
Alahady 7 Mey 2023
Ny Mpitandrina sy ny Komity FPMA Toulouse dia faly miarahaba antsika amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Lohan’ny Fiangonana sy Tompon’ny asa. Toy izao indray no vaovao azo ambara amintsika anio:
VAOVAO NASIONALY
FIOFANANA SAP/ KNPL
Mitohy ny fampianarana SAP/KNPL isaky ny Alarobia hariva amin’ny alalan’ny phone call na zoom amin’ny 8 ora alina.
RNSA
Nisy solotena 17 nandeha any @ RNSA any Giel izay mifarana rahampitso alatsinainy
VAOVAO TAFO
FILAZANA MANJO

Ses petits-enfants et arriere-petits enfants.
Efa vita omaly ny fanompoampivavahana fanomezamboninahitra an’Andriamanitra sy fampaherezana ny fianakaviana ary ny famangiana amin’ny anaran’ny Fiangonana.
FNM
Nous avons le plaisir de vous annoncer un concert de 2 chorales : Feon’ny Mazava et Atout Chœur. Un concert exceptionnel avec la participation organisationnelle de l’association fahazavana.
Ceci se déroulera le Samedi 20 Mai 2023 à 17h00 à la salle des Fêtes Albert Camus 1 place de la république 31270 Cugnaux. La PAF est de 20 € pour les adultes et les gratuits pour les enfants de moins de 12 ans.
Les billets sont disponibles auprès des membres du bureau Feon’ny mazava. Venez nombreux.
Ny tapakila dia azo vidiana any @ Biraon’ny Feon’ny Mazava. Marihina fa ny vola azo amin’io dia harotsany manontolo @ vina Trano Fiangonana. Manasa antsika ho tonga maro.
SAFIF
Misaotra an’Andriamanitra isika ry havana fa noho ny fahasoavany sy ny famindrampony dia fifaliana ho an’ny Sampana Fifohazana no mampandre ny Fiangonana fa ny isan-keritaona Fifohazana FPMA Nationaly 2023 dia :
Manomboka ny 17/07 ka hatramin’ny 23/07/2023
Ny lohahevitra @ izany dia : » Tsy misy mahay fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesosy Kristy »
(1 kor. 3:11)
Ny toerana hanantanterahana izany dia:
Lycée Don Bosco
570 Les Cours
61210 Giel-courteilles.
Ny saran-dasy dia ho lazaina amintsika @ manaraka.
Manentana ampitiavana antsika rehetra mba samy hamandrika izany fotoana izany dieny izao.
Ny fisoratana anarana dia atao @ Ramatoa Angelina Behavana.
Manonona ny fiadanan’i Tompo ho amintsika rehetra.
H’ENDRIPEO
La section H’endripeo vous invite à son Isantaona le samedi 13 Mai concert à 19h au Vieux Temple et le dimanche 14 mai culte à 10h30 sous le thème ME VOICI ENVOIE-MOI

FIHAONANA LUNDI DE PENTECOTE
« Izaho no Mpiandry Tsara ; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho ». Jaona 10:14
Araky ny fanaon’ny fiangonana dia hisy ny fitsangatsangagana sy fihaonana lehibe ny alatsinainy Petenkosta 29 Mai.
Koa hisy izany ny Fihaonan’ny fiangonana, ny VALA, hifankahalalana, hifankazarantsika samy mpianakavin’ny finoana ary hiarana mifaly ao amin’ny tompo.
Hafanain’ny sampana 8 sy ireo manatalenta eto @ Fiangonana,
Koa toy izao no fandaminana:
*Fotoana: alatsinainy 29 mai 2023 amin’ny 11 ora tsy diso
*Toerana: salle Xeraco Bruguières
*Samy mitondra sakafo sy rano fisotro hifampizarana araka izay fahafahana
*Ary aza hadinoina ny tsikitsiky
TONGAVA MARO