
Alahady 12 Novambra 2023
Ny Mpitandrina sy ny Komity FPMA Toulouse dia faly miarahaba antsika amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Lohan’ny Fiangonana sy Tompon’ny asa. Toy izao indray no vaovao azo ambara amintsika anio:
VAOVAO NASIONALY
FIOFANANA NASIONALY
Mitohy ny fampianarana iraisana eto @ FPMA SAP/KNPL/DVE/VFL/Education isak’Alarobia 20h-21h misokatra ho an’ny rehetra amin’ny alalan’ny phone call sy zoom araky ny hita eo amin’ny solaitra manjelatra ka azonareo Alaina ny coordonées samihafa.
VAOVAO TAFO
FIFOHAZANA
Misy asa sy fampaherezana amin’ny Alahady 19 Novambra ho avy izao
FEON’NY MAZAVA
« Maintenant, frères et sœurs chrétiens. soyez dans la joie. Cherchez à être partait, encouragez-vous et soyez d’accord entre vous. Vivez dans la paix, et le Dieu d’amour et de paix sera avec vous. » 2 Corinthiens 13:11 La chorale Feon’ny mazava est heureuse de vous annoncer leur Isantaona avec le thème « Cherchez à être parfait ». Nous vous donnons rendez-vous le samedi 25 Novembre pour une journée bien remplie. En début d’après-midi, une masterclass avec un expert technique vocal sera faite et sera ouverte à toute l’église. Puis s’en suivra à 19h30 le concert de la FNM. Venez nombreux ! Soyez bénis.
STA
« Grand vokatra STA »
« Koa na mihinana na misotro hianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany. »
1 Kor 10 : 31.
Ho fanohanana ny sampana , dia manao « grand vokatra STA » ny alahady 19 Novembre
Formule repas « vary sy laoka » 20€ pour 3 personnnes :
Ny laoka afaka hisafidianana :
– saosisy sy anana
– akoho sy fangarony
– henakisoa sy fangarony
– Trondro
Afaka mi-commande mialoha , ao aloha na ao aoriany culte, na ihany koa any aminy mpampianatra.
FOTOAM-BAVAKA TRANO FIANGONANA
» Mivavaha hatrany ary mangataha ny fanampian’Andriamanitra amin’izany; eny, mivavaha mandrakariva araka izay anentanan’ny Fanahy Masina anareo. Miambena sy mazotoa hatrany mba hahatongavana amin’io tanjona io, ary dia mivavaha ho an’ny vahoakan’ Andriamanitra rehetra. » ( Efesiana 6: 18)
Manasa ny Fiangonana manontolo hanatrika ny
– FOTOAM-BAVAKA HO AN’NY TRANO FIANGONANA: sabotsy 18 novambra @ 2 ora tolakandro ao @ Vieux Temple.
Tongava maro fa zava-dehibe ny fiombonantsika miaramitondra eo @ Tompo ity VINA LEHIBE ity.
ALAHADIN’NY MPITANDRINA
Ny Fankalazàna ny Alahadin’ny Mpitandrina dia ho tanterahina ny Alahady 03 Desambra 2023 amin’ny 3 ora tolak’andro eto @ temple du Salin. Fotoana sarobidy hisaorana an’Andriamanitra noho ny fananantsika Mpitandrina efa taona maro izao sy hitondràna am-bavaka ny Mpitandrina mianakavy ho mariky ny fanohanana ny asa fitandremana eto @ Fiangonana. Ny teny hanorenana izany fotoan-dehibe izany dia manao hoe
« Aoka izay ampianarina ny teny mba hahafoy zava-tsoa ho an’izay mampianatra. » Galatiana 6:6
Hisy valopy ho zaraina amintsika hanomezantsika izay foy hanohanana ny asa fitandremana ary atolotra manontolo ny Mpitandrina miaraka amin’ny rakitra toy ny fanaon’ny Fiangonana rehefa Alahadin’ny Mpitandrina.
Dia mitondra am-bavaka izany fotoana lehibe izany isika ary manentana ny Fiangonana ho tonga maro.
ETUDES BIBLIQUES
Misy ny études bibliques ny Talata 14 Novambra 2023.
PERMANENCES
Mitohy ny permanences an’i Mpitandrina ny Talata amin’ny 10 ora maraina ka hatramin’ny 4 ora tolakandro tsy miato (Journée continue) ary ny Alakamisy manomboka amin’ny 10 ora ka hatramin’ny 12 ora antoandro.
Inty ny numéro hiantsoana ny Mpitandrina raha ilaina @ fangalàna RDV :
FANADIOVANA NY TRANO FIANGONANA
Ny tompon’anjara amin’ny fanadiovana ny trano Fiangonana anio dia ny STA & STK