Fiangonana mavitrika sy mitombo anaty firahalahiana kristiana

« Hanaraka ny marina amin’ny fitiavana mba hitombo amin’ny zavatra rehetra ho an’Izay Loha dia Kristy » Efesiana 4:15


Tantaran’ny FPMA Toulouse

Mankalaza ny faha-60 taonany ny FPMA Toulouse, 60 taona nahitana niharihary ny fitsofohan’Andriamanitra teo amin’ny tantaran’ny malagasy izay mivahiny aty ampitan-dranomasina, mba hiara-monina aminy, hiteny aminy, hamonjy azy, ary hanome fiainana mandrakizay izay mino Azy. Mpiray tanindrazana maro izay tonga handalim-pahaizana sy hila ravin’ahitra teto Toulouse no efa nandray an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina ho Tompo, sy nitombo tamin’ny fahalalana Azy, ary nivelatra tamin’ny fanarahana sy ny fanompoana Azy tamin’ny alalan’ny Fiangonana FPMA Toulouse. Koa rariny raha manokana izao fandaharana izao ny Fiangonana, mba hampahafantarana ny vahoakan’Andriamanitra, indrindra ny taranaka ho avy, ny lalana nitantanan’Andriamanitra ny Fiangonany tamin’ny tanana mahery sy ny sandry ahinjitra, nandritra ny 50 taona voalohany nisiany. Mandalo ihany mantsy isika eto, fa ny Fiangonan’Andriamanitra kosa dia mitoetra mba handray ireo taranaka maro hifandimby eto mandra-piverin’ny Tompo haka azy ho ao amin’ny Fampakaram-badin’ny Zanak’ondry. Koa ny fahafantaran’izy ireo ny tantaran’ny Fiangonana izay hanompoany ny Tompo dia hanampy azy amin’ny fizahana ny lalana masaka hatry ny ela tokony hizorana, mba hahitany fitsaharana ho an’ny fanahiny (Jer 6: 16).

1- NY NIFORONAN’NY FPMA TOULOUSE

Ara-tantara dia tamin’ny taona 1897, fony Ranavalona fahatelo natao sesitany taty Frantsa, no nisian’ny fanompoampivavahana tamin’ny teny malagasy voalohany taty Andafy. Tao amin’ny Fiangonana ao Batignoles no niangonan’ny mpanjaka niaraka tamin’ny mpivavaka niisa 30 teo ho eo.

Nanaraka izany dia nisy ny fanompoampivavahana nataon’ny miaramila malagasy naondrana hiady taty Andafy tamin’ny ady lehibe voalohany, tany anatin’ny sambo nitaterana azy ireo, avy eo dia tany amin’ny tanana sasany any amin’ny tapany avaratr’i Frantsa toa an’i Reims sy Paris.

Fa hatramin’ny andron’ireo miaramila malagasy nandray anjara tamin’ny ady lehibe faharoa, izay nijanona hipetraka teto Frantsa kosa, no nisian’ny fivoriana ara-dalanan’ny teratany malagasy hiara-mivavaka tamin’ny fiteniny. Ohatra voarakitra an-tantara tamin’izany ny tao St-Raphaël sy Strasbourg ary Montpellier

Araka ny fahatsiarovan’i Pasitera Jacques BERNARD, Mpitandrina tao amin’ny Eglise Réformée de Toulouse, izay niara-niasa akaiky tamin’ny FPMA Toulouse nandritra ny taona maro, dia nisy teto Toulouse koa izany fanompoampivavahana nataon’ny miaramila Malagasy taorian’ny ady lehibe faharoa izany.

Noho ny tsy nahitana vokatra azo ifikirana tamin’ny fikarohana samihafa natao anefa, na daty izany na toerana na anaran’olona, dia ny tantara iraisan’i Toulouse amin’ireo tanana lehibe vitsivitsy nampiantrano mpianatra malagasy fahizay ihany no afaka hambara eto.

Dingana iray lehibe nandrosoana tamin’ny fananganana ny Fiangonana FPMA ny nampijoroan’ny “Conférence Intermissionaire” tany Madagasikara ny Aumonerie protestante, hikarakara ny mpianatra malagasy taty Frantsa. Nanampy ny fiangonana tany Madagasikara tamin’ny famatsiana ara-bola io Aumonerie io, ny Fiangonana Frantsay sy ny Fédération Universelle des Etudiants Chrétiens (na FUEC) tany Genève. Anisan’ny andraikitra nosahanin’ny Mpitandrina Aumonier Daniel Ralibera, izay nanomboka ny asany tamin’ny taona 1956, ny nanetsiketsika ny mpianatra Malagasy tany amin’ny tanan-dehibe teto Frantsa, mba hamoronan’izy ireo fiaraha-mivavaka. Tao anatin’ireny ny teto Toulouse, izay niara-nanangana tamin’ny solontenana avy amin’ny tanan-dehibe hafa, ny FIANGONANA PROTESTANTA MALAGASY ATY ANDAFY na FPMA, tamin’ny “Assemblée Constituante” tao Villemétry tamin’ny taona 1959. Ny Mpitandrina Victor RAKOTOARIMANANA, izay mbola mpianatra tamin’izany fotoana izany, no nitarika ny fivoriana. Teo no nitsanganan’ny FPMA Toulouse niaraka tamin’ny FPMA Paris, Strasbourg, Montpellier sy Marseille ho tafon’ny FPMA, izay neken’ny “Komity Protestanta” tany Madagasikara, tamin’ny taona 1960, ho Fiangonana miorina ara-dalana eto Frantsa.

2.1 “Indro, Izaho no efa nametraka vato ao Ziona, dia vato voazaha toetra, vato tsara izay fehizoro voaorina ho fanorenana mafy, ka tsy mba ho taitra izay mino” (Isaia 28:16).

50 taona no efa nametrahan’Andriamanitra ny Fiangonana FPMA teto Toulouse. Nandritra ny roapolo taona voalohany nisiany dia mpianatra ny ankamaroan’ny mpiangona. Ny Birao nifandimby nitantana ny Fiangonana dia samy niezaka handrindra ny fiainam-piangonana araka izay azony natao avy. Indray mandeha isam-bolana ihany no nisian’ny fanompoam-pivavahana. Tamin’ny alahady hafa dia tany amin’ny Eglise réformée de Toulouse no nandeha niangona ny malagasy. Nahalana dia nahalana no nahafahana nanafatra mpitandrina malagasy hampiangona. Nahalana toy izany koa no nisian’ny toriteny nandritra ny fanompoam-pivavahana. Noho ny tsy nananan’ny Fiangonana Mpitandrina dia nisy fifanarahana nataon’ny FPMA sy ny Eglise réformée de Toulouse tamin’ny taona 1962, mba handraisan’ny Mpitandrina ERT an-tanana ny fampianarana katekomena, ireo mpiangon’ny FPMA Toulouse naniry hiroso tamin’ny firaisana latabatra amin’ny Tompo. Tamin’ny 13 may 1962 no nanokanan’ny Mpitandrina Aubert RABENORO ho mpandray ny fanasan’ny Tompo azy 8 mianadahy izay nanaraka voalohany izany fampianarana izany. Nitohy ny taona manaraka io kilasina katekomena natokan’ny ERT ho an’ny malagasy io alohan’ny nijanonany tanteraka. Mazava ho azy fa tamin’izany fotoana izany dia tsy nisy ny fivorian’ny mpandray. Ny mpiangona iray manontolo, izay niisa 20 na 30 teo ho eo raha be indrindra, no nihevi-draharaha sy nandray fanapahan-kevitra tamin’izay raharaha nodinihina. Ny Krismasy ihany no fetim-piangonana nankalazaina. Ny sisa rehetra kosa dia nandalo fotsiny ihany rehefa tsy nifanandrify tamin’ny fotoam-piangonana. Ny Antoko Mpihira, izay nisy hatramin’ny fotoana niorenan’ny Fiangonana, no hany sampana nahafahan’ny mpiangona nandray anjara nivantana tamin’ny asa fanompoana manokana. Ny ”Groupe de jeunes”-n’ny ERT kosa dia teo mba hitsena ny hetahetan’ny malagasy te-hiroso lalindalina kokoa tamin’ny fihetsiketsehana samihafa toy ny fandalinana Soratra Masina sy ny fivoahana miaraka isan-karazany.

