Alahady 20 Aogositra 2023

Ny Mpitandrina sy ny Komity FPMA Toulouse dia faly miarahaba antsika amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Lohan’ny Fiangonana sy Tompon’ny asa. Toy izao indray no vaovao azo ambara amintsika anio:

VAOVAO FARITANY 

FIOFANANA TOMPON’ANDRAIKITRA

Faly manasa antsika hanatrika ny fiofanan’ny tompon’andraikitra izay hatao ny :

Sabotsy 02 Septambra 2023  (par Zoom)

Ora : 9h30-11h30

Indro ny lien zoom :

https://u-bordeaux-fr.zoom.us/j/89288306501

Voakasik’izany isika rehetra manana andraikitra eto @ fiangonana (Mpitandrina, Komity, Birao Sampana 8, birao ESPMA, Loholona, Komity trano Fiangonana 

VAOVAO TAFO

FILAZANA MARIAZY

“Ary koa, raha miara-mandry ny roa, dia mafana izy; fa hatao ahoana no hampahafanany irery ? Raha misy maharesy ny irery aza, ny roa tsy ho leony tsy akory; ary ny mahazaka telo olana tsy mora tapahina.”  Mpitoriteny 4 : 11 – 12

RANAIVO RAKOTONDRAVELONA Samuel Jérôme Lala sy RASOARIMANGA Voninavoko Herinirina mivady

RAZANANTSANDRA Claire RAZAFINDRAMISA Justin RANDRIANARISOA Solomalalatiana Hubert sy RAZAFINDRAMIADANA Noroharivelomivady

Dia faly manasa anareo hiaraka hiombom-bavaka amin’ny fanamasinana ny fanambadian’ny zafiny, ny zanany

RANAIVO RAKOTONDRAVELONA Mandimby Nirina sy RANDRIANARISOA Irinambinintsoa

Ny Asabotsy 9 Septambra ao @ FJKMIfaliarivo Ambanidia

SAMPANA STA

STA dia manao antso avo : mitady mpampianatra hanatevina ireo efa misy. Na tsy manana trai-kefa momba ny fampianarana, fa vonona hamaly ny antso ho anao. Misy ny  fiofanana sy ny fihaonana amin’ny mpitandrina, tsy irery ianao , miara-miasa akaiky aminao ny  mpampianatra efa za-draharaha. aza misalasala mananotna ny birao ny STA, na ny diakona mampita ny hafatra.

FIFIDIANANA DIAKONA 2024-2025

“Betsaka ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy, koa amin’izany mangataha amin’ny tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra” Matio 9:38

Mitohy ny fisoratana ao amin’ny cahier eo ampidirana na any @ Mpitandrina ary mifarana izany ny 15 Oktôbra 2023 sasakalina. Marihina fa mbole congé ny Mpitandrina hatramin’ny 27 Aogositra.

Azo atao ny manolotra anarana rehefa nanaiky ilay olona noresahina. Ny fifidianana dia hatao ny Alahady 29 Oktôbra 2023. Toy ny mahazatra dia misy ny entretien miaraka @ Mpitandrina mialoha ny fifidianana.

Hisy fanavaozana ny lisitry ny Mpandray manomboka izao ka hatramin’ny herinandro mialoha ny fifidianana.

CONGES MPITANDRINA

Ny Mpitandrina dia mbola miala sasatra hatramin’ny 27 Aogositra. Koa afaka mifandray @ Filoha na Filoha Mpanampy isika raha misy ilàna azy mandritry izany fotoana izany

DIARY 

Ny fanompoampivavahana manaraka dia  eto amin’ny vieux temple ny Alahady 27 Aogositra amin’ny  10 ora maraina.

Ny fanompoampivavahana fidirana kosa dia ao @ Temple du Salin ny Alahdy 3 Septambra amin’ny 3 ora tolak’andro

Misaotra antsika naharitra hatramin’ny farany ary ho an’Andriamanitra ny Voninahitra.

 

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

bookmark
required required
web