
Alahady 31 May 2020
VAOVAON’NY NASIONALY
FILAZANA MANJO
« Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko mba hahavita ny alehako, dia ny. hanambara ny Filazantsara. »(Asa 20:24)
Amin’ny finoana sy ny fanantenana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty sy ny fiainana mandrakizay no ampandrenesanay anareo ny niantsoan’ny Ray hody any aminy tamin’ny 24 Mey, teo aminy faha 54 taonany, ny mpanompony :
Pasteur RANDRIAMANANTSOA Zozo
Mpitandrina Mpandrindra ny FPMA Nice
Hoy :
Ny vadiny : RANDRIAMANANTSOA Rakotoarisoa Seheno
Ny zanany :
RANDRIAMANANTSOA Ny Ando
RANDRIAMANANTSOA Ny Kanto Nomena
RANDRIAMANANTSOA Ny Fitahiana Sarobidy
Ny rainy : ANDRIANAIVO Joseph
Ny Fiaramiasan’ny Mpitandrina
Ny FPMA Nice, FPMA Aix Marseille
Ny Faritany Atsimo Atsinanana
ANTSO AVO AMIN’NY FPMA MANONTOLO AVY AMIN’NY FPMA NICE
« Mifampitondrà izay mavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn’i Kristy. »
(Galatiana 6:2)
Amin’ ny maha Iray antsika ao amin’ny Tompo sy noho ny voina mihatra amintsika
FPMA, ka namoizantsika ny raiamandreny iombonana Pasteur Zozo Randriamanantsoa, dia tsy misalasala izahay mitodika aminareo, mangataka tolo-tanana avy aminareo, hoenti-manana ny fampodiana ny razana any an-tanindrazana.
Ho anareo izay maniry handray anjara, amin’izao adidy mavesatra sy masina izao, dia indro, omena anareo ny andinindininy amin’ny fanatanterahana izany.
Chèque : amin’ny anaran’Atoa RAMASITERA Haja.
Adresse Postale : 7, Rue Cassini 06000 Nice
Cagnotte : https://www.leetchi.com/c/aide-pasteur-zozo-randriamanantsoa-fpma-nice
Misy lien leetchi izay efa nalefa mailaka na SMS tamintsika hahazoantsika mandefa izay fointsika
Misaotra anareo sahady ny amin’izay rehetra hataonareo. “Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina ianareo sady mbola manompo ihany.” (Hebreo 6:10)
FANASANA ZAIKABE SVKI-SLKI
Daty : 16-17-18 Oktobra 2020
Toerana : CENTRE IGNY – 91 430 (région parisienne)
Vendredi / Samedi / Dimanche | 110 € |
Samedi / Dimanche | 80 € |
Dimanche | 14 € + 5 € (PAF) |
PAF :
Vendredi / Samedi / Dimanche | 110 € |
Samedi / Dimanche | 80 € |
Dimanche | 14 € + 5 € (PAF) |