2.2 ”Indro efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao, ka tsy misy maharindrina azy” (Apo 3: 8).

Nanomboka tamin’ny taona 1977 dia ny fampiorenana ny FPMA Toulouse amin’ny maha-Fiangonana marina azy no nimasoan’ny mpanompon’Andriamanitra maro nifandimby teo amin’ny fitondram-piangonana. Nanomboka teo dia azo notsapain-tanana ny nanamarinan’Andriamanitra tamin’ny FPMA Toulouse ny Teniny manao hoe : ”Indro efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao, ka tsy misy maharindrina azy” (Apo 3: 8). Niantomboka tamin’ny fanasiana toriteny tsy tapaka isaky ny fotoam-piangonana izany. Tamin’io taona io koa no nanombohana hankalazana ny Paska sy ny Pentekosta tsy tapaka intsony. Ny 1978 dia taona nahavitana dingana lehibe, fa nirosoana tamin’ny fanafarana Mpitandrina hampiangona mandritra ny taom-pianarana.

Tamin’ny taona 1978 tokoa mantsy, 31 taona lasa izay, raha nisolo tena ny FPMA Toulouse tamin’ny Synoda voalohany, izay nampiraisana indray ny tafo FPMA rehetra teto Frantsa tany Montpellier ny tenako, dia voatosika anaty, tsy nisy fanomanana, hanatona ny mpitandrina malagasy ANDRIAMAHENINA, izay anisan’ireo mpitandrina 7 mianadahy nanohy ny fianarany tao amin’ny Institut de Théologie tao Montpellier. Niangavy azy aho mba hisahana ny asa fitandremana teto amin’ny FPMA Toulouse. Ny fanekeny avy hatrany tsy nisy fiambahambana dia nahafantarako fa ny Tompo no efa namoha varavarana ny Fiangonana tamin’izany. Tsy nisy volo nanoha randrana na teo amin’ny filohan’ny Fiangonana, Atoa ANDRIAMIZAKA Dominique, izay niara-nisolo-tena an’i Toulouse tamiko tao amin’ny Synoda, na teo amin’ny Biraon’ny tafo, na teo amin’ny fivoriambe. Nanomboka teo dia tsy niato intsony ny fananan’ny FPMA Toulouse mpitandrina.

Mahagaga ny asan’Andriamanitra, fa afaka nanafatra mpitandrina avy any Montpellier indray mandeha isam-bolana, ilay fiangonan-kelin’ny mpianatra, izay zara raha nahavory rakitra 30Francs nandritra ny fanompoam-pivavahana. Nanomboka tamin’io taona io dia tsy nitsahatra intsony ny fananan’ny FPMA Toulouse mpitandrina.Rehefa misy asa tian’Andriamanitra tanterahana tokoa mantsy ao amin’ny Fiangonany, dia Izy no miantoka ny enti-manana izany, amin’ny fitahiana sy ny fanambinana ny olony, sy amin’ny fanendrena ny fony mba hahaizany manome.

Tsara koa ny mahatsiaro eto fa raha nisy fotoana nahasarotsarotra ihany ny fiantohan’ny Fiangonana ny saran-dalan’ny mpitandrina avy any Montpellier, dia tsy nisalasala hamoaka ny tany am-paosiny izy ireo, mba hahatanteraka ny asan’Andriamanitra. Notanterahin’izy ireo tamin’ny asa fitandremana nataony teto amin’ny FPMA Toulouse tokoa ilay hira ao amin’ny fihirana manao hoe: ”Tsy ahiako ny handany, ho laniana koa”.

Ny fananana mpitandrina dia nahafahana niroso tamin’ny fampianarana katekomena tamin’ny teny malagasy koa, sy tamin’ny Fandalinana Soratra Masina, izay nifarimbonan’ny laika sy ny mpitandrina. Namaky lay niaraka tamin’ny Mpitandrina ANDRIAMAHENINA tamin’izany ny tenako. Zary tarazo teto amin’ny FPMA Toulouse ny fifanampian’ny laika sy ny mpitandrina tamin’ny fampianarana Soratra Masina sy ny fampianaram-pinoana. Taty aoriana dia nantsoina hoe “Mpiaradia” ireny laika ireny. Ny taona 1979 dia natokana ho mpandray ny fanasan’ny Tompo izy 7 mianadahy izay voaloham-bokatry ny fampianarana katekomena amin’ny teny malagasy teto Toulouse.

Ny taona manaraka indray dia nahitana ny fihatahan’ny FPMA Toulouse tsikelikely tamin’ny fiaraha-manomana hetsika tamin’ny “Fikambanan’ny Mpianatra Teratany Malagasy” sy ny katolika. Izany no natao dia ny mba hahafahana mampiseho mazava ny maha-Fiangonana Protestanata azy ao anatin’ny fihetsiketsehana rehetra anasany ny be sy ny maro toy ny fetim-piangonana, ny fitsangatsanganana, ny fandraisana vaovao …sns…

Vokatry ny fisian’ny fampianarana katekomena dia niha-nitombo ny isan’ny mpandray ny Fanasan’ny Tompo. Natomboka tamin’ny taona 1983 ny fanomanam-panahy amin’ny Ankatoky ny fandraisana. Taona vitsy taorian’izay dia natokana ho an’ny mpandray irery sisa ny fandraisana anjara tamin’ny fanapahan-kevitra tamin’ny Fivoriambe, rehefa avy nandalo fotoana teteza-mita izay nanekena ny katekomena ho isan’izy ireo..

2.3 ”Mandehàna any ami’izao tontolo izao …ka mitoria ny Filazantsara” (Marka 16 : 15)

Fa ny tena maha-Fiangonana ny Fiangonana dia ny fiorenany sy ny fitoerany amin’ny Tenin’Andriamanitra. Niara-niasa ho amin’ny fikendrena izany ny fisian’ny mpitandrina maro nifandimby hitory ny Tenin’Andriamanitra, sy hitaiza ny mpino araka ny Soratra Masina teto amin’ny FPMA Toulouse. Samy efa nitondra ny FPMA Toulouse avy ny Mpitandrina ANDRIAMAHENINA, ELIA Rozy, RAMAROSATA Aline, ANDRIANAVONY Edmond, RABEVAZAHA, RAKOTO Emmanuel, RAKOTOJAONA Eugène, ary ny Mpitandrina Désiré ANDRIAMAMPIANINA izay tonga nanao fanofanana ny Fiangonana nandritra ny taona maro ary ny Mpitandrina Elysée ANDRIAMIANDRA izay naharitra tamin’ny fitandremana ny FPMA Toulouse nandritra ny 25 taona.

Tao koa ny famangiana nataon’ny Mpitandrina Synodaly nifandimby teto amin’ny FPMA, dia Victor RAKOTOARIMANANA, Richard RAKOTONDRAIBE, Mamy ANDRIAMAHENINA, Solohery Paul sy Jean RAVALITERA izay nitondran’izy ireo fampaherezana ho an’ny Tafo.

Tao ihany koa anefa ny fandraisan’ny Fiangonana ireo mpanompon’Andriamanitra nandalo hanatanteraka Tafika Masina sy fampianarana teto.

