Alahady 19 Novambra 2023

Ny Mpitandrina sy ny Komity FPMA Toulouse dia faly miarahaba antsika amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Lohan’ny Fiangonana sy Tompon’ny asa. Toy izao indray no vaovao azo ambara amintsika anio:

VAOVAO NASIONALY 

FIOFANANA NASIONALY

Mitohy ny fampianarana iraisana eto @ FPMA SAP/KNPL/DVE/VFL/Education isak’Alarobia 20h-21h misokatra ho an’ny rehetra amin’ny alalan’ny phone call sy zoom araky ny hita eo amin’ny solaitra manjelatra ka azonareo Alaina ny coordonées samihafa.

FAMPIANARANA TENY MALAGASY

Faly manolotra ny arahaba ombam-pirariantsoa ho anareo amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika izahay mpiandraikitra ny Departemanta Teny Malagasy (DTM) na ny Sampan-draharaha Teny Malagasy ato amin’ny FPMA.

Indro atolotra anareo ny famintinana ny fampianarana teny malagasy ato amin’ny FPMA nentina tao amin’ny fivorian’ny Komity Maharitra tamin’ny asabotsy 7 oktobra 2023.

Vonona hiara-miasa amin’ny FPMA ny FTM (Fampianarana Teny Malagasy maneran-tany).

Ny tanjona sy ny sata ary ny vinan’ny FTM hatrany am-piandohana dia ny Fampianarana Teny Malagasy marina, mazava, madio, mendrika ary ny fandalinana ny fahendrena mampiavaka antsika Malagasy.

Andraikitry ny FPMA

Azo zaraina sokajy telo ny mpianatra teny malagasy :

  • Sokajy voalohany : ireo vao hianatra teny malagasy fa tsy mahay mihitsy
  • Sokajy faharoa : ireo mahaihay fa tsy sahy miteny
  • Sokajy fahatelo : ireo efa miteny malagasy fa te hiroso lalindalina kokoa
  • Andraikitry ny FPMA no manentana ny mpiangona ao aminy hianatra teny malagasy : ankizy, tanora, olon – dehibe
  • Andraikitry ny FPMA koa no mikarakara ny fampianarana ao aminy
  • Andraikitry ny FPMA koa no manentana ny olona ao aminy hampianatra

Ny tanjona ho an’ireo mpiofana amin’ny sokajy roa voalohany dia ny hahazatra azy hiteny malagasy.

Izay rehetra mahay miteny malagasy dia afaka mampianatra ny sokajy voalohany sy faharoa avokoa.

Andraikitry ny FTM 

  • Fanofanana ireo rehetra mazoto hampianatra ataon’ny Tale Pedagôjikan’ny FTM. Ramatoa Hasina Olga RANDRIANARISOA izay mpampianatra-mpikaroka, linguiste ary ethnologue
  • Fanomezana ny lesona ampianarina (support de cours) ; ny lohahevitra dia “Ny fiainan’ny Malagasy miara-miaina amin’ny hafa firenena aty andafin-driaka”.

Hisy ny Famenoana ny sivam-pahalalana (grille de compétences) amin’ny rohy misoratra eny amin’ny solaitra manjelatra.

https://www.allcounted.com/s?did=cfl5v0dv758d7&lang=fr_FR

Ny Mpiandraikitra ny Departemanta Teny Malagasy ato amin’ny FPMA sady Mpiandraikitra ao amin’ny FTM

Ramatoa RAHARIJAONA Marie-Angèle Mpitandrina

Tale Mpitandrina

Andriamatoa RAMANDRAIVONONA Dera Tale Laika

VAOVAO TAFO

FILAZANA MANJO

Mampandre ny fiangonana izahay ny fodiamandrin’ny hava- malalanay :

MILITERA

Tany Madagasikara
Hoy :

Ny zanany MILIHASOA Managnarivo (Nivo)

 FIFOHAZANA

Misy asa sy fampaherezana ao aorian’ny fannompoam-pivavahana androany.