FIOFANANA SAP/KNPL
Mitohy ny fiofanana SAP KNPL Soritr’Asampiangonana Komity Nasionaly Projet Laika-isak’Alarobia @ 8 ora alina @ alalan’ny Confcall …
Izany dia fiofanana sy fampianara-pinoana natao ho an’ny vahoakan’ny FPMA manontolo koa entanina isika eto Toulouse hanaraka izany.
Daty : Isaky ny Alarobia amin’ny 8 ora alina (20 heures)
Tél : 01 70 48 90 28
Code : 76229328#
Traduction simultanée
FOTOAM-BAVAKA
4 ora sy 7 ora hariva Alatsinainy-Talata-Alakamisy-Zomà-Asabotsy
4 ora sy 10 ora alina Alarobia
VAOVAON’NY FARITANY
FORMATION DES CADRES FATSAN
Araky ny fanao isantaona dia hatao amin’ny 6 Jona ny formation des cadres eto amin’ny Fartitany Atsimo andrefana
Hampahatsiahivina fa ny olona rehetra manana andraikitra ao amin’ny tafo (loholona, diakona, mpiandraikitra sampana, vaomiera, sampan-draharaha, mpandinim-bola…) no antsoina ho amin’izany.
Daty: Asabotsy 06 Jona 2020
Ora: 14h-17h
Toerana: VISIO
« NY TENIN’ANDRIAMANITRA, FAHEFANA MANASITRANA NY FIANGONANA SY HO ENTINY MANASITRANA »
Matio 10,8
VAOVAON’NY TAFO
STK
« De tout coeur, mets ta confiance dans le Seigneur ne t’appuies pas sur ton intelligence. » Proverbes 3.5
La STK a le plaisir de vous retrouver à son Vendredi des Jeunes le Vendredi 05 Juin à 18h30, sous format numérique, sur la plateforme Zoom.
Si possible, nous conseillons de privilégier le PC ou la tablette, au dépend du téléphone, pour l’activité ludique.
Le lien sera communiqué ultérieurement sur les réseaux STK FPMA Toulouse.
N’hésitez pas à contacter le responsable Xavier RATSIMANDRESY pour toute information.
Nous vous attendons nombreux pour cette soirée inédite de louanges, de partages, d’édification et de prières.
Soyez bénis
VDJ 2.0
Daty: Zoma 05 Jona 2020
Ora: 18h30-20h30
Toerana: ZOOM

SAMPANA ZAVAMANENO
SAMPANA ZAVAMANENO

« Misaora amin’ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy ho anareo. » 1 Tesaloniana 5:18
Ry Havana,
Misaotra an’Andriamanitra isika fa tontosa ny Asabotsy faha 23 sy ny Alahady faha 24 Mey lasa teo ny Isantaonan’ny Sampana Zava-Maneno izay nahazo ny anarana vaovao hoe H’endripeo. Misaotra ny fiangonana manontolo nitondra am-bavaka sy nandray anjara tamin’izany. Mbola manentana hatrany antsika mpianakavin’ny finoana izay manana fanomezam-pahasoavana amin’ny mozika sy mahatsiaro ny antson’ny Fanahy Masina, hanatevin-daharana ny Sampana H’endripeo ho fampandrosoana ny asan’ny Fiangonana. Azontsika atao ny manatona ny biraon’ny sampana na ny mpikambana tsotra momba izany.
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.
Ny Sampana H’endripeo
ROJOM-BAVAKA FPMA Toulouse
Mampatsiahy antsika fa misy ihany koa ny rojombavaka isan’andro.
https://drive.google.com/file/d/1mqno7tWDijoeD3yJowmML3NpB7a0RJQm/view
ADIDY SY RAKITRA
« Miantsoa fanati-tsitrapo, eny, ambarao izany! » Amosa 4 :5
Ny fandoavana ny adidy sy rakitra ary fanati-pisaorana dia azontsika atao @ alalan’ny
– Virement
– Chèque alefa any @ Mpitambolan’ny Fiangonnana
– Carte bancaire amin’ny alalan’ny rohy Hello Asso hitanao ato :
https://fpma-toulouse.com/vondronasa-vola-sy-fananana/
VOKATRA PENTEKOSTA
Daty : Alahady 31 Mey 2020

Par virement bancaire (Compte FPMA Toulouse)
IBAN : FR65 3000 2040 7700 0007 0178 C29
Par chèque (à l’ordre de la FPMA Toulouse)
Par carte bancaire (lien HELLO ASSO)
ASIANA SORATRA HOE “VOKATRA”
TRANO FIANGONANA
Fananganana commission
Fitondràna am-bavaka
Fanomezana souscription na dons: asiana hoe TRANO-anarana
Par virement bancaire (Compte FPMA Toulouse)
IBAN : FR65 3000 2040 7700 0007 0178 C29
ASIANA SORATRA HOE “TRANO_ANARANA”
KATEKOMENA
Tsy misy anio
ETUDES BIBLIQUES
Daty : Talata 02 Jona 2020
Ora : 8 ora alina
Toerana : VISIOCONFERENCE
DIARY
Fotoam-pivavahana
Daty : Alahady 07 Jona 2020
Ora : 11 ora
Toerana : YOUTUBE.