Anisan’ireny ny famangian’ny Mpitandrina Daniel RATEFY, Tonian’ny Komity Protestanta avy any Madagasikara ny FPMA Toulouse nandritra ny fandalovany taty Frantsa. Nanetsika ny foko loatra ka tsy afaka ato an-tsaiko, tamin’ny taona 1980, ny nahita izany mpanompon’Andriamanitra izany, izay efa tena zokiolona tokoa, nefa dia nandà tena nanao lalan-davitra an-jatona kilometatra maro tamin’ny fiaran-dalamby, mba hitsidihana ny tafon’ny FPMA nanerana an’i Frantsa. Tsy vitan’ny hoe nanao fampianarana sy nitoriteny tao am-piangonana fotsiny izy tamin’izany, fa nandeha nitety tokantrano hitondra fampaherezana avy amin’ny Tenin’Andriamanitra ho an’izay nila izany.

Anisan’ireny famangiana avy any ivelany ireny koa ny fandalovan’ny fikambanana Avotra avy any Madagasikara tamin’ny taona 1980 izay nandraisan’ny olona maro an’Andriamanitra teto. Taorian’izany no niorenan’ny « Cellules de prière » nanerana an’i Toulouse, izay nanampy ny Fiangonana tamin’ny fanabeazana ara-tSoratra Masina ny tanorany.

Ary mbola anisan’ireny famangiana ireny koa ny fitorianteny sy ny fanofanana nataon’Atoa RAJAKOBA Daniel mivady teto Toulouse tamin’ny taona 1988 sy ny niverimberenan’izy ireo taty aoriana, izay nitondran’ny Tompo aim-panahy vaovao, hitarika kristiana maro hifikitra amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy, sy hijoro ho andry eo amin’ny Tempolin’ Andriamanitra.

Raha ny halehiben’ny asam-pitiavana nasehon’ Andriamanitra teto amin’ny FPMA Toulouse no ho saintsainina dia mahazo mirehareha tokoa ny Fiangonana.

Anadahy sy rahavavy maro no efa nahita ny Tompo teto, ary mitoetra ho fanaka voafidy mpitondra ny fahazavan’ny Filazantsara any amin’ny toerana ametrahan’ny Tompo azy avy. Mpitandrina efatra no efa nivoaka teto, dia Rtoa isany MORVANT Nivo, mpitandrina any Suisse sy Rasehenoarimanana Emilienne, Mpitandrina any Madagasika ary Atoa isany RANDRIAMANANTENA Herimino Paul, Mpitandrin’ny ERF sy Atoa Elysée ANDRIAMIHANDRA, Mpitandrin’ny FPMA natokana tany Versailles tamin’ny fankalazana ny faha-40 taona tamin’ny taona 2000, ary natokana ho Mpitandrina matihanin’ny FPMA Toulouse tamin’ny taona 2007. Izy dia efa Tonian’ny FPMA reniny teo aloha. Ny FPMA Toulouse no anisan’ny toerana nivelarany tamin’ny asam-pitandremana, sady varavarana nidirany teto amin’ny FPMA.

Ny filoha mpanampy laika ao amin’ny Foibe amin’izao fotoana izao, Atoa RAFIDINARIVO Jean Solo, sy ny mpitahiry vola teo aloha, Atoa RAKOTOMALALA Rasoanaivo, dia samy tanora nobeazin’ny FPMA Toulouse. Teto no nitokanana azy ireo ho mpandray ny fanasan’ny Tompo, ary teto no nahalalany sy nianarany nitia ny FPMA.

2.4 FPMA Toulouse mpialoha lalana

Hatrizay hatrizay koa dia anisan’ny tafo mpialoha lalana sy fakan-tahaka amin’ny zavatra maro ny Tafo eto Toulouse. Tao ny fanaovana ho zava-dehibe ny fanefana ny adidy amin’ny Foibe sy ny faritany. Tsy mbola nisy fotoana nampihisitrisitra ny FPMA Toulouse tamin’izany. Tsy adino ny fampianarana natomboka teto amin’ny FPMA Toulouse XXX mikasika ny ”fianarana manome”, izay nihanaka eran’ny tafon’ny FPMA rehetra. Tao ny ezaka fampiorenana ny Fiangonana amin’ny Tenin’Andriamanitra, sy ny filiofosana tamin’ny fanaovana fanofanana ho an’ny mpiangona manontolo, sy ny fikambanana tsirairay avy. Tao ny fisokafana tamin’ny fifohazam-panahy sy ny fitoriana tany ivelany. Tsaroana ny nandehanan’ny sampana samihafa teto Toulouse, hanatanteraka Tafika Masina tany amin’ny tafo hafa teto amin’ny faritany, sy tany ivelan’ny sahan’ny FPMA. Tao ny fitsinjovana sy famatsiana ny mpitandrina rehetra niasa na nandalo teto. Tao ny fampijoroana sampana velona afaka hitaiza sy hanabe ny antokon’olona samihafa hanana fivelarana amin’ny fanompoana ny Tompo. Ary tao ny fananganana rafi-pandaminana asa amin’ny alalan’ny Vondronasa.

Tsara koa ny manamarika eto fa anisan’ny toetra azo iderana ny FPMA Toulouse ny fananany ny fanahin’ny firaisana sy ny fifanompoana. Hatrizay naha-fiangonana azy dia tsy mba hita teto na ady lahy nanakorontana na ady seza nifanjevoana na fanaovana botolo hampanjakana hevitra. Amim-pilaminana sy amin’ny fifanajana hatrany no izoran’ny fivoriana sy ny asa fanompoana tanterahina na any amin’ny Birao izany, na any amin’ny Komity, na any amin’ny Fivoriambe, na any amin’ny sampana sy any amin’ny vondronasa.

Tsy nisy nidify tamin’izany fijoroana ho vavolombelona izany ireo mpanompon’Andriamanitra nifandimby, nisahana ny fitondram-piangonana teto amin’ny FPMA Toulouse. Anisan’ny filohan’ny Tafo nitarika tamin’izany Atoa isany RAMANITRA, Dominique ANDRIAMIZAKA, Israël Rasoanaivo RAKOTOMALALA, Liva RAVELOSON, Solo RABARIMANANA, Herimino Paul RANDRIAMANANTENA, Germain ANDRIAMBOLOLONA, Benjamin RAZANADRAKOTO, Heriniaina RAMAMONJISOA, ary ny tenako. Niara-niasa tamin’izy ireo tamin’ny fitantanana ny Fiangonana ny Birao, ny filan-kevitry ny diakona tamin’ny taona 1991 ka hatramin’ny taona 1999 ary ny Komitin’ny Tafo ivondronan’ny diakona sy ny filohan’ny sampana nanomboka tamin’ny taona 1999.

Tao anatin’ny 50 taona nisiany, dia 7 no isan’ny sampana velona nitsangana teto amin’ny FPMA Toulouse, dia ny Antoko Mpihira, ny Sekoly Alahady, ny Sampana Fifohazana, ny Sampana Tanora Kristiana, ny Sampana Vehivavy Kristiana, ny Sampana Lehilahy Kristiana ary ny Sampana Tily sy Mpanazava. Ankoatran’ireo dia misy sampan-draharaha telo iadidian’ny Vondronasa Serasera sy Firaketana, dia ny Radio Antson’ny Filazantsara, ny Gazety Fiainana sy ny tranonkalan’ny FPMA Toulouse. Ao koa ny Vaomieran’ny Hira sy Mozika.

3.1 Ny Sampana Antoko Mpihira

Araka ny efa voaresaka tery aloha, dia niara-teraka tamin’ny Fiangonana tamin’ny taona 1959 ny Antoko Mpihira. Atoa Rivo James Rabesandratana no filoha Mpitarika azy voalohany.

Na dia tao aza ny fisian’ny fotoana sasan-tsasany tany aloha, izay nampareforefo ny Antoko Mpihira, dia tsara ny manamarika eto fa izany sampana izany dia nitoetra nahatoky tsy nisy fiatoana tamin’ny fitoriana an’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny hira sy ny antsam-panahy nandritra ny 50 taona nisiany.

