Sampana Tily

« Mandehana, manendre tily; Ka izay hitany no aoka holazainy. » Isaia 21 :6
Tamin’ny taom-pankalazana ny faha 50 taonan’ny FPMA Toulouse, 2009 no nitsangana ny Sampana Tily ary Capitole Toulouse no anaram-pivondronana entiny.
Ho an’ny taona 2020 -2021 dia ny teny fanevan’ny sorit’asam-piangonana mihitsy no hanorenan’ny sampana Tily ny fiainany sy ny asany :
« Halalaho ny itoeran’ ny lainao, ary aoka hohenjanina ny ambain-dainao, ka aza avela hisy hiketrona; halavao ny kofehinao, ary aoreno mafy ny tsima-dainao; Fa hitatra any amin’ ny ankavanana sy any amin’ ny ankavia hianao, ary ny taranakao hahazo ny jentilisa, ka dia hasiany mponina ny tanàna lao ». Isaia 54 : 2-3

Ireo zava-kendreny :
- Fitaizana ny zaza sy ny tanora amin’ny lafiny ara-moraly, ara-tsaina ary ara-batana ka ny fampianaran’ny Soratra Masina izay ivon’ny fanabeazana kristiana no fototra iaingana.
- Fikolokoloana sy famolavolana ny zaza sy ny tanora mba hahatonga azy ireo ho olon-dehibe hanao adidy mendrika ho an’ny tenany, ho an’ny fianakaviany, ho an’ny fiangonana ary ho an’ny fiaraha-monina sy firenena satria fitaizana mikendry ny hahatonga ny tena ho tompon’andraikitry ny tena, tompon’andraikitry ny hafa, ary tompon’andraikitra manoloana an’Andriamanitra
- Fitaizana amin’ny asa fanompoana sy fiantrana eo amin’ny fiangonana sy fiaraha-monina.
- Fitaizana mikajy sy miaro ny tontolo iainana ka mampitandrina tsara ny zavaboarin’Andriamanitra.
- Fandalàna ny kolontsaina malagasy sy frantsay izay tsy mifanohitra amin’ny fampianaran’ny Soratra Masina : hira, dihy, lalao samihafa….
- Fitaizana amin’ny faharetana sy fanoloran-tena ka tsy mivadika amin’ny teny nomena koa ny skotisma.
Ireo asa sy hetsika :
- Amin’ny alalan’ny LALAO zay manaja ireo lalàna sy fanekena skoto no ampitana ny fanabeazana ,ary matetika dia an-kalamanjana na anaty natiora no hanaovana izany
- Fivoriana in-1 isam-bolana. Misy asa takiana manokana amin’ny tsirairay mandritra izay.
- Lasim-pivondronana eto amin’ny faritr’i Toulouse sy ny manodidina indray isan-taona .
- Lasy tselatra
- RNT, Rencontre Nationale Tily, fihaonambe isan-taonan’ny Tilin’ny FPMA
- Lasy lehibe manditra ny fotoam-pialan-tsasatra Jolay na Aogositra
- Fitaomana ny Fiangonana amin’ny Fankalazana ny fetim-pirenena ny Asabotsy manodidina ny 26 Jona.
- Fanohanana ara-bola ny asan’ny fiangonana ka miezaka manao taozavatra na sakafo vokatry ny fianarana nampitain’ireo mpanabe.
Ireo mpikambana
Sampana Mavo (louveteaux) : zaza 8 – 12 taona
Sampana Maitso ( éclaireurs) : tanora 12- 16 taona
Sampana Mena (ainés) : 16 taona no miakatra
Ireo Biraon’ny Sampana 2022 -2023
Filoha : RASAMOELY Noro. nanouh.rasamoely@gmail.com
Filoha mpanampy : BARISON Faratiana.
Mpitantsoratra : BARISON Faratiana
Mpitambola : RANDRIAMAMPIONONA Hasina
Tonian’ny Komitim-pivondronana : MANDIMBIARISOA Rina. mandimbirina@gmail.com



Ho fankalazana ny fetim-pirenena malagasy sy fanamarihana ny faha 60 taonan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara dia manasa antsika rehetra ny Sampana Tily hiaraka hilalao ny Asabotsy 28 Jona 2020 @ 14h30. Noho ny tsy mbola afahantsika mivorivory anefa dia ho tanterahana amin’ny alalan’ny visioconférence izany ka ampitaina amintsika manaraka ny rohy hifandraisana.
Ny mpianakavy no asaina handray anjara amin’ny lalao isankarazany:
Tononkalo, Quizz Soratra Masina sy fahalalana an’i Madagasikara, hira sy dihy malagasy.
Ataovy vonona tsy lavitra ny fitafiana sy kojakoja malagasy rehetra azonao raisina @ fiatombohan’ny fotoana, toy izany koa ny taratasy, stylo, baiboly
Hisy koa atelier « mofo menakely » . Ireto avy no ilaina : farine, fleur de maïs maïzena, sucre, huile, levure
Dia manantena ny fandraisantsika anjara!
Tanana Havia!