Alahady 21 Mey 2023

Ny Mpitandrina sy ny Komity FPMA Toulouse dia faly miarahaba antsika amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Lohan’ny Fiangonana sy Tompon’ny asa. Toy izao indray no vaovao azo ambara amintsika anio:

VAOVAO NASIONALY

FIOFANANA SAP/ KNPL

Mitohy ny fampianarana SAP/KNPL isaky ny Alarobia hariva amin’ny alalan’ny phone call na zoom amin’ny 8 ora alina.

REMERCIEMENTS  RNSA 2023

Nahazo fisaorana avy @ birao nasionaly sekoly alahady noho ny fahavitan’ny RNSA 2023.

À vous tous merci et « Que la paix de Dieu qui dépasse tout ce que l’on peut imaginer, gardera vos cœurs et vos pensées en communion avec Jésus Christ. » Philippiens 4 :7

BIRAO FMM

Araka ny efa fantantsika dia Alahady hitondrana am-bavaka ny FMM sy ny asa fitandremana androany ka hisy raki-pisaorana mikasika izany.

VAOVAO TAFO

RAKI-PISAORANA

“ Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko; Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina.

Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko; Ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra, » Salamo 103, 1-2

Olona tsy nitonona anarana nanolotra raki-pisaorana 500 euros ho an’ny vina Trano Fiangonana.

TARATASY FISAORANA

Nahazo taratasy fisaorana ny fiangonana avy amin’ny fianakaviana

NORONIAINA Soa Lynda Lala izay namoy ny zanany.

FILAZANA MANJO

« Hifaly dia hifaly amin’i Jehovah aho, ny fanahiko ho ravoravo amin’Andriamanitro; fa notafiany fitafiana famonjena aho » Isaia 61, 10a

Amin’ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ary ny fiainana mandrakizay no ampandrenesanay fa ny malalanay :

RAJAONARISON Georges Roland

Dia nantsoin’ny Ray hody any aminy ny Talata 16 Mey 2023 rehefa nivahiny 70 taona teto an-tany.

Hoy ny Reniny : RASOLOMALALA Aimée

Hoy ny iray tampo aminy :

RAJAOBELINA Hanitra

RAKOTONDRAFAHATRA Flavien sy Salama

RAVELOJAONA Eddie sy Tiana

RAJOSIVELO Arthur sy Soa.

SAFIF

Misaotra an’Andriamanitra isika ry havana fa noho ny fahasoavany sy ny famindrampony dia fifaliana ho an’ny Sampana Fifohazana no mampandre ny Fiangonana fa ny isan-keritaona Fifohazana FPMA Nationaly 2023 dia :

Manomboka ny 17/07 ka hatramin’ny 23/07/2023

Ny lohahevitra @ izany dia :  » Tsy misy mahay fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesosy Kristy » (1 kor. 3:11)

Ny toerana hanantanterahana izany dia:

Lycée Don Bosco

570 Les Cours

61210 Giel-courteilles.

Ny saran-dasy dia 150 euros (ny herinandro) – 25 euros isan’andro.

Manentana ampitiavana antsika rehetra mba samy hamandrika izany fotoana izany dieny izao.

Ny fisoratana anarana dia atao @ Ramatoa Angelina Behavana.

Manonona ny fiadanan’i Tompo ho amintsika rehetra.

FIHAONANA LUNDI DE PENTECOTE

« Izaho no Mpiandry Tsara ; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho ». Jaona 10:14

Araky ny fanaon’ny fiangonana dia hisy ny fitsangatsangagana sy fihaonana lehibe ny alatsinainy Petenkosta 29 Mai.

Koa hisy izany ny Fihaonan’ny fiangonana, ny VALA, hifankahalalana, hifankazarantsika samy mpianakavin’ny finoana ary hiarana mifaly ao amin’ny tompo.

Hafanain’ny sampana 8 sy ireo manatalenta eto @ Fiangonana,

Koa toy izao no fandaminana:

*Fotoana: alatsinainy 29 mai 2023 amin’ny 11 ora tsy diso

*Toerana: salle Xeraco Bruguières

*Samy mitondra sakafo sy rano fisotro hifampizarana  araka izay fahafahana

*Ary aza hadinoina ny tsikitsiky

TONGAVA MARO

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

bookmark
required required
web