Vala
Ny mpiangon’ny FPMA Toulouse misoratra aradalàna ao anaty bokim-piangonana dia notsinjaraina anaty « Vala », araka ny faritra jeografika ipetrahany.
Diakona roa no miandraikitra vala iray, ary izany no natao dia ny mba itomboan’ny fifandraisana eo anivon’ny mpitondra fiangonana sy ny mpiangona.
Ny diakon’ny vala dia miezaka mahafantatra tsara ny ondriny ka :
- mazoto mivavaka sy mitondra fampaherezana avy amin’ny Tenin’Andriamanitra ho azy ireo isan-tokantrano vangiany
- mamantatra sy manampy amin’ny fanatanterahana izay filàny ny fiangonana : famangiana, dinidinika, fikarakarana mariazy, batisa, sns
- mandrary fifandraisana amin’ireo fianakaviana maro mivondrona ao amin’ny vala iray.
- Izy ireo ihany koa no mampita ny vaovao sy hafatra avy amin’ny fitondram-piangonana tsara ho fantatry ny mpiangona.
Misy vala 10 eto amin’ny FPMA Toulouse ary nomena anarana mitory ny toetra sy ny fiainana mampiavaka ny olon’Andriamanitra izy ireo
Ity takelaka ity dia fizarana ny vaovaon’ny Vala tsirairay avy. Aza misalasala mandefa hafatra na manatona ny tompon’andraikitra raha maniry hiditra ao anaty vala ianao.
Vala | Toerana | Diakona |
Fahasoavana | Banlieue Nord Ouest, départements 81 ,12 |
Andy Andrianjafitrimo Halisoa Razafintsialonina |
Famonjena | Banlieue sud-est |
Gérard Andriamifidy Hanitra Ratovondrahona |
Fahamasinana | Toulouse 31100 |
Njaka Rasolondraibe Salama Rakotondrafahatra |
Fahazavana | Toulouse 31200 (RAS), 31300, Blagnac |
Soréo sy Zoly Randriamanantena |
Fanantenana | Banlieue nord, Cugnaux, Léguevin, Tournefeuille |
Faramampionona Rakotoaridina Noro Rasamoely |
Fiadanana | Toulouse 31000, 31500 |
Solofo sy Sylvie Rajaobelina |
Fiderana | Dpt 09, Banlieue sud, Est | Behavana Raveloarimanana Mamy Andriamampandry |
Fifaliana | Toulouse 31200 (suite) |
Lala sy Clémence Rajerisolo |
Finoana | 31400 |
Jean Christian Andrianjatovo Nasolo Rakotonindraina |
Fitiavana | 31400, Ramonville, Castanet, Banlieue sud |
Tantely sy Bodo Randriamanjato |




