Ny Mpitandrina sy ny Komity FPMA Toulouse dia faly miarahaba antsika amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Lohan’ny Fiangonana sy Tompon’ny asa. Toy izao indray no vaovao azo ambara amintsika anio:
Vaovao nasionaly
FIOFANANA SAP/ KNPL
Mitohy ny fampianarana SAP/KNPL isaky ny Alarobia hariva amin’ny alalan’ny phone call na zoom amin’ny 8 ora alina
VAOVAO FARITANY
LASY ANTOKO MPIHIRA SY FIFOHAZANA
Mifarana anio 16 aprily ny lasy hiombonan’ny AMF sy ny SAFIFany Bordeaux
VAOVAO TAFO
SLK
Ny isantaonan’ny SLK dia ho tanterahana ny Asabotsy 22 Aprily sy ny Alahady 23 Aprily izao.
Asabotsy 22 Aprily
3 ora tolakandro : Fiofanana miaraka amin’ny mpitandrina Elysé Andriamiandra hanasana ny fiangonana iray manontolo mitondra ny lohateny hoe:
Jobily mariazy ka afaka misoratra anarana any amin’ny birao SLK ireo mpivady izay nahatratra ny faha-5 taona, faha-10 taona, faha-15 taona .. sns… nanamasinana ny fanambadiany.
STA
1- « Car nous sommes plusieurs, nous formons un seul corps en Christ – Rom 12 : 5a
Tu es membre de la STA ? alors oui l’écusson est pour toi, à chaque évènement de l’église et du sampana tu seras invité à le mettre.
Pour marquer et nous identifier en tant que STA et pour soutenir les activités de notre sampana, un écusson au prix de 5€ est en vente à la sortie du culte.
2- L’opération vente de Bible continue, le fournisseur a de nouveau du stock, Vous pouvez commander soit en version française ou malgache , version DIEM ou version classique au prix de 35€.
Le stand STA sera présent à chaque fin de culte.
H'ENDRIPEO
La section H’endripeo vous invite à son Isantaona le samedi 13 Mai concert à 19h au Vieux Templeet le dimanche 14 mai culte à 10h30 sous le thème ME VOICI ENVOIE-MOI
STATUT TYPE FPMA
Antsoina ny mpandray ny fanasan’ny Tompo ny Alahady 23 Aprily 2023 fa hisy raharaha ho dinihana handaniana ny Statut Type FPMA izay tsy maintsy hapetraka any amin’ny préfecture alohan’ny 30 Jona 2023.
HETSIKA VINA TRANO FIANGONANA
Mikasa hanao hetsika lehibe ho an’ny vina trano Fiangonana isika ny Asabotsy 27 Mai mitondra ny lohateny hoe TARANAKA VOAFIDY ka fandriho dieny izao ny diarinao. Hanao concert ny tarika TGC ka omena antsika tsy ho ela ny andinindininy amin’izany
ETUDES BIBLIQUES
MItohy ny etudes bibliques amin’ny alalan’ny zoom ny talala 18 Aprily amin’ny 7 ora sy sasany hariva
DIARY
Ny fanompoam-pivavahana ny Alahady 23-30 Aprily dia amin’ny 10 ora sy sasany maraina ao amin’ny Vieux Temple