Vondronasa sosialy sy fampandrosoana
« Ary aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoan’andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika. Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana ». Galatiana 6 : 9-10
Ny Vondronasa Sosialy sy Fampandrosoana dia sehsahaatra iray hanaovan’ny Fiangonana ireo asa soa sy fiantrana.
Ireo sahan’asany :
- Fanadihadiana hahalalana tsara izay tena zava-misy eo amin’ny fiainan’ny Malagasy aty Andafy sy ny any an-tanindrazana
- Fanaovana statistika azo ampiasaina araka izay ilaina
- Fanaovana fandaminana sy soritr’asa ary fanetsiketsehana mikasika ny fifanampiana ato amin’ny tafo sy any ivelany,
- Fifandraisana amin’ny fikambanana sy fiangonana hafa izay miandraikitra fifanampiana.
- Fikarakarana sy fandaminana ny fandraisana ireo vahiny rehetra mandalo eto amin’ny Fiangonana
- Fanoroan-dàlana ho an’ireo Malagasy vao tonga manorim-ponenana eto Toulouse
- Fijerena manokana sy fiahiana ireo mpiangona mandalo fahasahiranana ka mila fanampiana.
- Fanomanana ara-tsosialy sy fandaminana maty paika ireo hetsika sy fetim-pingonana : fanangonana dons sy fandaminana ny fandrahoan-tsakafo ary fizarana izany.
Ireo tompon’andraikitra :
RAZAFINTSIALONINA Halisoa. halisoa.razafi@andrianatogmail-com
RAKOTONDRAFAHATRA Salama. salamarajaonah@gmail.com