Vondronasa Fiainam-piangonana
Ny Vondronasa Fiainam-piangonana dia sehatra hanaovana ny fampiorenana ny Fiangonana amin’ny Tenin’Andriamanitra.
Izany vondronasa izany dia miara-miasa akaiky amin’ny Mpitandrina amin’ny fanatanterahana ny fanompoam-pivavahana rehetra sy fitaizana ara-panahy rehetra eto anivon’ny Fiangonana.
Sahan’asa sy andraikitra :
- Fitadiavana ny lohahevitry ny fotoampivavahana
- Fandrafetana sy fanajana ny Litorjy
- Fametrahana fomba fanao mahomby anatanterahana ny fanompoampivavahana(firindran’ny fotoana, fanajana ny tranon’Andriamanitra, filaminan’ny mozika)
- Fitadiavana ny mpandray anjara sy fanomezana torolalana azy
- Fampitaovana sy fampihaingoana ny trano ivavahana hifanaraka amin’ny litorjy
- Fanofanana, fitaizana, fanabeazana (miaraka amin’ny Mpitandrina)
- Fanofanana sy Fanolokoloana ara-panahy, ara-pratika sy ara-teknika ny kristiana sy antoko samihafa ao amin’ny Fiangonana (sampana, komity, vondronasa, fiangonana)
- Fandrafetana fandaharam-panofanana sy fampianarana
- Fitadiavana olona hanatanteraka ny fanofanana
- Fanatanterahana ny fanofanana
- Fiandraiketana ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny Fiangonana hafa :ERF (Semaine de l’unité, fête de l’Eglise ERT, Jeudi Saint, Noël), FKMT (Semaine de l’Unité, fetim-pirenena)
- Fanetsiketsehana Vondrom-bavaka, fotoam-bavaky ny Fiangonana isaky ny zomà faran’ny volana Jona, sy Zomà faran’ny taona
- Fitaomana ny Fiangonana hiezaka hanao asa misiona
Tompon’andraikitra 2020- 2021 :
BEHAVANA Raveloarimanana. behavanajojo@gmail.com
RANDRIAMANJATO Tantely. fitiavana2000@gmail.com