Soratra Masina dia milaza ombieny ombieny ny fisian’ny very sy ny voavonjy, ny mino sy ny tsy mino (jao. 3 : 36 ; 5 : 24).

Tsy ampy hilazana ny voavonjy ny maha-kristiana. Marina fa anarana miavaka amin’ny anarana hafa izany. Kanefa diniho tsara ny Tenin’i Jesosy hoe : « Tsy izay rehetra manao Amiko hoe : Tompoko, Tompoko, no hiditra ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra » (Mat. 7 : 21-23). Izay tiana hambara dia izao : misy misalotra ny anarana hoe kristiana nefa tsy an’i Kristy akory, mbola tsy nanaiky ny sitrapon’Andriamanitra ho mitondra ny fiainany akory, mbola tsy nanolotra ny tenany akory ho an’Ilay maty hamonjy azy. Tsy voavonjy satria tsy nanaiky ny nividianan’i Kristy azy ho andevon’ny ota intsony hany ka dia mbola mivelona amin’ny maha-andevon’ny ota. Tokony homarihina fa ny mpino dia tsy olona tsy afaka manota intsony akory, fa ny tena kristiana dia olona manaiky amin’ny fony sy ny sainy ary ny fanahiny manontolo fa handeha araka ny sitrapon’Andriamanitra, ka na indraindray aza izy solafaka noho ny fahalemena dia Ilay Kristy, ifonany sy ibebahany ary ekeny fa hany HO TOMPONY amin’ny androny rehetra, no manadio azy sy manome azy ny faharezan’ny Fanahiny ahazoany mandeha amin’ny fahamarinan’Andriamanitra mandrakariva. Io famindram-po io dia iveloman’izay rehetra miaiky ny fahotany sy manolo-tena indray handeha araka ny sitrapon’Andriamanitra. Marihina koa fa Andnriamanitra izay mahalala ny ao am-po mahalala ny fibebahana marina, ary ny olona mahalala ny fahatsoram-pony dia mino fa raha mibebaka marina izy dia matoky sy marina Andriamanitra ka mamela ny fahotany rehetra.

Koa na iza na iza te-ho voavonjy dia tsy maintsy manaiky izy fa mpanota, manaiky izy fa very sy tokony ho faty noho izany ota izany, ary tsy maintsy manaiky izy fa Jesoa Kristy efa maty ho AVOTRA ho azy ka tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izy, fa ho an’Ilay maty hamonjy azy teo amin’ny hazofijaliana dia JESOSY. Ireo rehetra ireo no atao hoe FINOANA. Ny finoana dia tsy fahalalana na fahatsapana. Ny finoana dia fandavana ny tena sy fanekena an’i Jesoa Kristy Tompo.

&2. NY ASAN’NY VOAVONJY

Ny mpino dia tsy olona mpanonofy te-hahazo lanitra akory, fa olona manana antom-pisiana eto amin’izao tontolo izao. Raha ny marina, ny maha-mpino na ny maha-kristiana dia iainana sy ivelomana eto amin’izao tontolo izao. Hoy Jesosy : « Izay mino Ahy, ny asa ataoko no ataony koa » (jao. 14 : 12). Zavatra roa no tokony homarihina amin’io teny io. Voalohany dia, izay mino an’i Kristy dia tsy mitomoemoe-poana fa manao asa. Inona io asa io ? Hovaliana ery ambany ny amin’izany. Fa ny faharoa dia ny hoe : Tsy izay rehetra olona manao asa na eo amin’ny Fiangonana na eo amin’ny fiainana andavan’andro no manao ny asan’i Kristy fa izay rehetra mino no hany afaka manao ny asan’i Kristy.

7

Tsara koa ny manamarika ao anatin’izany fa ny asan’i Kristy ambara eto dia tsy asa efa lasa, na koa hoe fakana tahaka na famerenana izay nataon’i Kristy fahiny akory no ambara eto fa raha jerena tsara ny « temps » ampiasiana dia hita fa ny asan’ny kristiana dia ny asa ataon’i Kristy amin’ny fotoana sy ny toerana misy ilay kristiana. Mila ny fahafantarana ny sitrapon’Andriamanitra izany no sady mila firaisana amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny vavaka mandrakariva.

a) Ny asan’i Jesosy

Ny asan’i Jesosy dia azo tsorina amin’ny hoe manao ny sitrapon’ny Rainy. Koa ny asan’i Jesosy dia tsy teo amin’ny fanaovana no nanavahana azy fa tamin’ny firaisany tanteraka tamin’ny Rainy izay naniraka Azy

b) Ny asan’ny kristiana

Tsy ny fitanisana no ahafahana mamaritra ny asan’ny kristiana fa ny fanahy mitarika azy, izany hoe izay tokony hananana mba hiasana ny asan’Andnriamanitra, dia ny mitafy ny toetran’i Kristy sy ny manana ny sain’i Kristy (Fil. 2 : 5-10).

Tsara homarihina anefa fa zavatra roa no misongadina teo amin’ny asan’Andriamanitra tao amin’i Jesosy Kristy, dia ny fanomezam-boninahitra ny Rainy sy ny famonjena izao tontolo izao. Ireo koa no tokony hibaiko ny fiainana sy ny asan’ny kristiana : dia hanome voninahitra an’Andriamanitra, izany hoe tsy hanao na inona na inona manala baraka sy mampalahelo an’Andriamanitra ; ary ny famonjena izao tontolo izao izay anisan’ny hafatra farany napetrak’i Jesosy tamin’ny mpianany.

Hamafisina tsara fa asan’ny voavonjy izany fa tsy asa itadiavana famonjena akory. Tsy miasa mba ho voavonjy ny kristiana fa miasa mba hivelomany ny famonjena noraisiny sy ivelomany, miasa ny kristiana satria voavonjy. Ny kristiana tsy miasa dia olona misalasala ny amin’ny famonjena azy, ary satria misalasala dia tsy ao amin’ny finoana intsony izany. « Fa foana nty finoana tsy misy asa » (Jak. 2 : 14-20).

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

bookmark
required required
web