Efa namokatra famonjena ho an’ny maro ny asan’ny Antoko Mpihira. Firifiry ny mpihaino voatsindrona am-po ka nibebaka, raha nandre ny antson’Andriamanitra noventesin’ny Antoko Mpihira ? Firifiry ny mpihaino voasarika hidera sy hankalaza an’Andriamanitra raha nihaino ny antemam-pihobiana nasandratry ny Antoko Mpihira ? Firifiry ny mpihaino nanokatra ny fony handraisana an’i Jesoa raha nandre ny antsa itorian’ny Antoko Mpihira ny fiainana ao Aminy ? Tsy teto amin’ny fiangonana ihany fa tany amin’ny fiangonana maro any amin’ny tanana sy faritany samihafa eto Frantsa.

Tanora maro no nandray fahasoavana tao amin’ny Antoko Mpihira, tamin’ny alalan’ny fanolokoloana, ny fitaizana, ny fampianarana sy ny fanefena azy ireo ka nanjariany ho fiasana mahomby eo an-tanan’Ilay nifidy azy.

Nanomboka tamin’ny taona 1989 izay nijoroan’ny Sampana Iraisana Antoko Mpihiran’ny FPMA, sy ny nanombohany nanao lasin-kira nasionaly na choralie isan-droataona, dia tsy nitsahatra ny firoboroboan’ny Antoko Mpihiran’ny FPMA Toulouse.

Amin’izao fotoana izao dia miisa ho 60 eo ho eo ny mpihira tarihan’ny Filoha Atoa Tsiory ANDRIAMIZAKA sy ny Mpitarika hira Atoa Solofoniaina RAJAOBELINA.

3.2 Ny Sampana Sekolin’ny Tenin’Andriamanitra

Ny taona 1982, raha vao nanomboka nisy ankizy maromaro teto amin’ny FPMA Toulouse, no nanapahan’ny fitondram-piangonana hevitra hanangana ny sampana SEKOLY ALAHADY. Tamin’izany no nanoloran-dRtoa Liliane RAZANARISOA tena hanorina sy hiandraikitra voalohany ny fampianarana Soratra Masina ny ankizy madinika tao amin’izany sampana izany.

Anisan’izay nataon’ny Fiangonana ho vaindohan-draharaha hatrany am-boalohany ny fikarakarana sy ny fanolokoloana ny taranaka. Nimasoana hatrany ny fanofanana mpampianatra. Fony mbola nariririry aza ny kitapom-bolan’ny tafo, dia tsy notsitsiana ny famoahana ny enti-manana mba hananan’ny Fiangonana mpampianatra vita fiofanana tsara. Manampy izany, tamin’ny fotoana sasany, izay naha-betsaka ny ankizy, niohatra tamin’ny isan’ny mpampianatra, dia natsangana ny Vaomiera Mpanohana ny Sekoly Alahady izay nitambaran’ireo mpanompon’Andriamanitra nanolo-tena hanampy ny mpampianatra tamin’ny fikarakarana ny mpianatra.

Amin’izao faha-50 taonan’ny FPMA Toulouse izao dia efa nilaozan’ny toetr’andro eto Toulouse ny fiheverana fa sampana natao hikarakarana sy hanolokoloana ny ankizy madinika ny Sekoly Alahady. Raha marina teto izany roapolo taona lasa izay, dia tsy marina intsony amin’izao fotoana izao. Tsy ny ankizy irery intsony mantsy ankehitriny no raisina hampianarina ao amin’ireo dingana 9 misy ao amin’ny sampana fa ny mpiangona rehetra hatramin’ny olon-dehibe. Izany koa no antony nanovana ny anarany hoe : ”Sekolin’ny Tenin’Andriamanitra”.

Amin’izao fotoana izao dia miiasa ho 100 eo ho eo ny mpianatra ao amin’ny STA, maherin’ny 15 ny mpampianatra miara-miasa amin’ny Filoha, Rtoa Hanimalala RAMAMONJISOA sy ny Mpitandrina amin’ny fampianarana ny ankizy sy ny olon-dehibe ao amin’ny STA..

3.3  Ny Sampana Fifohazana

Tamin’ny taona 1989, taorian’ny Fihaonambe voalohany nataon’ny Fifohazana FPMA tany Gardanne, no nijoro teto amin’ny FPMA Toulouse ny Sampana Fifohazana. Ny Mpitandrina Elysée ANDRIAMIANDRA, izay natokana ho mpiandry tamin’io fihaonambe voalohany io, no nitarika ny Fiangonana tamin’ny fampijoroana ny sampana. Mpiandry manodidina ny 20 no efa niomana teto amin’ny FPMA Toulouse, ka nandray fanokanana tany amin’ny Isan-taona natao tany Gardanne sy Troyes ary La Roche sur Yon. Amin’izao fotoana izao dia 14 no isan’ny mpiandry miara-miasa amin’ny Mpitandrina amin’ny fitoriana ny Tenin’Andriamanitra, ny fitaizam-panahy, ny famangiana ary ny fanatanterahana Asa sy Fampaherezana eto amin’ny Fiangonana.

Misokatra amin’ny Fiangonana manontolo ny fotoam-pifohazana, ny fiofanana, ny fanomanana mpiandry sy ny Asa sy fampaherezana izay itarihan’ny filoha, Atoa Benjamin RAZANADRAKOTO ny sampana.

3.4  Ny Sampana Tanora Kristiana

Ny Sampana Tanora Kristiana, izay noraisina tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fivorian’ny ANKATOKA tamin’ny taona 1997, dia tohin’ny fampianarana KATEKOMENA ny zatovo na KT ADO, izay noforonina teto anivon’ny FPMA Toulouse tamin’ny taona 1993.

Ny tenako, izay niandraikitra ny fampianarana KATE ADO teo aloha, no mpanabe voalohany niara-niasa tamin’ny filoha voalohany Rtoa Fitiavana RANDRIAMAHEFASOA tamin’ny fanabeazana sy ny fiarahan-dia tamin’ny tanoran’ny STK.

Tiana ny hanamarika ampanetren-tena etoana fa ny STK-n’ny FPMA Toulouse no vy nahitana sy angady nananana ny Sampana Iraisana STK Nasionaly. Raha mbola niazoazo tsy hiroso tamin’ny fananganana STK ny tafo hafa teto amin’ny faritany FPMA Atsimo-Andrefana tamin’ny taona 1998, dia nanainga ny STK Paris sy ny STK Marseille, izay zokiny ara-tantara, ny STK Toulouse, mba hanao fihaonambe miaraka any Paris, izay hiantsoana ny tanora avy amin’ny tafo FPMA hafa, mba hanaingana sy hanampiana azy ireo hamorona STK, hahafahana manangana ny Sampana STK Iraisana Nasionaly. Noho ny fitahian’Andriamanitra dia tanteraka soa aman-tsara izany, ka tafajoro tamin’ny fihaonambe faharoa natao tany Marseille tamin’ny taona 1990 ny Sampana Iraisana STK Nasionaly izay namory STK avy amin’ny tafo maro, ka noraisina tamin’ny fomba ofisialy tany amin’ny SYNODA FPMA 2000.

Amin’izao fotoana izao Atoa Zo RAZANADRAKOTO no filoha mitarika ny STK ary ny fampianarana teny malagasy ireo mpikambana 10 ao amin’ny sampana no anisan’ny ezaka lehibe imasoana ao.

3.5  Ny Sampana Vehivavy Kristiana

Ny 31 Desambra 1997 no nandanian’ny Fivoriambe ny fijoroan’ny Sampana Vehivavy Kristiana eto amin’ny FPMA Toulouse. Tany aloha dia sarotra ny nanaovana izany, noho ny naha-mpianatra tsy nijanona honina teto an-toerana ny mpiangona. Nanomboka tamin’ny taona 1995 teo ho eo, rehefa nihabetsaka ny fianakaviana niorim-ponenana teto Toulouse vao afaka nosaintsainina ny famoronana sampana ho an’ny olon-dehibe. Satria moa ny vehivavy no maro an’isa tamin’ny mpiangona, dia nandeha ho azy ny fananganana ny SVK nialoha ny sampana ho an’ny lehilahy.

