Alahady 18 Jona 2023

Ny Mpitandrina sy ny Komity FPMA Toulouse dia faly miarahaba antsika amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Lohan’ny Fiangonana sy Tompon’ny asa. Toy izao indray no vaovao azo ambara amintsika anio:

VAOVAO NASIONALY 

FIOFANANA SAP/ KNPL

Mitohy ny fampianarana SAP/KNPL isaky ny Alarobia hariva amin’ny alalan’ny phone call na zoom amin’ny 8 ora alina.

FILAZANA MANJO

« Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko; Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina.

(Salamo 103, 1).

Amin’ny finoana sy ny fanantenana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty no ampandrenesana anareo no niantsoan’ny Ray hody any aminy ny malalanay:

RAFIDINARIVO Jocelyn Victor antsoina koa hoe Jean Louis RAFIDY

Rehefa nivahiny 84 taona teto an-tany hoy:

Ny vadiny RAHELIVOLOLONA RAFIDINARIVO Claire

Ny zanany RAFIDINARIVO Jean Solo (Tale KNPL) sy RAMPANANA Harisoa ary RAFIDINARIVO Christiane.

VAOVAO TAFO 

TARATASY FISAORANA 

Noho ny fihetsika nasehonareo teo amin’ny fiaraha-miory sy teny fampiononana nentinareo ho fampaherezana anay vady aman-janaka hombajafin’

Itompokolahy RUMAUX Hubert

Dia maneho fisaorana anareo Mpitandrina sy fiangonana eto amin’ny FPMA Toulouse.

Ilay Andriamanitra manankarem-pahasoavana no aoka hamaly fitia anareo tsirairay avy ka ny fampiroborobona ny fiangonana sy ny asa fanompoana no himasoantsika sy banjinintsika.

Satria izay no tena nimasoahan’i Dada fony fahavelony.

Ny fianakavina dia manolotra FARA ADIDY:

“Fa ny fahasoavan’Andriamanitra no naha toy izao anay.” 

FAMANGIANA

Ny famangiana ny fianakaviana RASOLOMALALA izay namoy zanaka sy ny fianakaviana BEHAVANA izay namoy iray tampo dia ho tontosaina androany. 

SAFIF

« Fa tsy misy mahay manao fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesosy Kristy.»

1Korintiana 3:11

Ny Convention 2023 – Isan-kerintaona faha-34 an’ny Fifohazana FPMA dia hotanterahina any Giel-Courteilles (800 km avy eto Toulouse) mandritra ny herinandro (ny 17 ka hatramin’ny 23 jolay ho avy izao).

Ny saran-dasy dia 150€ isan’olona

Ny saran-dalana dia tena mavesatra noho ny fahalaviran’ny toerana. Koa misy « Urne » anentanan’ny Sampana antsika mba hifanomezantsika tanana amin’ny fanampiana ny mpiangona rehetra ato amin’ny FPMA Toulouse izay manam-paniriana handeha amin’izany Convention izany.

«Fa Andriamanitro hahatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny hareny amin’ny voninahitra ao amin’i Kristy Jesosy.»

(Filipiana 4:19)

Numéro de téléphone:

BEHAVANA Angelina

06 79 58 65 40

Mifarana ny alahady 25 Juin ny fisoratana anarana

STK

Vokatra STK :

Que chacun donne comme il l’a décidé dans son cœur, sans regret ni contrainte, car Dieu aime celui qui donne avec joie ˋ

2 Corinthiens 9:7

Afin d’aider les jeunes pour partir à la Rencontre Nationale STK  le 7,8,9 juillet prochain, la STK a préparé un vokatra. Les fonds récoltés seront utilisés pour faire baisser notre participation aux frais.

Pour cela, nous avons préparé plusieurs variétés de quiches :

  • Quiche Lorraine
  • Quiche Poulet Tomates
  • Quiche Thon Poireaux

Elles sont disponible à la vente à la fin du culte au prix de 15€ la quiche entière, ou 2.5€ la part.

Nous vous remercions d’avance pour votre soutien,

Soyez bénis,

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

bookmark
required required
web