Alahady 24 Septambra 2023

Ny Mpitandrina sy ny Komity FPMA Toulouse dia faly miarahaba antsika amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Lohan’ny Fiangonana sy Tompon’ny asa. Toy izao indray no vaovao azo ambara amintsika anio:

VAOVAO NASIONALY

FIOFANANA NASIONALY

Mitohy ny fampianarana iraisana eto @ FPMA SAP/KNPL/DVE/VFL/Education isak’Alarobia 20h-21h misokatra ho an’ny rehetra amin’ny alalan’ny phone call sy zoom araky ny hita eo amin’ny solaitra manjelatra ka azonareo Alaina ny coordonées samihafa.

SVK

Hisy fampianarana ho an’ny sampana iraisana SVKI entin’I Pasteure Josiane RAVELOSON izay misokatra ho an’ny rehetra ka ny lohahevitra dia mahakasika an’i “Miriama sy ny fanahin’ny fitsikerana (esprit critique).”Efa tsara vakiana mialoha ny NOMERY 12.

ny Talata 26 Septembre 2023 amin’ny 8 ora sy sasany alina (20h30).

amin’ny alalan’ny Zoom: ID 355 389 3563 (tsy misy code)

ZAIKABE NASIONALY

Mampiopmana antsika sahady amin’ny ZAIKABE NASIONALY izay ho tanterahina ny 3-4-5 Novambra any amin’ny lycée Don Bosco ao Giel.

Omena antsika ny andinindiny rehetra rehefa voaray izany avy @ mpikarakara

VAOVAO FARITANY

FANASANA TAFO BORDEAUX

« Fenoy tanteraka ny hafaliako: aoka hifanaraka tsara ianareo ka hoentanin’ny fifankatiavana sy hiray fo ary hiray saina. »

Filipiana 2: 2 (DIEM)

Ny FPMA Bordeaux dia faly manasa anao hanatrika ny fanompoampivavahana ho fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra ary hitondràna am-bavaka ny Mpitandrina RAMAHERIJAONA Jean Teddy mianakavy Alahady 1 oktobra 2023, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro (14h30), ao amin’ny Temple du Hâ. Hisy fifampizarana aorian’ny fotoana.

LASY SLK & SVK FATSAN

Ny Sampana Lehilahy sy Vehivavy Kristiana eto amin’ny Faritany Atsimo Andrefana dia faly mampandre antsika fa misokatra anio Alahady 03 Septambra 2023 ka h@ ny Alahady 01 Oktobra 2023 ,ny fisoratana anarana amin’ny Lasim-paritany izay ho atao any amin’ny CAMPUS LA SALLE SAINT- CHRISTOPHE 32140 MASSEUBE ny Sabotsy 14 Oktobra sy ny Alahady 15 OKTOBRA 2023. Ampatsiahivina fa 40 euros ny fandraisana anjara. Afaka manatona ny birao SVK SLK ireo izay hisoratra anarana ary azo atao koa izany isak’Alahady mialoha sy aorian’ny fanompoam-pivavahana.

Ny ALahady 15 Oktobra famaranana ny lasy dia any Masseube no atao ka misy koa fisoratana anarana amin’ny sakafo atoandro izay misokatra dieny izao ka 6 euros ny lehibe ary 6 Euros ny ankizy 5 -10 taona Hisy ko any covoiturage ho an’ireo tsy manana fiara ka toy ny mahazatra dia mba milaza isika raha afaka mitondra olona sy ireo izay mitady toerana. Mifarana ny 1 Oktobra ko any fisoratana anarana sao tara isika. 

VAOVAO IVELANY

FIANGONANA KATOLIKA PARIS sy manodidina

Nahazo fanasàna ny FPMA hanatrika ny fanompoampivavahana lehibe fankalazàna ny faha-70 taonan’ny Fiangonana KATOLIKA ao Paris sy ny manodidina. 

