Alahady 28 Mey 2023

Ny Mpitandrina sy ny Komity FPMA Toulouse dia faly miarahaba antsika amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Lohan’ny Fiangonana sy Tompon’ny asa. Toy izao indray no vaovao azo ambara amintsika anio:

VAOVAO NASIONALY 

HAFATRA NASIONALY PENTEKOSTA

« Ary izy rehetra dia samy nomena ny fampisehoana* ny Fanahy hahasoa » (1 Kor 12, 7)

Misy hafatra nasionaly Pentekosta nalefan’ny Birao Foibe mitondra ny lohateny hoe : « Pentekosta Fanomezana mahasoa » nataon’i mpitandrina Jean Teddy RAMAHERIJAONA.

Efa nalefa tamin’ny Canal de diffusion FPMA izany.

VAOVAO FARITANY

-HAFATRA PENTEKOSTA FATSAN

« Fa hahazo Hery hianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo » (Asa 1.8)

Ny fahasoavan’ny Tompo anie hirotsaka amintsika rehetra.

Efa hatrany amin’ny Testamenta Taloha no nampanantena ny Fanahy Masina Andriamanitra: nanakoako ny Teniny raha nampanantena izy fa handatsaka ny Fanahiny amin’ny nofo rehetra tsy misy havakavaka. (Joëla 3.1l).

Ao amin’ny Testamenta Vaovao dia noraisin’i Jesoa ho tena antoky ny fiainan’ny mpino ny filatsahan’ny

Fanahy Masina, Mpanambara ny fahamarinana, Mpananatra sy Mpampahery : « Tsy hamela anareo ho

kamboty aho », hoy Jeso, « hankaty aminareo aho » Ny Fanahy no manafy hery antsika manoloana ny Asa

miandry. Omeny hery mba ho sahy, tsy ho menatra ny Filazantsara, fa hijoro vavolombelona hatrany.

Omeny hery ny trotraka, ny kivy, ny marary mba hitraka sy hianoka fanantenana. Omeny hery ny am-perinasa hilofo hanatanteraka ny niantsoana azy ireo. Omeny hery ny tsirairay hatoky, fa misy ilan’ny Tompo azy isaky ny androm-piainany.

Ry havana, hanafy hery sy hampiray antsika rehetra anie ny Fanahy Masina.

Manonona ny fiadanan’ny Tompo ho amin’ny vahoakan’Andriamanitra tsirairay avy.

 

Avy amin’ny Birao FATSAN Nadia DELMOTTE sy ny mpitandrina Charles RAKOTONDRAMANANA

 

FIOFANANA TOMPON’ANDRAIKITRA

Ho tanterahina ny Asabotsy 10 Jona eto Toulouse ny fiofanan’ny tompon’Andraikitra eto amin’ny FATSAN. Izany dia manomboka amin’ny 8 ora sy sasany maraina ary mifarana amin’ny 4 ora sy sasany hariva. Mifarana ny Alakamisy 01 Jona ny fisoratana anarana.

VAOVAO TAFO

FILAZANA MANJO

1-Amin’ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ary ny fiainana mandrakizay no ampandrenesanay fa ny malalanay :

RAKOTONARIVO Parson

Dia nantsoin’ny Ray hody any aminy.

Hoy ny zanany : Rakotonarivo Felana Tiana  sy Rakotonarivo Rado 

2-« Ary mandalo  izao fiainana  izao  sy ny filany : fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra  no maharitra mandrakizay » (  1 jaona 2: 17 )

Amin’ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ary fiainana mandrakizay, no ampandrenesanay isika mpianakavin’ny  finoana fa: ny zoky  malalanay :

BETIANA Jean Florent

dia nantsoin’i  Ray hody any  aminy  ny Atalata 23 Mai  2023 any Madagascar  rehefa nivahiny  55 taona teto an-tany.

Hoy ny anabaviny:  Angelina BEHAVANA mianakavy  sy ny fianakaviana rehetra.

