
Alahady 19 Mey 2024
Ny Mpitandrina sy ny Komity FPMA Toulouse dia faly miarahaba antsika, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Lohan’ny Fiangonana sy Tompon’ny asa. Toy izao indray ary ny vaovao antsika anio :
VAOVAO FARITANY
FIOFANANA TOMPON’ANDRAIKITRA FATSAN – 01 JONA 2024
Antsoina isika manana andraikitra rehetra eto amin’ny fitandremana Toulouse sy eto amin’ny faritany Atsimo Andrefana, hanatrika ny fiofanan’ny tompon’andraikitra FATSAN, izay hatao ny Asabotsy 01 jona 2024 : 8h30-16h30 any amin’ny Vieux Temple.
Ny lohahevitra ho voaboasana dia hoe : « Ny mpiasam-piangonana, miaramila voafidin’i Jesosy mitafy fiadiana, omeny sy miaina ny toe-panahy araka an’Andriamanitra. »
Ho fiomanana amin’izany dia manasa antsika hamaky ny Efesiana 6 manontolo.
Iangaviana isika mba hameno ny formulaire izay miseho eo amin’ny solaitra manjelatra, alohan’ny Asabotsy faha 11 mey, mba ahafahan’ireo mpikarakara miomana amin’izany.
VAOVAO IVELANY
FKMT
La communauté Catholique Malgache de Toulouse a le plaisir de vous convier à la MESSE D’OUVERTURE du 40è anniversaire présidéé par le Père Johnny TOLONJANAHARY
Le dimanche 02 Juin à 10h30 en l’église de Notre Dame de Lourdes 1 allée Frédéric Mistral
À l’issue de la Messe, nous vous invitons à partager un moment de convivialité autour d’une collation
VAOVAO TAFO
TARATASY FISAORANA
Ny zanaka, ny zafikely ary ny fianakavian’i tompokolahy RAMANDIMBISOA Jean Emile dia maneho fisaorana feno anareo tapakasy namana, fiangonana izay naneho firaisam-po, nampahery ary nitrotroam-bavaka tamin’nyfahoriana nianjady. Nahatsapatsy ho irery tokoa izahay tamin’ireny fotoan-tsarotra ireny fa notroninareo feno, nanao soroka miaramilanja sy tongotra miara-mamindra.
Andriamanitra manakarem-pahasoavana anie hamaly fitia anareotsirairay avy. Heni-kaja, heni-boninahitra ny velona ary tsara levenana ny maty.
FILAZANA TERAKA
Indro, lova avy amin’i Jehovah ny zanaka maro; Tamby ny ateraky ny kibo. » Salamo 127:3
Faly izahay mampandre ny nahaterahan’i Niary Levi RAKOTONDRAINY tamin’ny alatsinainy 13 Mey 2024.
Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra.
Hoy Narindra sy Rija
FILAZANA MARIAZY
“Et par-dessus tout cela, revêtez-vous de l’amour qui est le lien par excellence” Colossiens 3:14
Louis Hector et Jeannine RAJAONARIVELO
Léon Marcel et Nirina Yolande RAJAOBELINA
Solofo et Sylvie RAJAOBELINA
Zolalaina RAJAONARIVONY & Jocelyne GERARD RAVONIARISOA
Sont heureux de vous convier au mariage de leurs enfants, leurs petis-enfants
Sariaka Natacha GERARD RAVONIARISOA & Riana Alexandre RAJAOBELINA
Le Samedi 8 Juin 2024 au Temple du Salin à 14h
SZM
Goodies H’endripeo 5ème anniversaire
La vente des goodies H’endripeo spécial 5ème anniversaire continue.
Les articles suivants sont encore disponibles :
– Stylo à 3€
– Ecocup à 4€50
– Mug à 10€
– T-shirt à 15€
Rapprochez-vous du stand dédié, avant et après les cultes.
Les bénéfices serviront à supporter les œuvres de l’église, en particulier le projet Trano Fiangonana.
