Ara-tantara dia tamin’ny taona 1897, fony Ranavalona fahatelo natao sesitany taty Frantsa, no nisian’ny fanompoam-pivavahana tamin’ny teny malagasy voalohany taty Andafy. Tao amin’ny Fiangonana ao Batignoles Paris no niangonan’ny mpanjaka niaraka tamin’ny mpivavaka niisa 30 teo ho eo.