
Alahady 17 Desambra 2023
Ny Mpitandrina sy ny Komity FPMA Toulouse dia faly miarahaba antsika amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Lohan’ny Fiangonana sy Tompon’ny asa. Toy izao indray no vaovao azo ambara amintsika anio:
VAOVAO NASIONALY
FIOFANANA NASIONALY
Mitohy ny fampianarana iraisana eto @ FPMA SAP/KNPL/DVE/VFL/Education isak’Alarobia 20h-21h misokatra ho an’ny rehetra amin’ny alalan’ny phone call sy zoom araky ny hita eo amin’ny solaitra manjelatra ka azonareo Alaina ny coordonées samihafa.
FAMPIANARANA TENY MALAGASY
Mitohy ny fampianarana teny Malagasy isaky ny Alatsinainy amin’ny 8 ora alina araky ny rohy sy ny fomba hidirana amin’izany izay hitantsika misoratra eny amin’ny solaitra manjelatra. Misokatra koa ho an’ireo te hampianatra teny Malagasy eo amin’ny tafo izany.
VAOVAO TAFO
FILAZANA MANJO
1-« Tompo ô, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin’ny fiadanana araka ny teninao; fa ny masoko efa nahita ny famonjenao. » (Lio.2.29-30)
Amin’ny finoana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty no ampandrenesanay fa ny hava-malalanay :
Rtoa RAKOTOARISOA Lala
dia nantsoin’ny Ray hody any Aminy ny Talata 12 desambra 2023, rehefa nivahiny 67 taona teto an-tany.
Hoy ny vadiny : RAMANANTSIMIAVONA Rambelo
Ny zanany : RAMANANTSIMIAVONA Miarintsoa mivady sy ny zanany
RAMANANTSIMIAVONA Bebisoa mivady sy ny zanany.
Efa vita tamin’ny Alakamisy 14 desambra teo ny fitsapàna alahelo ary vita omaly ny fanompoam-pivavahana hanomezana voninahitra an’Andriamanitra sy hampaherezana ny fianakaviana.
Ny fianakaviana dia nanome fara-rakitra 300 euros.
SAMPANA H’ENDRIPEO
La section H’endripeo a le plaisir de renouveler sa vente de calendrier pour l’année 2024.
Le calendrier est au tarif de 15€, au format 20cm x 20cm.
La prise de commande peut se faire soit en remplissant le formulaire dont le lien est affiché à l’écran, soit tous les Dimanches auprès du stand de vente mis en place après le culte.
https://forms.gle/Xdm7FBkANa5ycEjw8
Nous vous communiquerons par message quand la commande est prête.
« votre travail ne sera pas vain dans le Seigneur. » 1 Cor 15:58b
SAMPANA TILY
« Fa Jehovah Andriamanitra efa nitahy anay tamin’izay rehetra nataon’ny tànanay »
(Deoteronomia 2:7)
Toy ny fanao isan-taona dia manasa antsika ny Sampana Tily hanohana ny asany @ fividianana ny Bûches de Noël. Amin’ity taona ity dia ny mpikambana rehetra ao @ Sampana Tily no manamboatra ireo bûches : Zaza beazina, mpiandraikitra, ray aman-dreny.
Faly izahay manolotra ny asan’ny Tananay ho an’ny Tompo koa manantena ny fandraisanareo anjara.
20€ ny vidiny ( 6 à 8 personnes) Ary misy tsirony roa isafidianana : chocolat / vanille et fruits exotiques. Efa tapitra omaly ny fanaovana commande ary azo raisina ny Alahady 24 Déc ao @ Vieux Temple aorian’ny Noely STA.
FIFIDIANANA ESPMA
Ny Birao ESPMA dia mampatsiahy antsika fa ho tanterahana anio ALAHADY 17 DESAMBRA 2023 aorian’ny fanompoam-pivavahana ny fifidiana ireo olona 5 ,hiara-hiasa amin’ny mpitandrina sy ny diakona 5 ao amin’ny KOMITIM-PITONDRANA ( na Conseil d’Administration) ESPMA.
Koa mangataka antsika mpikambana efa nahazo karatra ESPMA mba hijanona
hanatrika izany fotoana izany.
RAKIPISAORANA KRISMASY
Araky ny fanaontsika rehefa andro KRISMASY dia hisy ny RAKIPISAORANA ataontsika amin’ny alalan’ny valopy izay ho zaraina amin’izany ka hanomezantsika izay fohy ho fisaorana sy fankasitrahana ny Tompo nohon’ny famindrapony tsy mety lany.
Ny teny hanorenana izany fanoloran-tenantsika izany dia ao amin’ny Salamo 116:12 manao hoe “Inona no havaliko an’I Jehovah noho ny soa rehetra nataony Tamiko?”
FIFIDIANANA MPANDINIMBOLA
Manavao ny mpandinimbola indray isika izay hiasa mandritry ny taona 2024-2025. Koa misokatra dieny izao ny fisoratana anarana ho an’ireo te hilatsaka ho fidiana amin’izany. Olona 2 no ho fidiana ary ny amin’I Filoha na filoha mpanampy amperin’asa no atao ny fisoratana anarana.
Amin’ny Alahady 14 Janoary 2024 ny fifidianana azy ireo.
FOTOAM-BAVAKA FARAN’NY TAONA
» Matokia Azy mandrakariva ianareo, ry olona; loary eo anatrehany ny fonareo; Andriamanitra no aro ho antsika. » ( Salamo 62: 8)
Manasa ny Fiangonana manontolo ho tonga amin’ny fotoambavaka lehibe famaranana ny taona 2023 ny Zoma 29 Desambra amin’ny 7 ora hariva eto amin’ny Vieux Temple.
Fotoana hisaorana ny Tompo noho ny fitahiany nandritry ny taona sy hametrahana ny taona ho avy.
Fotoana koa hitondrana ambavaka ny vina trano Fiangonana, fisaorana izay vita ary fametrahana ny tohin’ny asa ao anatiny’’ny fiombonana feno.
» Aza matahotra na manahy fa Jehovah Andriamanitra no miara- mandeha aminao. » ( Deoteronomia 31:6)
Tongava maro
ETUDES BIBLIQUES
Misy ny études bibliques ny Talata 19 Desambra 2023.
PERMANENCES
Mitohy ny permanences an’i Mpitandrina ny Talata amin’ny 10 ora maraina ka hatramin’ny 4 ora tolakandro tsy miato (Journée continue) ary ny Alakamisy manomboka amin’ny 10 ora ka hatramin’ny 12 ora antoandro.
Inty ny numéro hiantsoana ny Mpitandrina raha ilaina @ fangalàna RDV : 0609806160
FANADIOVANA NY TRANO FIANGONANA
Ny tompon’anjara amin’ny fanadiovana ny trano Fiangonana anio dia ny STA & STK.
DIARY
Toy izao ny diarintsika amin’izao ankatoky ny Krismasy izao
- Alahady 24 Desambra amin’ny 3 ora hariva ary arahin’ny Noelin’ny STA Vieux Temple
- Alatsinainy 25 Desambra Krismasy Temple du Salin miditra in-2 amin’ny 1 ora sy sasany sy amin’ny 4 ora tolakan’andro
Misaotra antsika naharitra hatramin’ny farany ary ho an’Andriamanitra ny Voninahitra.