Kate 16 – NY FAHARIANA

Fampidirana : Ny toko 1 ha hatramin’ny faha-11 dia milaza ny findohan-javatra maro teo amin’ny tantaran’ny zanak’olombelona. Toa manohitra tanteraka ny science izy amin’ny fomba fitantarany, ny amin’ny famaritany ny fotoana, ny fahasarotana ny amin’ny fanondroana mazava ny toerana nitrangan’ny tantara. Tsy ny science anefa no toheriny fa ny foto-kevitra tsoahan’ny olona avy amin’ny fanambaràn’ny science avy amin’ny fandrefesana nataony momba ny fiandohan’izao tontolo izao sy ny fipoiran’ny aina (origina de la vie).

I. GEN.1/1-2/3

Tamin’ny voalohany= talohan’ny nisian’ny zavatra rehetra, dia tsy nisy afa-tsy Andriamanitra irery.

  • ·Tsy kisendrasendra no nampisy ny zavatra rehetra (hita sy tsy hita maso) sy ny fiainana, fa asan’ny Mpahary dia Andriamanitra.
  • ·Tsara avokoa ny nanaovan’Andriamanitra ny zavatra rehetra.
  • ·Tamin’ny zavatra rehetra noharian’Andriamanitra, dia nataony niavaka ny olombelona. Fa nataony « tahaka ny endrik’Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy.”, ary nampanjakainy tamin’ny zava-boaharin’Andriamanitra rehetra izy (1/26-27)
  • ·Ny 6 andro niasan’Andriamanitra tamin’ny famoronana narahan’ny andro iray fitsaharana dia nataony ho modelin’ny fomba fiasa sy fiainan’ny olombelona. (1/31)
  • ·

Fanamarihana :

  • ·Ny andro dia natao hanondroana dingana (étapes) teo amin’ny asa famoronana izay voalamina tsara sy araka ny teniny. Nataony hakan’ny olombelona lesona koa izany (2/3).
  • ·Ny « endrika sy tarehin’Andriamanitra » (1/27): Io no iavahan’ny olombelona amin’ny biby. Milaza izany fa manana fifandraisana manokana amin’Andriamanitra ny olombelona, ary nomeny fahefana amin’ny zava-boahary rehetra nohariana talohany izy.
  • ·

Ireo dingana 7:

Andro voalohany: Fahariana ny mazava izay nampisarahana tamin’ny maizina. Manomboka eto ny fotoana (temps, kronos).

Andro faharoa:  Nampisarahan’Andriamanitra ny rano ambony amin’ny rano ambany.

Androa fahatelo:        Nampisarahan’Andriamanitra ny tany maina sy ny ranomasina.

Nohariany ny zava-maniry.

Andro fahefatra:        Fahariana ny kintana sy ny masoandro amam-bolana.

Andro fahadimy:        Fahariana ny biby any anaty rano sy ny voro-manidina.

Andro fahenina:         Fahariana ny biby isan-karazany sy ny olombelona.

Andro fahafito: Vita ny fahariana. Mitsahatra Andriamanitra.

Lesona: * Ny zava-boahary rehetra dia noharian’Andriamanitra hanome voninahitra Azy: Sal.8/1, 89/11, 150/6, 115/16, 97/6

* Ny fahariana dia mampianatra antsika ny fiasan’Andriamanitra sy ny fototra mahalavorary ny asan’ny olona: Sal.37/23 ; Oh.16/9, Mpit.10/10

II. GEN.2/4-25

2/4         Ny tantara dia miresaka ny fiandohan’ (firazanana) ny lanitra sy ny tany mba hilazàny ny amin’ny olombelona sy ny anjara-toerany eo amin’izao tontolo izao.

2/5-6      Ny tany dia efa novononin’Andriamanitra mba hanirian’ny zava-maniry samihafa, nefa tsy ilana ny olona hiasa azy akory izany.

2/7         Avy tamin’ny: mifamatotra ny olona sy ny tany namoronan’Andriamanitra azy.

Novolavolaina: (yatsar) manondro ny asan’ny mpanao vilanitany amin’ny tanimanga. (Isa.45/9; 64/7; Jer.18)

Adamah, Adma: tany, vovo-tany

Adama: olombelona, olona.

Vakio Joba 10/9 ; 34/5)

Fofon’aina mahavelona: afaka milaza ny aina mahatonga ny fahavelomana izany, nefa koa dia manondro ny fanahy izay mampiavaka ny olona amin’ny biby.

2/8         Tsipiho tsara fa nataon’Andriamanitra ho an’ny olona ny saha Edena.

2/9         Nisy karazany roa ny zava-maniry: ireo izay nohariana noho ny hatsaran-tarehiny

Ireo izay nohariana ho fihinana

Ny hazon’aina: zava-maniry izay miaro amin’ny fahafatesana (vakio Ap.22/2)

Ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy: hazo mampahalala ny zavatra rehetra: ny tsara sy ny ratsy, ny soa sy ny loza, ny fahasambarana sy ny fahoriana, ary raha itarina dia ny fiainana sy ny fahafatesana.