Rtoa Lalatiana ANDRIAMIANDRA, vadin’ny Mpitandrina sy Rtoa Rachel RANDRIANJATOVO no nitarika tamin’ny famoronana ny sampana. Amin’izao fotoana izao dia misy 45 ny mpikambana ao amin’ny SVK izay tarihin’ny filohan’ny sampana, Rtoa Isabelle RABETRANO.

3.6  Ny Sampana Lehilahy Kristiana

Tamin’ny taona 2007 no niforonan’ny Sampana Lehilahy Kristiana teto amin’ny FPMA Toulouse. Atoa Edgar ANDRIANATOANDRO, Mamy ANDRIAMAMPANDRY sy Mychou RAMANOELINA, Patrick RANDRIAMANGAMALALA  no niaraka tamin’ny tenako nanomana ny fananganana azy. Tratra aoriana ihany ny fijoroan’ny SLK teto Toulouse, raha oharina amin’ny Sampana Vehivavy Kristiana, izay zokiny 10 taona. Eo anivon’ny FPMA manontolo kosa anefa dia izy no sampana SLK voalohany indrindra. Mananosarotra kely ihany, noho izany, ny mampivelatra azy, satria ny tsy fananan’ny tafo maro SLK dia tsy Nahafahana nanokatra Sampana Iraisana SLK Nasionaly hitombenany tsara.

Antenaina fa ny ezaka ataon’ny SLK Toulouse hanetsiketsika ny tafo hafa mba hirosoany amin’ny fananganana Sampana SLK dia hisy vokany tsy ho ela.

Amin’izao fotoana izao dia 30 eo ho eo no isan’ny mpikambana voasoratra ao amin’ny rejistry ny fikambanana. Atoa Honoré RAKOTOARISOA RASOLO no filoha mitarika azy.

3.7  Ny Sampana Tily sy Mpanazava

Ny Tily sy Mpanazava no zandriny indrindra amin’ny sampana velona ao amin’ny FPMA Toulouse. Vokatry ny hetahetan-Rtoa isany Hasina RUMAUX, Anjanirina RAHANTAMALALA sy Vola Sophie RAMANANTSIZEHENA, izay narahiny asa tamin’ny fanatrehan’izy ireo tsy tapaka ny lasim-piofanana nokarakarain’ny Sampana Iraisana nasionaly Tily, dia mijoro eto amin’ny FPMA Toulouse nanomboka tamin’ny taona 2008 ny Sampana Tily sy Mpanazava, izay misy mpiandraikitra 8 vita fiofanana, miara-miasa amin’ny Tonia, Rtoa Lova RUMAUX, misy ankizy tezaina 20 eo ho eo, ary misy komitim-pivondronana 25 eo ho eo izay tarihin’ny filoha, Atoa Parfait ANDRIANARIVONY.

Ankoatra ny fikambanany amin’ny sampana tilin’ny FPMA ao amin’ny Sampana Iraisana Nasionaly, dia mpikambana feno ao amin’ny EEUdF Midi-Pyrénées koa izy. EEUdF Capitole Toulouse no anaram-pivondronana entiny amin’izany.

Tamin’ny asabotsy 21 sy alahady 22 febroary teo no nanatanterahina ny fanokanana azy ho sampana velona teto amin’ny FPMA Toulouse, notronin’ny Fiangonana manontolo sy ny solontena maro avy amin’ny Sampana Iraisana Tily sy ny EEUdF.

3.8  Ny Vaomiera Hira sy Mozika

Ankoatra ny sampana 7, dia ao koa ny fikambanan’ny mpitendry zavamaneno izay mbola tsy mivondrona ho sampana, fa mbola mitoetra ho ”Vaomiera Hira sy Mozika” ihany, na dia manana rafi-pandaminana ara-dalana sy miara-miasa tsy tapaka amin’ny Mpitandrina amin’ny fanatanterahana ny fanompoampivavahana aza, ary miandraikitra ny fanomanana mpitendry zavamaneno ho an’ny Fiangonana.

Ny fandaminan’asan’ny FPMA Toulouse dia miorina amin’ny Rafitra antsoina hoe ”Vondronasa”, dia ny Vondronasa Fiainam-piangonana, Vondronasa Sosialy sy Fampandrosoana, Vondronasa Vola sy Fananana ary ny Vondronasa Serasera sy Firaketana.

4-1  Ny Vondronasa Fiainampiangonana

Miandraikitra ny fandrindrana ny fanompoampivavahana sy ny fanofanana ary ny fifandraisan’ny Fiangonana amin’ny Fiangonana hafa ny Vondronasa Fiainam-piangonana. Amin’izany dia miara-miasa akaiky amin’ny Mpitandrina sy ny Vaomiera Hira sy Mozika ary ny Antoko Mpihira izy. Atoa Benjamin RAZANADRAKOTO sy Tantely RANDRIAMANJATO diakona no taleny.

4.2  Ny Vondronasa Sosialy sy Fampandrosoana

Famolavolana sy fanadihadiana ary fikarohana fomba mahomby azoana manoro hevitra sy manohana ireo mila fanampiana, ary koa fikarakarana ny fandraisam-bahiny sy ny sakafom-piraisana sy fialana hetaheta atao ao am-piangonana, izany no andraikitry ny Vondronasa Sosialy sy Fampandrosoana. Rtoa Laurencia RAMANANTOANINA sy Noro ANDRIANATOANDRO diakona no taleny.

4.3  Ny Vondronasa Vola sy Fananana

Ny Vondronasa Vola sy Fananana dia miandraikitra ny fitehirizana sy ny fampiasana ny fananam-piangonana. Izy koa no misahana ny famolavolana sy fiadidiana ny enti-manana hanohanana ny asa fitandremana sy ny soritr’asam-piangonana, ary ny fikarohana fomba mahomby amin’ny fampiasana izany. Atoa Liva RAVELOSON sy Dominique RASOLOFO diakona no taleny.

4.4  Ny Vondronasa Serasera sy Firaketana

Ny Vondronasa Serasera sy Firaketana no miantoka ny fifamoivoizan’ny vaovaom-piangonana sy ny fanatsarana izany mandrakariva. Amin’izany dia miandraikitra sampan-draharaha telo izy, dia ny radio sy ny Gazety ary ny Tranonkala. Ankoatra ireo dia izy koa no misahana ny firaketana mikasika ny fiainana sy ny tantaran’ny Fiangonana. Ny diakona Brigitte sy Arilaza RANDRIAMAHEFASOA no taleny.

4.4.1  Ny Radio Antson’ny Filazantsara

Ny taona 1984 no nanokafan’ny Fiangonana ny ”Radio Antson’ny Filazantsara”. Atoa Jean Solo RAFIDINARIVO, Filoha Mpanampy Laika ao amin’ny Foibe FPMA ankehitriny no anisan’ny namaky lay tamin’ny fampandehanana azy. Hatramin’ny niforonany ka hatramin’ny taona 1999, ny Radio Antson’ny Filazantsara dia nanomana sy nanatontosa ary nandefa fandaharana tao amin’ny Radio Présence, izay niova ho Présence FM taty aoriana. Hatramin’ny nananan’ny FPMA Toulouse tranonkala kosa dia ao amin’ny www.fpma-toulouse.fr no azoana mandre azy.

Amin’izao fotoana izao dia Rtoa Jacquelina RAKOTO no mpiandraikitra ny ”Radio Antson’ny Filazantsara”. Fandaharana maro karazana no omanina sy atolotra anao ao amin’ny Radion’ny Fiangonana, dia ny fanompoampivavahana, ny tafasiry, ny voantsinapy, ny fanolokoloana kristiana, ny fotoana manokana ary ny riba sy kolotsaina malagasy.

