Vondronasa vola sy fananana
» Fa asany isika, voaforona tao amin’i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin’ Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy. Koa aoka ny zavatra rehetra hatao ho fampandrosoana. » ( Efesiana 2/10; 1 Korintiana 14/26b)
Ny Vondronasa Vola sy Fananana dia vaomiera miara-miasa akaiky amin’ny tompon’andraikitra ara-bola eto anivon’ny Fiangonana, amin’ny fitantanana ankapobeny ny vola sy ny fitaovana rehetra
Ireo sahan’asany :
- Fiheverana izay hahatsara hatrany ny fitantanam-bola eto amin’ny Fiangonana.
- Famolavolana teti-bola miaraka amin’ireo tompon’andraikitry ny vola sy mpiadidy.
- Fikarohana fomba mahomby sy ara-pilazantsara mba tsy hahatonga ny enti-manana ho vato misakana eo amin’ny fanantanterahana ny asan’ny Fiangonana.
- Fanofanana mpitantam-bola sy fananana anivon’ny sampana
- Fiandraketana ny fananan’ny Fiangonana : fikojakojana ny eo am-pelatanana ary fiheverana izay fitaovana mety ho ilaina.
- Fanaraha-maso ny fampiasana ny fitaovana sy fananan’ny Fiangonana rehetra mba tsy hivaona amin’ny tokony ampiasaina azy.
- Fandaminana ny fitondrana ireo entana rehetra ilain’ny Fiangonana amin’ny asa misiona tanterahany any ivelany
Ireo tompon’andraikitra :
RANDRIAMANJATO Bodo. fitiavana2000@gmail.com
ANDRIAMIFIDY Gérard. gandriamifidy@yahoo.com
FANDOAVANA ADIDY SY RAKITRA
« Miantsoa fanati-tsitrapo, eny, ambarao izany! » Amosa 4 :5
Ny fandoavana ny adidy sy rakitra ary fanati-pisaorana dia azontsika atao @ alalan’ ity rohy ity:
https://www.helloasso.com/associations/fpma-toulouse
Torolàlana amin’ny fampiasana azy (Tuto)
Mandefasa hafatra (contact) raha maniry hifandray amin’ny Mpitambolan’ny Fiangonana ianao raha hanao « Virement » na handefa « Chèque »
Iangaviana indrindra isika mba hanoratra ny anton’ireo fandraisana anjara na ho rakitra, na adidy na raki-pisaorana.
Dia tsarovy ry Havana fa ny manome amin’ny fifaliana no ankasitrahan’ny Tompo.