Alahady 16 Jolay 2023

Ny Mpitandrina sy ny Komity FPMA Toulouse dia faly miarahaba antsika amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Lohan’ny Fiangonana sy Tompon’ny asa. Toy izao indray no vaovao azo ambara amintsika anio:

VAOVAO NASIONALY

TARATASY FISAORANA 

Nahazo taratasy fisaorana ny fiangonana avy amin’ny fianakaviana RAFIDINARIVO Jean Solo izay namoy ny rainy. 

VAOVAO TAFO 

FAMANGIANA MANJO 

Ny famangiana ny fianakaviana RAKOTONARIVO Rado sy Felana izay namoy ray dia ho tanterahina ny Alahady 23 Jolay 2023 eto amin’ny Vieux temple.

SAMPANA TILY

« Mifankatiava araka ny fifankatiavan’ny mpirahalahy; mitariha lalana amin’ny fifanomezam-boninahitra ». Romana 12:10. Ny lasy lehibe na grand camp d’été nantsoina hoe « lasy Mitia » dia mifarana androany any Moulin du Riou any Noé.

FANDANIANA REGLEMENT INTERIEUR

Antsoina ny mpandray ho tonga amin’ny Alahady 23 Jolay fa misy raharaha dinihana mikasika ny fandaniana ny reglement intérieur nohavaozina hifanaraka @ lalàna vaovao.

FIFIDIANANA DIAKONA 2024-2025

Misokatra ny fisoratana anarana manomboka izao any amin’ny mpitandrina ary mifarana izany ny 15 Oktôbra 2023 sasakalina. Ny fifidianana dia hatao ny Alahady 29 Oktôbra 2023. 

ETUDES BIBLIQUES SY PERMANENCE

Tsy misy ny études bibliques sy ny permanences mandritry ny fialantsasatra

DIARY 

Mandritra ny fialan-tsasatra  izay efa nanomboka ny 09 Jolay 2023 ka hatramin’ny 27 Aogositra 2023 dia eto amin’ny vieux temple ny fanompoam-pivavahana amin’ny  10 ora maraina.

Misaotra antsika naharitra hatramin’ny farany ary ho an’Andriamanitra ny Voninahitra.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

bookmark
required required
web