
Alahady 13 Aogositra 2023
Ny Mpitandrina sy ny Komity FPMA Toulouse dia faly miarahaba antsika amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Lohan’ny Fiangonana sy Tompon’ny asa. Toy izao indray no vaovao azo ambara amintsika anio:
VAOVAO TAFO
FIFIDIANANA DIAKONA 2024-2025
Misokatra ny fisoratana anarana manomboka izao any amin’ny mpitandrina ary mifarana izany ny 15 Oktôbra 2023 sasakalina. Ny fifidianana dia hatao ny Alahady 29 Oktôbra 2023.
ETUDES BIBLIQUES SY PERMANENCE
Tsy misy ny études bibliques sy ny permanences mandritry ny fialantsasatra.
CONGES MPITANDRINA
Ny Mpitandrina dia congés manomboka ny 07 Aogositra hatramin’ny 27 Aogositra. Koa afaka mifandray @ Filoha na Filoha Mpanampy isika raha misy ilàna azy mandritry izany fotoana izany
DIARY
Mandritra ny fialan-tsasatra ka hatramin’ny 27 Aogositra 2023 dia eto amin’ny vieux temple ny fanompoam-pivavahana amin’ny 10 ora maraina.
Misaotra antsika naharitra hatramin’ny farany ary ho an’Andriamanitra ny Voninahitra.