VAOVAO TAFO

RAKIPISAORANA

Salamo 54:6 “Sitrapoko ihany no hanaterako fanatitra ho anao; hider any Anaranao aho, Jehovah ô, fa tsara Izy. Fa efa namonjy ahy ho afaka tamin’ny fahoriana rehetra Izy. AMEN”

Olona iray manolotra 100 Euros ho an’ny Fiangonana ka mangataka hira 462 andininy 1-2-3-4-5 

FILAZANA MARIAZY

« Bien-aimés, aimons-nous les uns les autres, car l’Amour vient de Dieu. » (1 Jean, 4, 7a)

Pasteur ANDRIAMAHAZOSOA Jean et son épouse, RASOAMANANA Bertin Albert et son épouse, Pasteur RAZAFIMAHATRATRA Jean William et son épouse ont l’immense joie de vous convier au mariage de leurs enfants et petits-enfants :

RASOAMANANA Herimanoa Tefiarivelo

Et

RAZAFIMAHATRATRA Sata Harimino Sarobidy

Le Samedi 07 Octobre 2023 à 15h au Temple du Salin

STK

«Qu’il est agréable, qu’il est doux Pour des frères de demeurer ensemble!»

Psaumes 133:1

La STK vous informe que son repas de rentrée aura lieu le Samedi 30 Septembre prochain à 12h, au 27 rue Vicente Lopez Tovar !

Tous les jeunes souhaitant en savoir plus sur le fonctionnement du Sampana, est le bienvenu pour passer un après midi convivial autour d’un repas agape.

Pour les nouveaux étudiants arrivant sur Toulouse, n’hésitez pas à vous rapprocher des responsables de la section si vous souhaitez y participer !

Le lieu est disponible via les transports en communs mais un covoiturage sera également organisé pour ceux qui en ont besoin  !

N’hésitez à nous contacter sur les réseaux sociaux (Instagram, Facebook) ou au président de la section dont le numéro est affiché pour toute autre questions.

FEON’NY MAZAVA

« Quant à moi, je chanterai ta force, dès le matin je célébrerai ta bonté, car tu es pour moi une forteresse, un refuge quand je suis dans la détresse.» Psaumes 59:17

Tu veux louer le Seigneur à travers les chants ? Viens rejoindre la chorale Feon’ny mazava. Notre ministère consiste à chanter lors événements de l’église comme le culte du dimanche, le vendredi saint, Noël. Nous participons également aux événements externes tels que les mariages, la fête de la musique et divers concerts pour des associations. Cette année, notre isantaona sera le week-end du 25 au 26 Novembre. Les répétitions commencent maintenant. La répétition se fait tous les samedi à 16h30 au Vieux Temple.

Contact : Niony 0695608782.

Dia efa miomana isika amin’ny SAVE THE DATE mikasika ny concert FNM ny Asabotsy 25 Novambra.

FIFIDIANANA DIAKONA 2024-2025

“Betsaka ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy, koa amin’izany mangataha amin’ny tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra” Matio 9:38

Mitohy ny fisoratana ao amin’ny cahier eo ampidirana na any @ Mpitandrina ary mifarana izany ny 15 Oktôbra 2023 sasakalina. Marihina fa mbole congé ny Mpitandrina hatramin’ny 27 Aogositra.

Azo atao ny manolotra anarana rehefa nanaiky ilay olona noresahina. Ny fifidianana dia hatao ny Alahady 29 Oktôbra 2023. Toy ny mahazatra dia misy ny entretien miaraka @ Mpitandrina mialoha ny fifidianana.

Hisy fanavaozana ny lisitry ny Mpandray manomboka izao ka hatramin’ny herinandro mialoha ny fifidianana.

ETUDES BIBLIQUES

Mitohy ny études bibliques ny Talata 26 Septambra amin’ny 7 ora sy sasany hariva amin’ny alàlan’ny Zoom.

PERMANENCES

Misy ny permanences an’i Mpitandrina ny Talata amin’ny 10 ora maraina ka hatramin’ny 4 ora tolakandro tsy miato (Journée continue) ary ny Alakamisy manomboka amin’ny 10 ora ka hatramin’ny 12 ora antoandro.

KATEKOMENA

Miverina ny fianarana Katekomena ny 08 Oktôbra amin’ny 4 ora tolakandro any amin’ny Vieux-Temple.

Ny Fisoratana anarana diam bola mitohy any @ Mpitandrina.

FANADIOVANA NY TRANO FIANGONANA

Ny tompon’anjara amin’ny fanadiovana ny trano Fiangonana anio dia ny FNM sy H’ENDRIPEO

DIARY 

Alahady 1 Oktobra: amin’ny 3 ora sy sasany Temple du Salin arahina fandraisana ny fanasan’ny Tompo.

Alahady 8-15-22-29 Oktobra Vieux templa @ 10 ora sy sasany maraina

Misaotra antsika naharitra hatramin’ny farany ary ho an’Andriamanitra ny Voninahitra.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

bookmark
required required
web