VSF
« Ny fandaharana Voantsinapy n’ny Radio Antson’ny Filazantsara izay miompana amin’ny Pentekosta 2024 dia efa mivoaka ao amin’ny facebook sy ny site fpma toulouse ary manasa am-pitiavana antsika hihaino finaritra »
« Ny Gazety Fiainana laharana faha-246 dia efa nivoaka ary ho zaraina amin-tsika etsy am-pivoahana »
SAMPANA FIFOHAZANA
Ny SAFIF dia mampatsiahy antsika fa ny fisoratana anarana amin’ny lasy Fifohazana izay atao any Giel ny 15 hatramin’ny 21 Jolay dia mifarana ny alahady 2 Jiona.
Ny fisoratana anarana dia azo atao amin’ny alalan’ny rohy izay efa nozaraina na manatona ny mpitan-tsorata Voahangy RAKOTOMALALA
Ny saran-dasy dia 150€ ary azo aloa indray mandeha na in-3 na im-polo.
Raha mila fanazavana fanampiny dia aza misalasala manatona ny birao.
FANATERAM-BOKATRA PENTEKOSTA
Toy ny fanao isan-taona, dia miomana isika @ fanateram-bokatra Pentekosta, ny Alahady 19 Mey. Hisy valopy zaraina amin’io andro io hanatanterahantsika izany. Azo atao ihany koa ny manefa izany amin’ny alalàn’ny Carte Bancaire.
“Samia manokana ao aminy avy, rakitra, na amin’inona na amin’inona anambinana azy” (! Korintiana 16:2)
FANDINIHAN-DRAHARAHA
Antsoina ny mpandray rehetra ho tonga amin’ny fandinihan-draharaha mikasika ny fangalàn’ny fiangonana commissaire aux comptes izay atao ny Alahady 9 Jona.
SORTIE LUNDI DE PENTECÔTE- JOURNEE VALA
À toute l’église,
Nous vous convions à une journée détente, qui se tiendra le Lundi 20 Mai à 10h en plein air, au Parc de Sesquières.
Pour ce Lundi de Pentecôte, nous aurons l’occasion de partager un repas Agape, et s’amuser à travers des jeux et des activités sportives.
Nous pourrons jouer au foot, basket, tennis, pétanque, ping-pong et d’autre jeux concocté par les organisateurs.
Nous vous invitons à apporter vos couverts, à boire et à manger que l’on partagera.
Il n’y aura pas de tables ni de chaises sur place, alors amenez de quoi être confortable.
On porte votre attention sur le fait qu’il est interdit de faire un barbecue et que nous ne pourrons rien faire chauffer ni griller sur place.
Pour finir, avant d’apporter votre repas agape, assurez-vous qu’il est sanitairement bon (exemple mayonnaise de la veille).
Cette journée sera l’occasion d’accueillir les nouveaux, de créer de la cohésion et de se retrouver en dehors de l’église et toutes les VALA sont chaleureusement iinvités.
Nous vous attendons nombreux, pour cette journée gratuite, fun et fraternelle !
Soyez bénis
ETUDES BIBLIQUES
Misy ny études bibliques ny Talata 21 Mey amin’ny 7 ora sy sasany hariva, amin’ny alàlan’ny ZOOM
PERMANENCES
Misy ihany koa ny permanences an’i Mpitandrina ny Talata amin’ny 10 ora maraina ka hatramin’ny 4 ora tolakandro tsy miato ary ny Alakamisy amin’ny 10 ka hatramin’ny 12 ora.
FANADIOVANA NY TRANO FIANGONANA
Ny tompon’anjara amin’ny fanadiovana ny trano Fiangonana anio dia ny SVK sy ny SLK
DIARY
Toy izao ny diarintsika misy ireo fanompoam-pivavahana eto amin’ny Temple du Salin
– Alahady 26 Mey : fankalazana ny fetin’ny reny amin’ny
– Alahady 02 Jona amin’ny 3 ora sy sasany : fandraisana ny fanasan’ny Tompo.
Misaotra antsika naharitra hatramin’ny farany ary ho an’Andriamanitra ny Voninahitra.