FANATERAM-BOKATRA PENTEKOSTA

Hisy fanateram-bokatra androany. Efa nisy valopy nozaraina tamintsika hanatanterahana izany. 

SAFIF 

« Fa tsy misy mahay manao fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesosy Kristy.» 1Korintiana 3:11

Ny Convention 2023 – Isan-kerintaona faha-34 an’ny Fifohazana FPMA dia hotanterahina any Giel-Courteilles (800 km avy eto Toulouse) mandritra ny herinandro (ny 17 ka hatramin’ny 23 jolay ho avy izao).

Ny saran-dasy dia 150€ isan’olona

Ny saran-dalana dia tena mavesatra noho ny fahalaviran’ny toerana. Koa misy « Urne » anentanan’ny Sampana antsika mba hifanomezantsika tanana amin’ny fanampiana ny mpiangona rehetra ato amin’ny FPMA Toulouse izay manam-paniriana handeha amin’izany Convention izany.

«Fa Andriamanitro hahatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny hareny amin’ny voninahitra ao amin’i Kristy Jesosy.» (Filipiana 4:19)

Numéro de téléphone:

BEHAVANA Angelina

06 79 58 65 40

VONDRONASA SERASERA

1-« Ny fandaharana Voantsinapy n’ny Radio Antson’ny Filazantsara izay miompana amin’ny Pentekosta 2023 dia efa mivoaka ao amin’ny facebook sy ny site fpma toulouse ary manasa am-pitiavana antsika hihaino finaritra »

2-« Ny Gazety Fiainana laharana faha-243 dia efa nivoaka ary ho zaraina amin-tsika etsy am-pivoahana »

FIHAONANA LUNDI DE PENTECOTE

« Izaho no Mpiandry Tsara ; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho ». Jaona 10:14

Araky ny fanaon’ny fiangonana dia hisy ny fitsangatsangagana sy fihaonana lehibe ny alatsinainy Petenkosta 29 Mai.

Koa hisy izany ny Fihaonan’ny fiangonana, ny VALA, hifankahalalana, hifankazarantsika samy mpianakavin’ny finoana ary hiarana mifaly ao amin’ny tompo.

Hafanain’ny sampana 8 sy ireo manatalenta eto @ Fiangonana,

Koa toy izao no fandaminana:

*Fotoana: Rahampitso alatsinainy 29 mai 2023 amin’ny 11 ora tsy diso

*Toerana: salle Xeraco Bruguières

*Samy mitondra sakafo sy rano fisotro hifampizarana  araka izay fahafahana

*Ary aza hadinoina ny tsikitsiky

TONGAVA MARO

CONCERT TGC

MISANDRATA IANAO TGC EUROPTOUR 2023
Hisy concert lehibe miaraka @ tarika TGC avy any Madagasikara ny zomà 30 Jona @ 8 ora alina ao @ salle XERACO any Bruguières ao anatin’ny fandalovan’ny tarika eto eoropa sy ho fanohanana ny VINA TRANO FIANGONANA izay ataontsika FPMA Toulouse. Ny hetsika dia haoriana amin’ny hoe « TARANAKA VOAFIDY ».

 

Toy izao ny fidiràna:
* 20 euros ho an’ny olona mihoatra ny 16 taona.
* 15 euros ho an’ny ankizy 10 taona ka hatramin’ny 16 ans (inclus ny 16 taona).

Hisy fisarihana ny nomeraon’ny tapakila fidirana izay lafo ary mety ahazoana loka, toy ny séjour complet (vol sy hébergement) eto Eoropa, sy loka hafa koa.

Afaka ataonao ny mividy ny tapakila eo amin’ny stand misokatra isaky ny alahady, na any amin’ny komity, na afaka mividy en ligne amin’ny alalan’ny rohy voasoratra eo amin’ny flyer.

Tongàva maro ary entano ny namanao.

ETUDES BIBLIQUES

Misy ny études bibliques ny talata 30 Mey amin’ny 7 ora sy sasany hariva @ alalan’ny Zoom.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

bookmark
required required
web