Alahady 03 Septambra 2023

Ny Mpitandrina sy ny Komity FPMA Toulouse dia faly miarahaba antsika amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Lohan’ny Fiangonana sy Tompon’ny asa. Toy izao indray no vaovao azo ambara amintsika anio:

VAOVAO TAFO

FILAZANA MARIAZY

“Ary koa, raha miara-mandry ny roa, dia mafana izy; fa hatao ahoana no hampahafanany irery ? Raha misy maharesy ny irery aza, ny roa tsy ho leony tsy akory; ary ny mahazaka telo olana tsy mora tapahina.”  Mpitoriteny 4 : 11 – 12

RANAIVO RAKOTONDRAVELONA Samuel Jérôme Lala sy RASOARIMANGA Voninavoko Herinirina mivady

RAZANANTSANDRA Claire RAZAFINDRAMISA Justin RANDRIANARISOA Solomalalatiana Hubert sy RAZAFINDRAMIADANA Noroharivelomivady

Dia faly manasa anareo hiaraka hiombom-bavaka amin’ny fanamasinana ny fanambadian’ny zafiny, ny zanany

RANAIVO RAKOTONDRAVELONA Mandimby Nirina sy RANDRIANARISOA Irinambinintsoa

Ny Asabotsy 9 Septambra ao @ FJKM Ifaliarivo Ambanidia 

FILAZANA BATISA

Hisy Batisa amin’ny Alahady 10 septambra 2023:
RAKOTOMALALA Joah Falimihaso
zanak’i RAKOTOMALALA Joël sy Finaritra

SAMPANA STA

  • STA dia manao antso avo : mitady mpampianatra hanatevina ireo efa misy. Na tsy manana trai-kefa momba ny fampianarana, fa vonona hamaly ny antso ho anao. Misy ny  fiofanana sy ny fihaonana amin’ny mpitandrina, tsy irery ianao , miara-miasa akaiky aminao ny  mpampianatra efa za-draharaha. aza misalasala mananotna ny birao ny STA, na ny diakona mampita ny hafatra.
  • Ny fisoratana anarana amin’ny tao-pianarana vaovao dia manomboka ny 03 Sept mialoha sy ao aorian’ny fotoam-pivavahana, afaka manantona ny mpampianatra na ny birao ny STA.

Ny Fidirana STA dia ny 10 Sept amin’ny 9h15, hisy fivorian’ny RAD amin’io fotoana.

SAFIF

Fifaliana lehibe ho an’ny Sampana Fifohazana ny mampandre antsika Fiangonana fa noho ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny famindrampony dia ho tanterahina ny Asabotsy sy Alahady 8 sy 9 Septembre ho avy izao ny fankalazana ny isantaony.

Ny Asabotsy 8 Septembre

2ora30 : fampianarana atolotry ny Mpitandrina Elysé Andriamiandra eto @ Vieux Temple,miompana ny lohahevitra hoe :

 » Mitoetra @ finoana an’i Kristy Zanak’Andriamanitra velona ( 2Kor 13:5 ; Matio 16: 15-16)

Aorian’ny fampianarana dia hisy fiaraha-miala hetaheta anasan’ny Sampana Fifohazana antsika.

Ny Alahady 9 Septembre dia fotoam-pivavahana tarihan’ny SAFIF ho fankalazana ny isantaony.

Hisy valopim-bokatra ho zaraina amintsika @ io Alahady io ho fanohanana ny SAFIF

Manentana ampitiavana antsika rehetra mba hanotrona ny SAFIF @ izany isantaony izany  

VONDRONASA SERASERA

« Ny fandaharana Voantsinapy n’ny Radio Antson’ny Filazantsara laharana faha-123 dia efa mivoaka ao amin’ny facebook sy ny site fpma toulouse ary manasa am-pitiavana antsika hihaino finaritra ».

FIFIDIANANA DIAKONA 2024-2025

“Betsaka ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy, koa amin’izany mangataha amin’ny tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra” Matio 9:38

Mitohy ny fisoratana ao amin’ny cahier eo ampidirana na any @ Mpitandrina ary mifarana izany ny 15 Oktôbra 2023 sasakalina. Marihina fa mbole congé ny Mpitandrina hatramin’ny 27 Aogositra.

Azo atao ny manolotra anarana rehefa nanaiky ilay olona noresahina. Ny fifidianana dia hatao ny Alahady 29 Oktôbra 2023. Toy ny mahazatra dia misy ny entretien miaraka @ Mpitandrina mialoha ny fifidianana.

Hisy fanavaozana ny lisitry ny Mpandray manomboka izao ka hatramin’ny herinandro mialoha ny fifidianana.

ETUDES BIBLIQUES

Miverina ny études bibliques ny Talata 12 Septambra amin’ny 7 ora sy sasany hariva amin’ny alàlan’ny Zoom.

PERMANENCES

Miverina ny permanences an’i Mpitandrina ny Talata amin’ny 10 ora maraina ka hatramin’ny 4 ora tolakandro tsy miato (Journée continue) ary ny Alakamisy manomboka amin’ny 10 ora ka hatramin’ny 12 ora antoandro.

KATEKOMENA

Miverina ny fianarana Katekomena ny 08 Oktôbra amin’ny 4 ora tolakandro any amin’ny Vieux-Temple.

DIARY 

Ny Fanompoampivavahana  amin’ny Alahady 10-17-24 Septambra dia amin’ny 10 ora sy sasany maraina any amin’ny Vieux Temple.

Misaotra antsika naharitra hatramin’ny farany ary ho an’Andriamanitra ny Voninahitra.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

bookmark
required required
web