Alahady 05 Novambra 2023

Ny Mpitandrina sy ny Komity FPMA Toulouse dia faly miarahaba antsika amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Lohan’ny Fiangonana sy Tompon’ny asa. Toy izao indray no vaovao azo ambara amintsika anio:

VAOVAO NASIONALY

ZAIKABE NASIONALY

Nifarana androany tamin’ny alàlan’ny Zoom ny zaikabe nasionaly izay nitondra ny lohahevitra hoe:

Iray ny tena, ary iray ny Fanahy, dia toy ny niantsoana anareo ho amin’ny fanantenana iray momba ny fiantsoana anareo” (Efesiana 4, 4)

 

FIOFANANA NASIONALY

Mitohy ny fampianarana iraisana eto @ FPMA SAP/KNPL/DVE/VFL/Education isak’Alarobia 20h-21h misokatra ho an’ny rehetra amin’ny alalan’ny phone call sy zoom araky ny hita eo amin’ny solaitra manjelatra ka azonareo Alaina ny coordonées samihafa.

 

 

VAOVAO TAFO

RAKI-PISAORANA

Olona tsy nitonona anarana nanome 150 Euros ho an’ny Vina Trano Fiangonana.

FEON’NY MAZAVA

« Maintenant, frères et sœurs chrétiens. soyez dans la joie. Cherchez à être partait, encouragez-vous et soyez d’accord entre vous. Vivez dans la paix, et le Dieu d’amour et de paix sera avec vous. » 2 Corinthiens 13:11 La chorale Feon’ny mazava est heureuse de vous annoncer leur Isantaona avec le thème « Cherchez à être parfait ». Nous vous donnons rendez-vous le samedi 25 Novembre pour une journée bien remplie. En début d’après-midi, une masterclass avec un expert technique vocal sera faite et sera ouverte à toute l’église. Puis s’en suivra à 19h30 le concert de la FNM. Venez nombreux ! Soyez bénis.

STA

« Grand vokatra STA »

 

« Koa na mihinana na misotro hianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany. »

1 Kor 10 : 31.

 

Ho fanohanana ny sampana , dia manao « grand vokatra STA » ny alahady 19 Novembre

Formule repas « vary sy laoka » 20€ pour 3 personnnes :

Ny laoka afaka hisafidianana :

– saosisy sy anana

– akoho sy fangarony

– henakisoa sy fangarony

– Trondro

 

Afaka mi-commande mialoha , ao  aloha na ao aoriany culte, na ihany koa any aminy mpampianatra.

ALAHADIN’NY MPITANDRINA 

Ny Fankalazàna ny Alahadin’ny Mpitandrina dia ho tanterahina ny Alahady 03 Desambra 2023 amin’ny 3 ora tolak’andro eto @ temple du Salin. Fotoana sarobidy hisaorana an’Andriamanitra noho ny fananantsika Mpitandrina efa taona maro izao sy hitondràna am-bavaka ny Mpitandrina mianakavy ho mariky ny  fanohanana ny asa fitandremana eto @ Fiangonana. Ny teny hanorenana izany fotoan-dehibe izany dia manao hoe

« Aoka izay ampianarina ny teny mba hahafoy zava-tsoa ho an’izay mampianatra. » Galatiana 6:6

Hisy valopy ho zaraina amintsika hanomezantsika izay foy hanohanana ny asa fitandremana ary atolotra manontolo ny Mpitandrina miaraka amin’ny rakitra toy ny fanaon’ny Fiangonana rehefa Alahadin’ny Mpitandrina.

Dia mitondra am-bavaka izany fotoana lehibe izany isika ary manentana ny Fiangonana ho tonga maro.

ETUDES BIBLIQUES

Tsy misy ny études bibliques ny Talata 07 Novambra 2023.

PERMANENCES

Mitohy ny permanences an’i Mpitandrina ny Talata amin’ny 10 ora maraina ka hatramin’ny 4 ora tolakandro tsy miato (Journée continue) ary ny Alakamisy manomboka amin’ny 10 ora ka hatramin’ny 12 ora antoandro.

FANADIOVANA NY TRANO FIANGONANA

Ny tompon’anjara amin’ny fanadiovana ny trano Fiangonana anio dia ny SLK & SVK.

 

DIARY 

Ny fanompoam-pivavahana ny Alahady 12-19-26 Novambra dia any amin’ny Vieux Temple manomboka amin’ny 10 ora sy sasany.

 

Misaotra antsika naharitra hatramin’ny farany ary ho an’Andriamanitra ny Voninahitra.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

bookmark
required required
web