4.4.2  Ny Gazety Fiainana

Ny 9 novambra 1986 no nivoahan’ny laharana voalohan’ny ”Gazety Fiainana”, gazetin’ny FPMA Toulouse. Ny Mpitandrina Elysée ANDRIAMIANDRA no namorona azy niaraka tamin’ny Vaomiera mpanomana ny fandalinana Soratra Masina. Tamin’ny voalohany dia natao hamoahana ny vokatry ny fianarana Soratra Masina izay natao isam-bolana teto amin’ny Fiangonana izy. Tsikelikely no nivoarany ho tonga tena Gazety Ny volana desambra 1989 dia nosarahina tamin’ny vaomieran’ny fandalinana Soratra Masina ny Gazety ka nananganana sampan-draharaha mahaleo tena hitantana azy. Maro ny lahatsoratra nampidirina tao anatiny, toy ny vaovaom-piangonana, ny fampianarana, ny kilalao, ny toro-hevitra mahasoa, ny interview …sns… Nanomboka teo ny nizarana azy maimaim-poana tamin’ny mpiangona, indray mandeha isam-bolana.

23 taona aty aorian’ny fotoana niforonany dia niova endrika tanteraka ny Gazety, ary niha-nafonja eo amin’ny firaketany ny fiainam-piangonana indrindra indrindra. Atoa Arilaza RANDRIAMAHEFASOA no tale miara-miasa amin’ny ekipan’ny gazety izay iombonan’ny mpiangona manana fahalalana sy traikefa manokana mikasika ny fanaovan-gazety.

4.4.3  Ny Tranonkalan’ny FPMA Toulouse

Ny Tranonkalan’ny FPMA Toulouse, dia sehatra ihaonan’ny zanaky ny Fiangonana sy ny zanak’Andriamanitra eran-tany, mba hifankahafantarana ao amin’ny Tompo, hambolena sy hikolokoloana fifandraisana, hiaraha-miaina ny fahateraham-baovao, hifampitana ny hafatry ny Filazantsara ary hiaraha-miasa amin’Andriamanitra amin’ny fanatanterahana ny fahariana natombony. Izany rehetra izany dia ezahin’ny tompon’andraikitry ny Tranonkala, Atoa Edgar ANDRIANATOANDRO sy ny mpiara-miasa aminy, amin’ny alalan’ny soratra, ny sary sy ny feo ary sary vidéo, izay narafitra avy amin’ny vokatra notovozina avy ao amin’ny Fiangonana. Tamin’ny taona 2007 no nisokafan’ny Tranonkalan’ny Fiangonana ho azo tsidihina ao amin’ny adiresy www.fpma-toulouse.fr.

Tsy nandeha ho azy tsy nisy raorao hatrany ny fiainan’ny FPMA Toulouse, fa tao dia tao tokoa ny lalan-tsarotra nolalovany.

5.1 Ny Fifandrifian-javatra nanahirana

Hatramin’ny niforonany ka hatramin’ny taona 1970 teo ho eo dia nisy izay antsoina hoe “Fifandrifian-javatra nanahirana” niainan’ny FPMA Toulouse. Tsy inona izany fa ny tsy nisian’ny fiavahana teo amin’ny fitantanana ny “Fikambanan’ny Mpianatra Teratany Malagasy” sy ny an’ny Fiangonana izay hita teo amin’ny sehatra nasionaly sy tany amin’ny tafo hafa koa. Na dia hain’ny Fiangonana aza ny nihoatra izany toe-javatra izany taty aoriana, dia azo tsorina fa anisan’ny vato nisakana ny fivelaran’ny FPMA Toulouse tamin’ny maha-fiangonana azy tokoa izany.

Ny hetaheta te-hiala tamin’io fifangaroan’ny fitondrana ny fikambanana roa tonta io no anisan’ny antony nanapahan’ny Synoda farany natao teto Toulouse tamin’ny taona 1972 hevitra, hampiato ny firaisana sy ny fiombonana rehetra nanambatra ny tafon’ny FPMA.

Kanefa, na dia fotoana nampivaha tsikelikely ny olana nateraky ny fifamatoran’ny fitondram-piangonana sy ny fitantanana ny Fikambanan’ny Teratany Malagasy aza ny taona nanaraka ny 1972, dia azo lazaina hoe andro sarotra teo amin’ny tantaran’ny FPMA Toulouse koa. Nangina ny firaisana. Tsy nisy foibe nanambatra ny Fiangonana intsony. Samy velona ho an’ny tenany ny tafo tsirairay. Tsy mora, noho izany, ny nampandeha ny asan’ny Fiangonana. Sarotra ny nahita olona nanolotena ho isan’ny birao. Tsaroana izany indray taona, izay tsy nahitana mpiangona nety hilatsaka ho fidina Birao hitantana ny FPMA Toulouse afa-tsy zatovolahy iray monja, dia Atoa Niry. Matetika dia olon-tokana no nisahana ny raharaha rehetra. Tsy adino izany fitetezan’Atoa Dieudonné Rabetrano ANDRIAMBOLOLONIVO trano hitaona ny olona hivavaka isaky ny hisy ny fanompoampivavahana.

5.2            Ny Fitaomana ny FPMA Toulouse hiravona amin’ny Fiangonana frantsay

Tao koa ny fitaomana ny FPMA Toulouse hiravona ao anatin’ny Fiangonana frantsay satria nolazaina fa mipetraka eto Frantsa sady mahay miteny frantsay avokoa ny mpiangona ao aminy. Zary fitakiana nataon’ny tompotany sasany aza izany taty aoriana. Ny mahagaga dia ny nisian’ny mpitandrina vazaha tafiditra tamin’izany fisainana izany koa. Teo rahateo koa moa ny tsy mbola nananan’ny Fiangonana fototra teolojika mazava hiorenana sy ny tsy mbola nahafahany namelona mpitandrina, ary ny tsy nananany trano fiangonana, ka sarotsarotra tamin’ny mpiangon’ny FPMA Toulouse ihany ny hanohitra mivantana izany fanakianana izany. Narahina ambokony aza indraindray ny fiantsoan’ny mpanenjika ny FPMA Toulouse azy hoe ”Communauté” fa tsy ”fiangonana” rehefa miresaka aminy ny tena. Nisy tokoa teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana izany, na dia vitsy an’isa aza, ireo vazaha tsy mankasitraka ny fijoroan’ny FPMA ho fiangonana niohatra tamin’ny mpanohana azy, indrindra tamin’ny fotoana nahavitsy ny mpiangona tao amin’ny Fiangonana nisy azy ireo sy tamin’ny fotoana niovan’ny mpitandrina tao aminy.

5.3            Ny tsy fitovian-kevitry ny kristiana

Nisy koa anefa ny olana teraka tao anatin’ny Fiangonana vokatry ny tsy fitovian-kevitra nisy teo amin’ny kristiana tsy nandray ny Tompo raha tsy tamin’ny taonan’ny fahalehibeazany, sy ny kristiana voataiza hatramin’ny fahazazany tao anaty fiangonana. Ny ankilany moa dia variana tamin’ny fanindriana ny maha-zavadehibe ny fahateraham-baovao sy ny Batisan’ny Fanahy Masina ka voasarika hitsaratsara sy hanivana izay olona heveriny ho tena kristiana sy izay heveriny ho tsy izy, ary voasarika hanidy ny Fiangonana ao anatin’izay fomba amam-panao voasoratra mazava tsara ao amin’ny Baiboly fotsiny ihany. Ny andaniny kosa indray dia maika hitarika ny Fiangonana amin’ny fivelarana maro samihafa tsy mifanohitra amin’ny Soratra Masina tokony hirosoany ka voasarika hanamavo izay olona tsy niara-nandeha taminy tamin’izany.

Tsy tao an-tsaina ny Tenin’Andriamanitra manao hoe : ”Ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana” (Lio 11: 42).