 

FEON’NY MAZAVA

« Maintenant, frères et sœurs chrétiens. soyez dans la joie. Cherchez à être partait, encouragez-vous et soyez d’accord entre vous. Vivez dans la paix, et le Dieu d’amour et de paix sera avec vous. » 2 Corinthiens 13:11 La chorale Feon’ny mazava est heureuse de vous annoncer leur Isantaona avec le thème « Cherchez à être parfait ». Nous vous donnons rendez-vous le samedi 25 Novembre pour une journée bien remplie. En début d’après-midi, une masterclass avec un expert technique vocal sera faite et sera ouverte à toute l’église. Puis s’en suivra à 19h30 le concert de la FNM. Venez nombreux ! Soyez bénis. 

FIFIDIANANA ESPMA

Ny ESPMA TOULOUSE dia faly mampandre antsika fa ho tanterahana ny Alahady 17 DESAMBRA 2023 aorian’ny fanompoam-pivavahana, ny fifidianana ireo olona 5 ao amin’ny Conseil d’Administration izay hiara hiasa amin’ny mpitandrina sy ny diakona 5.

NY fisoratana anarana dia efa nanomboka tamin’ny herinandro any amin’ny birao amperin’asa : Jean Yves Rakotomalala sy Lalao Andrianjatovo.

Marihina, fa araka ny STATUT ESPMA dia ireo mpikambana nanefa ny adidy ihany no afaka mandray anjara amin’ny fifidianana. Koa mbola azo atao ny manefa izany ny adidy izany izay mitentina 10€ isantaona, mialoha sy aorian’ny fanompoam-pivavahana isaky ny Alahady. Mbola azo atao ihany koa ny misoratra anarana ho mpikambana ESPMA.

Dia manonona ny fiadanan’ny Tompo isan-tokantrano

ALAHADIN’NY MPITANDRINA 

Ny Fankalazàna ny Alahadin’ny Mpitandrina dia ho tanterahina ny Alahady 03 Desambra 2023 amin’ny 3 ora tolak’andro eto @ temple du Salin. Fotoana sarobidy hisaorana an’Andriamanitra noho ny fananantsika Mpitandrina efa taona maro izao sy hitondràna am-bavaka ny Mpitandrina mianakavy ho mariky ny  fanohanana ny asa fitandremana eto @ Fiangonana. Ny teny hanorenana izany fotoan-dehibe izany dia manao hoe

« Aoka izay ampianarina ny teny mba hahafoy zava-tsoa ho an’izay mampianatra. » Galatiana 6:6

Hisy valopy ho zaraina amintsika hanomezantsika izay foy hanohanana ny asa fitandremana ary atolotra manontolo ny Mpitandrina miaraka amin’ny rakitra toy ny fanaon’ny Fiangonana rehefa Alahadin’ny Mpitandrina.

Dia mitondra am-bavaka izany fotoana lehibe izany isika ary manentana ny Fiangonana ho tonga maro. 

ETUDES BIBLIQUES

Misy ny études bibliques ny Talata 21 Novambra 2023.

PERMANENCES

Mitohy ny permanences an’i Mpitandrina ny Talata amin’ny 10 ora maraina ka hatramin’ny 4 ora tolakandro tsy miato (Journée continue) ary ny Alakamisy manomboka amin’ny 10 ora ka hatramin’ny 12 ora antoandro.

Inty ny numéro hiantsoana ny Mpitandrina raha ilaina @ fangalàna RDV : 0609806160

FANADIOVANA NY TRANO FIANGONANA

Ny tompon’anjara amin’ny fanadiovana ny trano Fiangonana anio dia ny SAFIF & TILY 

DIARY 

Ny fanompoam-pivavahana ny Alahady 26 Novambra dia any amin’ny Vieux Temple manomboka amin’ny 10 ora sy sasany.

Misaotra antsika naharitra hatramin’ny farany ary ho an’Andriamanitra ny Voninahitra.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

bookmark
required required
web