2/10-14  Ny filazalazana eto dia toa manondro Faritany iray izay misy an’I Irak ankehitriny (Babylona fahizay)

2/15       Nitondra, namponina: manakaiky ny hevitry ny fitsaharana.

Miasa: (abad) teny ampiasaina amin’ny fambolena midika hoe mampitombo vokatra, manompo.

Mitandrina: (shamer) mitandrina, miaro, mikarakara, manolokolo.

≠ manimba, mandratra, manao tsirambina, manary, mandrava.

2/16-17  Misy ny azo atao sy ny voarara. Tsy fandraràna baraingona (arbitraire) anefa izany fa mikendry ny fiarovana ny fahasambarana na ny fiadanan’ny olombelona.

2/18       Sarotiny amin’ ny fiadanan’ny olombelona Andriamanitra.

Tsy natao ho mpanirery ny olombelona (natao hiara-monina).

Vady sahaza: (ézer) mpanampy tandrifiny. Io teny io dia matetika enti-manondro an’Andriamanitra mitondra vonjy na manampy ny olony; izany teny izany no nakana ny anaran’ny zanak’i Mosesy faharoa: Eliezera= Andriamanitra no namonjy, nanafaka ahy.

2/19-20  Ny vady sahaza ho an’i Adama dia tsy hita tany amin’ny biby, na dia nitovy aza ny fomba nanaovan’Andriamanitra azy (novolavolaina) sy ny akora nakana azy (adamah).

Manonona: mamantatra

2/21-23  Noharian’Andriamanitra mba hifampizara ny maha-izy azy manontolo amin’ny lehilahy ny vehivavy, ary ao amin’ny fanambadiana no sehatra iainany izany. Ny lehilahy dia natao ho an’ny vehivavy ary ny vehivavy ho an’ny lehilahy.

2/24-25  Ao amin’ny fanambadiana dia iray ihany ny lehilahy sy ny vehivavy, ka iombonany ny zavatra rehetra (vatana, fo, fanahy, saina).

II. MINO AN’ANDRIAMANITRA MPAHARY

“Mino an’Andriamanitra, Ray Tsitoha, mpanao ny lanitra sy ny tany aho…”

Ny finoana an’Andriamanitra mpahary dia tsy finoana tsotra izao, na faharesen-dahatra ara-tsaina, fa manitsy ny fijerintsika sy mampiandany (engager) feno ny fiainantsika manontolo.

Ny “Mino an’Andriamanitra, Ray Tsitoha, mpanao ny lanitra sy ny tany” dia:

  1. Manaiky fa an’Andriamanitra ny zavatra rehetra: Sal.24 ;l Asa 10/36

ü Tompon’izao rehetra izao rehetra izao sy Mpanjaka mandrakizay Izy (Sal. 10/16 ; 47/1,7 ; 98/6)

ü Nomen’Andriamanitra ny olona ny hanam-pahefana (hanjaka) amin’ny zava-boahary, nefa ho mpitantana (fa tsy tompony). Noho izany dia hampamoahan’Andriamanitra ny amin’ny fitantanana sy ny fiarovana ny zava-boahariny izy.

  1. Manaiky ny sitrapony sy ny fandaminany izy: ( Jr Rom.12/1-2)

ü ny amin’ny firindran’ny fiainana

ü ny amin’ny firindran’ny asa (manaja ny andro fitsaharana)

ü ny amin’ny fanambadiana sy ny fianakaviana

ü ny amin’ny fetrany sy ny fiankinany amin’Andriamanitra.

  1. Manaiky fa nohariana hanome voninahitra an’Andriamanitra sy hanompo an’Andriamanitra ny zavatra rehetra.

Ny olombelona izay nomen’Andriamanitra fahefana hanjaka amin’ny zava-boahary no mandamina ny zavatra rehetra mba hampisehoany ny voninahitr’Andriamanitra:

ü Mivantana amin’ny alalan’ny tenany: Sal. 22/23 ; 57/9 ; 113/1 ; 135/1 ; 147/12 ; 148/1,4 ; Ap.19/5

ü Amin’ny alalan’ny vokatry ny asany sy ny fahaizany: Sal. 33/2, 150/3-5

ü Amin’ny alalan’ny fandraisany anjara amin’ny fankalazàna miaraka amin’ny zava-boaharin’Andriamanitra rehetra (amin’ny fankalazàna ny hatsaran’ny zavatra nohariany: Sal. 8/1 ; 104/24 ;….

ü Amin’ny fiantsoana ny olona rehetra hankalaza sy hanome voninahitra an’Andriamanitra: Sal. 66/4,8 ; 67/3,5 ; 72/11 ; 117/1.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

bookmark
required required
web