5.4  Ny  fiainana ny maha-Fiangonana Malagasy

Nananosarotra ihany koa ny fomba niainan’ny FPMA Toulouse ny maha-Fiangonana Malagasy azy tao anatin’izay 50 taona nijoroany izay. Tany aloha dia tsy nametraka olana ny fanaovana vakodrazana, ny dihy sy hira malagasy, tamin’ny hetsika sy ny fikoranana nokarakarain’ny Fiangonana. Rehefa nanomboka kosa anefa ny ezaka hampitodihana ny Fiangonana ho amin’ny fiainana marina ny Tenin’Andriamanitra dia nitranga ny tsy fitovian-kevitra nanoloana ny vakodrazana. Taona maro no lany nitadiavam-panazavana tamin’izany. Indraindray dia arakaraka ny fandresendahatry ny mpitondra no nironana tamin’ny hevitry ny mpomba ny vakodrazana na tamin’ny an’ny mpanohitra ny vakodrazana.

Adino ny fampianaran’ny Apositoly Paoly manao hoe: “ Ny anankiray mino fa mahazo mihinana ny zavatra rehetra izy, fa ny anankiray kosa malemy finoana, ka dia mihinana zavamaniry ihany. Aoka ny mihinana tsy hanamavo ny tsy mihinana; ary aoka kosa ny tsy mihinana tsy hitsara ny mihinana; fa Andriamanitra no efa nandray azy.” (Rom 14: 2-3).

Ny fitohizan’ny fampianarana ataon’ny Mpitandrina sy ny fitondram-piangonana ary ny fanofanana nentin’ireo Ray aman-dreny maro avy any amin’ny foibe sy avy any Madagasikara, dia nanori-dalana hitarika ny Fiangonana hahay mandray fanapahan-kevitra amin’ny fahatonena sy fiadanana ao anaty firaisan-tsaina manoloana ny fiainana ny Tenin’Andriamanitra sy ny olana mikasika ny vakodrazana.

6.1 Ny FPMA Toulouse sy ny Faritany

Isaorana Andriamanitra noho ny fitantanany ny Fiangonany, fa na dia teo aza ny fanapahan-kevitra noraisina tamin’ny Synoda natao teto Toulouse tamin’ny taona 1972, izay nampiato ny firaisana nananan’ny tafo FPMA enina nisy tamin’izany fotoana izany, raha vao nitsidika ny taona 1973 dia efa nisy sahady ny fifanatonan’ny Tafo Montpellier izay notarihin’Atoa Harison RABETALIANA sy ny Tafo Marseille izay notarihin’Atoa isany Dona RAMAHANDRY sy Augustin ANDRIANJAFITSALAMA ary Gilbert Rasolofoniaina DARSOT. Teraka tamin’izany, nanomboka ny Paska 1973 ny Isanenimbolana izay nivorian’ny mpiangona avy amin’ireo tafo roa ireo isaky ny enim-bolana, araka ny anarany rahateo. Nanatevin-daharana azy ireo tamin’izany ny tafo teto Toulouse tamin’ny taona 1975. Naharitra hatramin’ny taona 1978 izany fihaonan’ny tafo telo tonta izany, izay nanaovana fanompoampivavahana, fikoranana, fizahan-tany ary dinidinika samihafa. Na dia tsy nanana rafi-pitondrana sy rafi-pandaminana mazava aza ny Isanenimbolana dia nitana toerana lehibe teo amin’ny tantaran’ny FPMA, satria nandritra ny taona maro dia tsy nisy afa-tsy izany ihany no fivoriana nanambatra ny vahoakan’ny FPMA avy amin’ny tanana samihafa teto Frantsa. Tsaroana fa maro ny kristiana avy any amin’ny tanana hafa no tonga namonjy ireny Isanenimbolana ireny. Taty aoriana aza dia nirotsaka an-tsehatra tamin’izany koa ny Fiangonana FPMA Bordeaux.

Tamin’ny taona 1976 dia nalefan’ny Fiangonana any Madagasikara taty Andafy ny Mpitandrina Richard RAKOTONDRAIBE mba hijery izay tokony hatao hikarakarana ny FPMA. Tamin’ny taona 1977, raha nivory tany Paris ny solontena avy tamin’ny tafo FPMA dia nanendry Birao Teteza-Mita hanetsiketsika ny tafo rehetra ho amin’ny firaisana sy hanomana ny Synoda Lehibe voalohany izay hananganana indray ny FPMA reniny. Atoa Roland ANDRIAMALALAMANANA niaraka tamin’Atoa Riri RAMIARAMANANA sy Rtoa Yolande ANDRIANARISON, samy avy ao amin’ny Tafo Montpellier, izay efa za-draharaha tamin’ny firaisam-piangonana, no voafidy hisahana izany andraikitra izany.

Nisolotena ny tafo Toulouse niaraka tamiko tamin’io Synoda Lehibe voalohany natao tany Montpellier tamin’ny taona 1978 io, Atoa ANDRIAMIZAKA Dominique, filohan’ny Fiangonana sy Atoa RAZAFINDRALEVA. Ny fanapahan-kevitra lehibe voalohany noraisin’ny Synoda dia ny famerana ny tafo afaka mandray anjara amin’ny fivoriana tamin’ireo enina efa nijoro. Tsy nahazo fahafaham-po, noho izany, ny fangatahan’ny Fiangonan’i Wagner tao Paris handray anjara tamin’ny Synoda. Tanteraka tamin’izany koa ny fananganana ny fitsipika hifehy ny Fiangonana, ny fampijoroana ny rafitra hitantanana azy sy ny fifidianana Birao Nasionaly izay napetraka ho tarihin’ny Filoha Nasionaly laika, Atoa Benoule RASIDIMANANA izay niasa fatratra nanangana tafo FPMA maro nanerana an’i Frantsa. Ny Synoda napetraka ho tarihiko tany Celles sur Belle tamin’ny volana Janoary 1983 kosa dia nanolo ny “Birao Foibe” notarihina laika tamin’ny “Comité Executif” notarihin’ny Mpitandrina Synodaly Victor RAKOTOARIMANANA. Nanomboka teo dia natokana ho an’ny Mpitandrina fa tsy ho an’ny laika intsony ny toeran’ny Filoha teto amin’ny FPMA.

Noho ny fitomboan’ny isan’ny tafo dia natsangana ny Vaomiera samihafa (ny Vaomiera Synodaly, ny Vaomieran’ny Vola sns). Natsangana koa ny faritany, izay nantsoina hoe “Vondrona” tany am-boalohany, mba hahafahan’ny Tafo mifanila toerana mifanampy sy mifanohana. Ny fizaram-paritany dia nandahatra ny tafo Toulouse ho ao amin’ny Faritany Atsimo Andrefana izay iarahany amin’i Montpellier, Bordeaux, Clérmont Ferrand sy La Réunion amin’izao fotoana izao.

6.2  Ny FPMA Toulouse sy ny Eglise Réformée

Hatrany am-boalohany no efa nanehoan’ny Eglise Réformée de Toulouse fitiavana tsy miova tamin’ny FPMA Toulouse. Hatrany am-boalohany no nitandrovan’ny FPMA Toulouse fatratra ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa amin’ny Fiangonana ERT izay tsy mitsahatra miara-miasa sy mifanampy aminy mandrak’androany.

