Sekolin’ny Tenin’Andriamanitra
Ny taona 1982, raha vao nanomboka nisy ankizy maromaro teto amin’ny FPMA Toulouse, no nanapahan’ny fitondram-piangonana hevitra hanangana ny sampana SEKOLY ALAHADY.
Amin’izao fotoana izao dia efa nilaozan’ny toetr’andro eto amin’ny FPMA Toulouse ny fiheverana fa sampana natao hikarakarana sy hanolokoloana ny ankizy madinika ny Sekoly Alahady. Raha marina teto izany efapolo taona lasa izay, dia tsy marina intsony ankehitriny. Tsy ny ankizy irery intsony mantsy no raisina hampianarina ao amin’ireo dingana 9 misy ao amin’ny sampana fa ny mpiangona rehetra hatramin’ny olon-dehibe. Izany koa no antony nanovana ny anarany hoe : ” SEKOLIN’NY TENIN’ ANDRIAMANITRA”. Ny vokatr’izany dia ny fitomboan’ny isan’ny mpianatra izay mahatratra zato mahery amin’izao fotoana izao.
Ny asany sy fandaminana
“Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao” Salamo 119: 105
– Fitaizana ny vahoakan’Andriamanitra eto amin’ny Fiangonana hianatra Tenin’Andriamanitra. Koa misy dingana 9 ary kilasy 10 mistinjara toy izao :
Dingana | Taona | Mpampianatra |
D1 | 4-5 | Fabiola Randriantsoa Mbolatiana Rakotonirainy |
D2 | 6-7 | Hortense Andriamady Finaritra Rakotomalala |
D3 | 8 – 9 | Nasolo Rakotonindraina lalasoa Raveloson Rindra Randriamanohisoa |
D4 | 10-11 | Hery Zo Fanomezantsoa Harinomena Ramaroson |
D5 | 12-13 | Malalatiana Randriamangamalala Misa Rakotomalala |
D6 | 14-15 | Lova Andrianatoandro Charmine Fanomezantsoa |
D7 | 16-17 | Dera Andrianatoandro |
D8 | 17 taona no miakatra | Hanimalala Ramamonjisoa Ravaka Ravelomanana |
D9M | Olon-dehibe miteny malagasy | Pasteur Elysée Andriamiandra Liva Raveloson |
D9F | Tanora sy olon-dehibe miteny frantsay | Pasteur Elysée Andriamiandra Liva Raveloson Toky Rakotonindraina |
- Fitaizana ny ankizy hivelatra ao anatin’ny ankohonan’Andriamanitra ka manamarika ny Fetin’ny Reny sy Fetin’ny Ray isan-taona.
- Fitaizana sy fizarana ny ankizy hanompo an’Andriamanitra : Manao ezaka ho fanohanana ara-bola ny asan’ny Fiangonana amin’ny alalan’ny vokatra ifandimbiasan’ny dingana rehetra isam-bolana, na amin’ny alalan’ny hetsika manokana.
Ny Biraon’ny STA
Filoha : Misa RAKOTOMALALA. rak.mie@gmail.com
Filoha mpanampy: Harinomena RAMAROSON. mirahram@gmail.com
Mpitantsoratra: Finaritra RAKOTOMALALA. andriaf@hotmail.fr
Mpitambola: Hanimalala RAMAMONJISOA. rhmtlse@gmail.com
Fotoana fianarana
Alahady maraina : 9h15 – 10h15. Vieux Temple
Alahady Fandraisana : 14h15 – 15h15. Temple du Salin
Famerenana Noely : Asabotsy hariva manomboka ny 10 Octobre 2020 14h – 16h


















Fetin’ny reny 2020
Fetin’ny Ray 2020
Sekolin’ny Tenin’ Andriamanitra taom-pianarana 2020 2021
Sekolin’ny Tenin’ Andriamanitra taom-pianarana 2020 2021
« Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny lalako ny Teninao » Salamo 119 105. Manomboka ny Alahady 13 Septembre ny fampianarana. Entanina isika hanoratra anarana ny zanantsika @ mailaka etsy ambany . Aza misalasala miantso ny Diakona na ny mpampianatra STA mikasika ny fandaminana.