
Vaovao Alahady 07 Jiona 2020
VAOVAO NASIONALY
FANASANA ZAIKABE SVKI-SLKI
« Fa manana izao rakitra izao amin’ny vilany tany izahay, mba ho an’Andriamanitra ny halehiben’ny hery , fa tsy ho aminay ( 2 korintiana 4 : 7)
. Mifarana amin’ny 26 Jolay ny fisoratana anarana koa azonareo atonina ny filohan’ireo sampana 2 ireo. Fihaonam-be faharoan’ny SVKI SLKI ity ka manantena antsika ho tonga maro be.
FIOFANANA sy FOTOAM-BAVAKA
Mitohy ny fiofanana SAP KNPL Soritr’Asampiangonana Komity Nasionaly Projet Laika-isak’Alarobia @ 8 ora alina @ alalan’ny Confcall . Izany dia fiofanana sy fampianaram-pinoana natao ho an’ny vahoakan’ny FPMA manontolo koa entanina isika eto Toulouse hanaraka izany.
Mikasika ny fotoanan’ny fotoam-bavaka nasionaly amin’ny 4 ora sy 7 ora hariva isan’andro dia azontsika jerena ao amin’ny tranokala https://fpma.church.news ny vaovao rehetra. Manentana antsika hanaraka izany hatrany.
VAOVAO TAFO
FILAZANA MANJO
Ary rehefa levona ny hoditro, izao simba izao, sady afaka amin’ ny nofoko aho, dia hahita an’ Andriamanitra; Eny, izaho no hahita Azy, ary ny masoko no hijery, fa tsy olon-kafa. Efa matim-paniriana ny saiko ato anatiko. ( Joba 19 :26-27)
Amin’ny fo feno fankasitrahana an’Andriamanitra no ampandrenesanay anareo fa nantsoiny hody any aminy ny reny malalanay Emilie RAZARISOA
Ny zoma faha 29 Mey 2020, tany Madagasikara rehefa nivahiny 79 taona teto an-tany
Hoy ny zanany :
RAMAMONJISOA Heriniaina mivady sy ny zanany,
COLLONGUES Hanitra mivady sy ny zanany,
RAMAMONJISOA Harilantotiana sy ny zanany,
RAZAFIMAMONJY Hajavero mivady sy ny zanany,
RAMAMONJISOA Hoelitahiana,
ROJOM-BAVAKA
» Ry Mpihaino vavaka ô, Ianao no hohatonin’ny nofo rehetra. » ( Salamo 65/2)
Mampatsiahy antsika fa misy ihany koa ny rojombavaka isan’andro.
Indro ny rohy hahitana ny tabilao misy ireo antom-bavaka amin’ity herinndro ity
https://drive.google.com/file/d/1xBfrMzlti1TFr_fRY5y91M8OsdH4ZmL5/view
RAKITRA sy ADIDY
« Miantsoa fanati-tsitrapo, eny, ambarao izany! » Amosa 4 :5
Ny fandoavana ny adidy sy rakitra ary fanati-pisaorana dia azontsika atao @ alalan’ny
– Virement
– Chèque alefa any @ Mpitambolan’ny Fiangonnana
– Carte bancaire amin’ny alalan’ny rohy Hello Asso. Izany dia afaka atao koa ao @ tranonkalan’ny Fiangonana fpma-toulouse.com « rubrique Vondronasa Vola sy fananana » izay hahitanao torolanana manazava ny fanaovana azy.
Iangaviana indrindra isika mba hanoratra ny anton’ireo fandraisana anjara na ho rakitra, na adidy na raki-pisaorana
Dia tsarovy ry Havana fa ny manome amin’ny fifaliana no ankasitrahan’ny Tompo
TRANO FIANGONANA
Araka ny fivoriamben’ny mpandray t@ volana Martsa 2019 dia mampandre antsika fa mitohy ny tetikasa @ firosoana fananana trano fiangonana.
Hisy vaomiera manokana hatsangana handinika lalina momba izany. Ny fanomezana na tonom-bola tiantsika hatao ho fanohanana izany asa izany dia alefa ao amin’ny sous compte « Trano fiangonana » koa asio « libellé Trano_ anarana » ny fandoavam-bola hatao. Ny numéro IBAN sous-compte FPMA Toulouse dia ho hitantsika ao amin’ny site internet.
Katekomena
Hisy fampianarana Katekomena androany amin’ny 4 ora tolakandro amin’ny alalan’ny visioconférence.
Etudes bibliques
Hisy ny études bibliques ny Talata 09 Jona amin’ny 8 ora hariva amin’ny alalan’ny visioconférence.
Diary
Ny Fanompoam-pivavahana manaraka dia amin’ny alahady 14 Jona 2020 ao amin’ny temple du Salin ho an’izay nisoratra anarana ary direct amin’ny Youtube ho an’ny hafa manomboka amin’ny 3 ora tolakandro
Ny Voninahitra ho an’Andriamanitra irery ihany