Raha zohina tokoa mantsy ny tantaran’ny FPMA Toulouse, dia hita miharihary ny fifamatorany amin’ny fisian’ny ERF. Teto Toulouse, araka ny lovan-tsofina, dia ny ERT no nanome ny fiangonany mba hivorian’ireo miaramila protestanta malagasy tonga nanatevin-daharana ny frantsay tamin’ny ady lehibe faharoa, raha nangetaheta hanao fiaraha-mivavaka tamin’ny tenin-drazany izy ireo. Ireo mpianatra malagasy protestanta tonga nandrato fahaizana amam-pahalalana taty aoriana, raha mbola tsy nahaleo tena ny Fiangonana malagasy, dia tao amin’ny Fiangonana ERT no nahitany toerana sy fanampiana mba hahalavorary ny fahazoany miara-mivavaka amin’ny teniny. Hatramin’izany fotoana izany ka mandraka ankehitriny dia tsy mba nitondra ny FPMA Toulouse ho toy ny zanak’Ikalahafa ny ERT fa teo anilany mandrakariva; nitantana azy raha mbola zazabodo vao niana-mandeha tsy afaka nivondrona ho Fiangonana akory izy; nanaiky avy hatrany ny fisian’ny FPMA Toulouse tamin’ny fotoana niorenany tamin’ny taona 1959; nanohana azy tamin’ny lafin-javatra rehetra nilany fanampiana; nandray azy ho mpiara-miasa akaiky tamin’ny fiantsorohana ny fanompoana an’Andriamanitra sy ny fitoriana ny Filazantsara iraisana ary nampindrana azy maimaim-poana ny trano fiangonana sy ny toeram-pivoriana ary ny fitaovana teo am-pelatanany, raha mbola tsy nahatsangy ny ho hary ny FPMA Toulouse. Tamin’ny taona 1980, rehefa nitombo ny mpiangona, vao afaka nanomboka nandray anjara ara-bola tamin’ny fampiasana izany trano sy fitaovan’ny ERT  izany ny FPMA Toulouse.

Fony mbola tsy nanana mpitandrina ny FPMA Toulouse, ny mpitandrina maro nifandimby tao amin’ny ERT dia niara-nikarakara ny Fiangonana tamin’ny Birao tamin’ny fitantanana ny fanompoampivavahana, ny fampianarana katekomena sy fandraisana azy ho mpandray ny fanasan’ny Tompo, ny fanamasinana mariazy ary ny fanofanana samihafa.

Ny mpikambana maro nifandimby tao amin’ny “Conseil Presbytéral” dia nanisa ny FPMA Toulouse hatrany ho toy ny tompon-trano ao amin’ny ERT. Hatramin’ny taona 1980 no efa nanomezany toerana ny filohan’ny FPMA Toulouse ao amin’ny fivoriany.

Ny mpiangon’ny ERT dia tsy manisy olana intsony mikasika ny fijoroan’ny FPMA Toulouse ho fiangonana. Porofon’izany ny fanasany manokana ny FPMA Toulouse handray anjara amin’ny Fetim-piangonany isan-taona. Tsaroana eto koa ny journées franco-malgaches izay natokana isan-taona nandritry ny taona maro mba hifankahalalan’ny Fiangonana roa tonta bebe kokoa tamin’ny famelabelarana sy fifanakalozana ary ny fampisehoana vakoka; sy hiaraha-mivavaka ho an’ny asan’ny fiangonana roa tonta tamin’ny alalan’ny fanompoampivavahana niraisana.

Ny sampana ao amin’ny ERT dia niara-niasa tamin’ny sampana tao amin’ny FPMA Toulouse tamin’ny fotoany avy. Tao koa ny fandalinana Soratra Masina izay nitarihan’ny mpitandrina frantsay sy malagasy ny tanoran’ny FPMA sy ny an’ny ERT. Tao ihany koa ny fiaraha-miasan’ny Sekoly Alahadin’ny FPMA sy ny Ecole Biblique-n’ny ERF izay niarahany nanao fiofanana sy niarahany nankalaza ny krismasy. Ary tao indrindra koa ny fandraisan’ny ERT ny Antoko Mpihiran’ny FPMA Toulouse hiara-manafana aminy ny fotoana samihafa karakarainy.

6.3  Ny FPMA Toulouse sy ny Fiangonana Katolika Malagasy

Hatramin’ny ela no efa nandalan’ny FPMA Toulouse fihavanana tamin’ny fikambanan’ny kristiana katolika malagasy. Tany am-boalohany dia saika niarahany nanomana sy nanatanteraka tamin’ny katolika avokoa ny fihetsiketsehana rehetra fanaon’ny malagasy teto: fitsangatsanganana, fandraisana ny malagasy vao tonga, takarivam-pikoranana nankalazana ny fetim-pirenena, “Réveillon de la Saint-Sylvestre” sns.

Tamin’ny taona 1982, rehefa tapa-kevitra hanorina ara-dalana ny “Fiangonana Katolika Malagasy eto Toulouse” na FKMT ny havana katolika, dia tsy nisalasala nifanampy taminy tamin’ny fanatanterahana izany ny FPMA Toulouse. Nakambana tao amin’ny Vieux Temple, 70 rue Pargaminières, ny fankalazana ny krismasy izay nanasana ny kristiana katolika sy protestanta rehetra nonina teto Toulouse ary niarahan’ny mpiandraikitra sy ny Antoko Mpihiran’ny Fiangonana roa tonta nanatanteraka. Tamin’izany no nampahafantarana am-pahibemaso ny hanorenana ny Fiangonana katolika sy nitaomana ny mpino katolika hivondrona ao amin’izany Fingonana vao hatsangana izany.

Dimy amby roapolo taona izao no nikolokoloan’ny FKMT sy ny FPMA Toulouse ny fifandraisany sy ny fiarahany miasa. Tsy tapaka ny fiaraha-mivavaka ho an’ny tanindrazana amin’ny fetim-pirenena malagasy, ny fiaraha-mivavaka amin’ny “Herinandron’ny Firaisana” ary ny fifanotronana amin’ny fihetsiketsehana samihafa omanin’ny tsirairay.

Anisan’ny nanamafy izany ny fifanajana sy fifankahazoana am-po nisy teo amin’ny mpitondra fiangonana sy teo amin’ny Ray aman-dreny am-panahy, dia Père Peltereau VILLENEUVE izay nitantana ny FKMT nandritra ny taona maro sy ireo mopera hafa nandray anjara tamin’izany koa ary ny Pasitera Elysée ANDRIAMIANDRA sy ireo mpitandrina hafa niasa teto amin’ny FPMA Toulouse.

6.4  Ny FPMA Toulouse sy ny Fiangonana hafa

Ankoatra ny fiaraha-miasa amin’ny ERT sy ny FKMT dia noezahin’ny FPMA Toulouse koa ny nifandray tamin’ireo fiangonana hafa mivondrona ao amin’ny “Fédération Protestante de France” toy ny Fiangonana Batista eto Toulouse sy ny ERF any Muret sy any Tarn sy Tarn et Garonne ary Ariège, izay niarahany nankalaza ny “journée de la mission” sy ny fetim-piangonana samihafa. Tonga hatrany Cevennes aza ny tanoran’ny Fiangonana mba hanatanteraka lasy fitoriana ny Filazantsara.

Tahaka izany koa, ny Mpitandrina eto amin’ny FPMA Toulouse, Atoa Elysée ANDRIAMIANDRA, dia mpikambana ao amin’ny “Pastorale” eto Toulouse hatramin’ny ela.

6.5  Ny FPMA Toulouse sy ny Fikambanana Malagasy hafa

Efa voalaza teny aloha ny rohim-pifandraisana nisy teo amin’ny “Fikambanan’ny Mpianatra Teratany Malagasy” sy ny FPMA. Rehefa nitombo ny isan’ny fikambanana malagasy teto Toulouse dia tsy niolonolona tamin’izy ireny ny FPMA fa nanao ho zava-dehibe ny fifanasana sy ny fifanotronana taminy araka ny antom-pisiany tsirairay avy (tournoi sportif, fankalazana fetim-pirenena, fifanampiana amin’ny voina, fandraisana manampahefana avy any an-tanindrazana sns). Na dia teo aza ny finiavana hiaro ny maha-fiangonana protestanta ny ny FPMA Toulouse sy ny tsy hifampitsabaka amin’ny raharahan-tokantranon’ny hafa dia nolalainy fatratra kosa ny hanitry ny fihavanana malagasy izay endrika iray ahafahana mijoro ho vavolombelon’ny maha-Fiangonana malagasy azy koa.